Namana
Resadresaka natao tamin’i Alan momba Ireo Fanekem-pinoana
Jolay 2024


“Resadresaka natao tamin’i Alan momba ny Fanekem-pinoana,” Friend, jolay 2024, 40–41.

Resadresaka natao tamin’i Alan momba Ireo Fanekem-pinoana

Avy any Màlaga, Espaina i Alan. Nametrahanay fanontaniana vitsivitsy momba ny fomba nianarany Ireo Fanekem-pinoana izy.

Sary
Sary tapak’i Alan

Lazao aminay ny mombamomba anao.

Sary
Ankizilahy manao fitafy any amin’ny laboratoara mihazona bécher (vera fampiasa any amin’ny laboratoara)
Sary
Lovia misy atody nendasina natao nahandro espaniôla

Valo taona aho. Te ho mpahay siansa malaza aho rehefa lehibe. Ny loko volomboasary no loko tiako indrindra, ary ny tortillas de patatas (atody nendasina natao nahandro espaniôla) ataon’ny renibeko no tiako indrindra.

Ahoana no nianaranao Ireo Fanekem-pinoana?

Nanomboka tany amin’ny Kilonga aho no nianatra azy ireo. Nihira hira izahay mba hanampiana anay hahay tsianjery azy ireo. Indraindray dia soratan’ny mpampianatra anay eny amin’ny solaitrabe izy ireo dia fafany ny teny sasany. Nanao sary koa izahay mba hanazavana ny dikan’Ireo Fanekm-pinoana tsirairay.

Tiako koa ny mizatra miteny azy ireo amin’ny fianakaviako ao anaty fiara rehefa eny an-dalana mankany am-pianarana. Manampy an’i Maia zandriko vavy mianatra azy ireo koa aho. Efa hainy sahady ireo enina voalohany!

Iza amin’Ireo Fanekem-pinoana no tianao indrindra?

Sary
Ankizilahy eo amina latabatra ahitana boky misokatra

Tiako ny laharana faha-sivy. “Mino ny zava-drehetra izay efa nambaran’ Andriamanitra isika, izay ambarany ankehitriny, ary mino isika fa Izy dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra.” Mampianatra antsika io fa misy zavatra maro tian’ny Ray any An-danitra hianarantsika tsikelikely.

Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’Ireo Fanekem-pinoana anao?

Indray andro tany am-pianarana, i Sophie namako dia nanontany ahy hoe inona ny zavatra inoako ary mba inona ny antokom-pivavahana misy ahy. Tsaroako tamin’izay ny Fanekem-pinoana voalohany izay manao hoe: “Mino an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, isika ary mino an’ i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina.” Ka nozaraiko taminy izany.

Nolazaiko azy koa fa Kristiana aho ary mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nihaino ahy izy ary azony ny zavatra nozaraiko taminy.

Inona no zavatra tsapanao tamin’io traikefa io?

Nanana fahatsapana tsara aho satria fantatro fa sahy nizara ireo zavatra inoako tamin’ny namako. Afaka nizara ny filazantsara sy nahafantatra izay holazaina aho noho ny fianarako mafy Ireo Fanekem-pinoana.

Sary
Ankizy miara-mijoro
Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Toby Newsome

Hamoaka printy