Namana
Sahanasa fanao amin’ny Alahady
Jolay 2024


“Sahanasa fanao amin’ny Alahady,” Namana, jolay 2024, 17.

Zavatra mahafinaritra

Sahanasa fanao amin’ny Alahady

Sary
Tabilao ana sahanasa misy sary

Sary nataon’i Josh Talbot

Manipaza zavatra kely toy ny voan-tsaramaso iray na vola vy eo amin’ilay pejy. Avy eo dia ataovy ilay sahanasa itontonan’izany. Avereno indray rehefa vitanao izany! Tohizo hatrany mandrapahazoanao efatra misesy.

  • Mamakia tantara iray avy ao amin’ny Namana.

  • Mandehandehana mijery zava-boary miaraka amin’ny fianakavianao.

  • Mijere sarin’ny tempoly.

  • Milalaova kilalao miaraka amin’ny fianakavianao.

  • Mianara hiran’ny Kilonga iray vaovao.

  • Manorata taratasy amin’ny misiônera iray.

  • Ataovy lisitra ireo zavatra 10 mahavelom-pankasitrahana anao.

  • Manaova sarin’ny fianakavianao.

  • Anontanio momba ny tantaram-pianakaviana i dada na i neny.

  • Miantsoa olona iray ao amin’ny fianakaviana izay mipetraka lavitra.

  • Mamakia soratra masina eo ivelany.

  • Manorata teny fisaorana ho an’olona iray.

  • Manamboara tempoly vita amin’ny biriky plastika na rotsakazo.

  • Lalaovy an-tsehatra ny tantara ao amin’ny soratra masina.

  • Mamangia olona iray manirery na mila fanampiana.

  • Manaova tsikaninkanina mamy dia atero any amin’ny mpiray vodirindrina aminareo.

  • Mijereva horonantsary ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Mihirà hiran’ny Kilonga iray na hira ao amin’ny fihiràna.

  • Manaova zavatra tsara ho an’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao.

  • Ataovy ny zavatra ao amin’ny pejin’ny sahanasa iray ao amin’ny Namana.

  • Soraty ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

  • Ampio ny fianakavianao hanamboatra sakafo na ody ambavafo.

  • Mandokoa sary iray na manorata teny fisaorana ho an’ny mpampianatra iray ao amin’ny Kilonga.

  • Ataovy tsianjery ny Fanekem-pinoana iray.

  • Manambatambara sary avy ao amin’ny Namana.

Hamoaka printy