Namana
Tiana aho
Jolay 2024


“Tiana aho,” Namana, jolay 2024, 42.

Nosoratanareo

Tiana aho

Sary
Ankizivavy feno tsiky mibaby kitapo eo anoloan’ny sekoly

Nisy olana ara-pitsaboana ary tena sarotra tamiko ny niaina izany. Tsy mitovy ny rehetra ny nahaterahako. Tsy mba afaka mamoaka maloto aho. Fandidiana lehibe telo no natao tamiko ary nisy fandidiana kely hafa.

Manontany tena aho indraindray hoe nahoana ary aho no toy izao. Saingy ny fieritreretako an’ Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjena dia manampy ahy hahatsiaro fa tiana toy ny olon-kafa rehetra aho. Zava-mahagaga ny manana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara ary fantatro fa afaka miankina amin’ny Tompo aho.

Tiako be mihitsy ny vatako. Fantatro fa tena fanomezam-pahasoavan’ny fahazavana aho (izany no dikan’ny anarako). Na dia miaina zava-tsarotra aza aho dia fantatro fa afaka mangataka fanampiana amin’ Andriamanitra mandrakariva aho.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Alyssa Johnson

Hamoaka printy