Namana
Mamangy an’i nenibe sy i dadabe
Jolay 2024


“Mamangy an’i nenibe sy i dadabe,” Namana, jolay 2024, 30–31.

Mamangy an’i nenibe sy i dadabe

Naniry ny hizara ny zavatra nianarany tao amin’ny Kilonga i Ernesto.

Tany Indônezia no nitrangan’ity tantara ity.

Nasian’i Ernesto lobaka iray hafa tao amin’ny kitapony. Nijery ny manodidina ny efitrano izy. Inona koa ny zavatra hafa nila nentiny? Nahita Bokin’i Môrmôna teo amin’ny latabatra izy. Tsy azony adinoina izany!

Fialantsasatry ny fotoam-pahavaratra tamin’izay. Nikasa hamangy an’i nenibe sy i dadabe ny fianakavian’i Ernesto. Maika ery izy ny hahita ny nenibeny sy ny dadabeny.

Sary
Ankizilahy sy ray aman-dreny miarahaba renibe sy raibe

Nony tonga i Ernesto sy ny fianakaviany dia nofihinin’i dadabe mafy i Ernesto. “Faly amin’ny fahatongavanao aty aho!”

“Nalahelo anao mihitsy izahay!” Nitsiky i nenibe ary namihina an’i Ernesto koa.

“Tsy andriko mihitsy ny andro anio. Tianay ny mamangy anareo,” hoy i Ernesto.

“Andao isika hiditra,” hoy i dadabe. “Hanamboaran’i nenibe ny sakafo tianareo indrindra ianareo izao.”

Niara-niditra ny trano tamin’i nenibe sy i dadabe i Ernesto. Nahafaly azy aok’izany ny hanam-potoana hiarahana amin’izy ireo.

Raha nifoha maraina i Ernesto ny ampitson’io dia nanimbolo vary nandrahoina. Hitany i neny sy nenibe somokotra ao an-dakozia. Samy norohany teo amin’ny takolany izy ireo. Nihazakazaka nivoaka tany an-tokotany izy avy eo.

Nipetraka i dada sy i dadabe ary niresaka tao ivelany no sady nisotro zavatra tamin’ny kaopy.

“Manahoana ianao! Sao hisotro dite ianao?” Natolotr’i dadabe an’i Ernesto ny kaopiny.

Nojeren’i Ernesto tsara ilay kaopina dite, avy eo dia nojereny tsara i dadabe. Te hizara ny zavatra nianarany tao amin’ny Kilonga izy. “Aoka izao fa misaotra dadabe a”,hoy izy. “Nianatra aho tany am-piangonanay fa tsy tsara ho an’ny vatantsika ny dite sy kafe ary ny paraky. Te hanaraka ny zavatra tian’i Jesoa ho ataoko aho.”

Nitsiky i Dada. “Mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena ny fianakavianay, saingy hafa amin’izany ny zavatra inoan’i dadabe, fa tsy maninona izany.”

“Misaotra amin’ny Fizaràna ny zavatra inoanao,” hoy i dadabe tamin’i Ernesto. “Zazalahy mahafinaritra ianao. Afaka misotro rano mafana toy ny an’ny dadanao ianao.” Nandrarahan’i dadabe rano iray kaopy avy tao amin’ny kafitera i Ernesto.

Nisotro indray mitelina i Ernesto. Nahatsapa ho faly izy tao anatiny tao fa nisafidy ny tsara.

Nihinana ireo sakafo tiany indrindra i Ernesto rehefa tonga ny sakafo antoandro. Nanamboatra nasi goreng, izay nahandro ahitana vary, atody sy hena ary legioma, i nenibe. Nafilotra ery ilay izy. Tian’i Ernesto ny miresaka amin’i nenibe sy i dadabe teo am-pisakafoana.

Sary
Lovia misy vary sy atody

Niara-nilalao fangalampiery (an-kiafina) ny mpianakavy nony tolakandro. Na i dadabe sy i nenibe aza mba nilalao koa!

“Io ambadik’io hazo io i Ernesto!” Niantsoantso i dada sady nihazakazaka nankeny aminy. Nihomehy i Ernesto sady nitady hitsoaka. Mahafinaritra ny miara-milalao amin’ny fianakaviany.

Nipetraka nanodidina an’i dadabe ny rehetra tamin’io alina io raha izy nitantara tantara iny. Nony tapitra ny fitantaran’i dadabe dia tsaroan’i Ernesto fa tsy mbola namaky soratra masina izy ireo.

Niantsambotra i Ernesto. “Vetivety aho dia miverina eo.”

Nihazakazaka naka Bokin’i Môrmôna izy. Nony tafaveriny izy dia nanontany hoe: “Afaka mamaky ve isika?”

“Faly aho fa nahatsiaro ianao.” Nalain’i Neny teny amin’i Ernesto ilay boky ka nosokafany tao amin’ny andininy tiany indrindra. Novakiany mafy ilay izy. Avy eo dia nandohalika izy rehetra.

“Te hiaraka hivavaka aminay ve ianareo?” Hoy i Ernesto nanontany ny nenibe sy dadabeny.

“Ie, tianay tokoa izany,” hoy i nenibe. Nandohalika teo akaikin’i dadabe izy.

Sary
Fianakaviana miara-mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Nanonona ny vavaka i Dada. Nisaotra ny Ray any An-danitra izy fa tafiaraka ny mpianakavy.

Nofihinin’i dadabe i Ernesto taorin’ilay vavaka. “Tsara mihitsy fa mivavaka ny fianakavianao,” hoy izy. “Faly aho fa te ho akaikin’ Andriamanitra ianao. Hanampy ny fianakavianao ho mafy orina izany.”

Nahatsapa hafanana sy fiadanam-po tany anatiny tany i Ernesto. Tiany ny mizara ireo zavatra inoany, izay zavatra tiany, amin’i nenibe sy i dadabe, izay olona tiany.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Melissa Manwill Kashiwagi

Hamoaka printy