“Margo sy Paolo,” Namana, jolay 2024, 34.
Margo sy Paolo
Tsara kosa a! Vonona amin’ilay famintinana boky rahampitso ve ianao?
Tsy haiko. Mitaintaina aho rehefa miresaka eo imason’olona.
Ho mety tsara ny hataonao! Niomana ianao sady niasa mafy. Andao hivavaka mba hanampy anao ho tony.
Ny ampitson’io …
Arahabaina ianao ry Paolo! Nanamboarako ilay tsinkaninkanina mamy tianao indrindra ianao.
Tsy nety akory ary ny nataoko koa! Nilatsaka ilay petadrindrina sady tsy nandeha tamin’izay laoniny ny teniko rehetra.
Nanao izay tsara vitanao ianao. Zavatra mendrika ankalazaina izany. Avia, tantarao anay ny zavatra nianaranao!
Tena tsara! Reharehanay tokoa ianao.
Lasa te hamaky boky koa aho izao.