Namana
Sahanasa mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy
Jolay 2024


“Sahanasa mifandray amin’nyAvia, hanaraka Ahy ,” Namana, jolay 2024, 28–29.

Sahanasa mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Ho an’ny takarivan’ny mpianakavy na fandalinana ny soratra masina —na atao fialam-boly fotsiny!

1–7 jolay

Asa tanana momba ny drafitry ny fahasambarana

Ho an’ny Almà 17–22

Sary
Tanan’ny ankizy iray mihazona taratasy misy endriny samihafa netezana

Samy nampianatra momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana i Aharôna sy i Amôna. Nantsoin’izy ireo hoe drafitry ny fanavotana izany (jereo ny Almà 18:36–39 sy ny Almà 22). Mankanesa any amin’ny pejy 12 mba hanamboaranao ny asa tanana momba ny drafitry ny fahasambarana anao manokana.

8–14 jolay

Fitaovana eny an-tananan’ Andriamanitra

Mifandray amin’ny Almà 23–29

Sary
Ankizy manao fitaovana namboarina tao an-trano

Nilaza toy izao tamin’ireo rahalahany i Amôna: “Fitaovana teo an-tànan’ Andriamanitra mba hanatanteraka ity asa lehibe ity” (Almà 26:3). Manangòna zavatra azonao ampiasaina mba hanaovana feon-kira. Avy eo dia mamorona gadon-kira sy hira. Tahaka ny ampiasantsika ireo fitaovana ireo hanamboarana feon-kira no ahafahan’ Andriamanitra mampiasa antsika mba hanampy amin’ny fananganana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

15–21 jolay

Mozika mampatsiahy anao haka seza

Ho an’ny Almà 30–31

Sary
Ankizy mandeha miodidina seza

Nampianatra i Almà fa “ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra” (Almà 30:44). Midika izany fa afaka mampatsiahy antsika an’ Andriamanitra ny zava-drehetra noforoniny. Ataovy boribory ny fipetraky ny seza ka ataovy ampy tsara ipetrahan’ny rehetra ankoatra ny olona iray izany. Ataovy mandefa feon-kira ny olona iray ka izy no misafidy ny fanajanonana izany. Rehefa tapitra ny feon-kira dia mandeha mipetraka ny olon-kafa rehetra. Ny olona iray izay tsy nahazo seza dia mizara zavatra iray mampatsiahy azy an’ Andriamanitra. Tohizo hatrany mandra-pahafahan’ny olon-drehetra mandray anjara.

22–28 jolay

Mampitombo ny fijoroana ho vavolombelona anananao

Ho an’ny Almà 32–35

Sary
Ankizy manao sary

Nampianatra i Almà fa rehefa mihaino ny tenin’ Andriamanitra isika ary manao zavatra mba hanehoana finoana dia hitombo toy ny hazo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika (jereo ny Almà 32:37). Ataovy sary ny zavatra azonao hatao mba hanampiana hazo iray mba hitombo; toy ny hoe manome rano sy tara-masoandro azy. Ataovy sary avy eo ireo zavatra azonao hatao mba hanampiana ny fijoroana ho vavolombelona anananao mba hitombo; toy ny hoe mandeha miangona sy mivavaka.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Katy Dockrill

Hamoaka printy