Namana
Ny fifaliana avy amin’ny fianarana
Jolay 2024


“Ny fifaliana avy amin’ny fianarana,” Namana, jolay 2024, 32–33.

Namana mankany amin’ny namana

Ny fifaliana avy amin’ny fianarana

Avy tamin’ny tafatafa nataon’i Olivia Kitterman sy i Noelle Lambert Barrus.

Tsy tsapako akory hoe mpianatra mahay aho tamin’ny mbola kely. Narani-tsaina be daholo ireo iray tam-po amiko. Nahazo naoty ambony izy ireo. Fianarana faran’izay sarotra indrindra no nataon’izy ireo. Nanohy nanandrana ny hanao fianarana faran’izay sarotra aho saingy tsy voaray mihitsy. Sarotra be ny matematika. Dia nihevitra aho hoe: “Izaho angamba no tsy mahay.” Tsy noheveriko mihitsy hoe mety hiova izany.

Indray taona àry nanana mpampianatra iray izay aho nanome ahy ny fahatokisantena nilaiko. Nahita talenta misimisy kokoa tamiko noho izaho ny mpampianatro. Hoy izy: “Clark a, afaka ny ho lasa mpianatra mahay ianao. Mila mino ny tenanao fotsiny ianao.”

Koa dia niezaka hatrany aho. Nianatra mafy kokoa aho. Niezaka ny ho lasa tia filaminana kokoa aho. Nianatra ny nanaraka ireo entimodiko rehetra aho. Nanampy ahy nifantoka tamin’ny fianarako ny tsy fijerena fahitalavitra firy. Vetivety aho dia lasa mpianatra mahay kokoa. Ary nitombo ny fatokiantenako.

Hitako fa tsy nila nianatra samy irery aho tamin’izaho nanao asa fitoriana. Nangataka fanampiana tamin’ny Ray any An-danitra aho. Dia nihaino ny Fanahy Masina aho. Afaka nampianatra sy nanampy olona aho rehefa niezaka mafy. Nankany amin’ny oniversite aho rehefa nody avy nanao asa fitoriana. Nivavaka tamin’ Andriamanitra aho tamin’ny fianarana rehetra nataoko. Lasa mpianatra mahay kokoa aho ary nanomboka tiako mihitsy aza ny matematika!

Noheveriko fa ny hoe mahay dia midika hoe mahafantra zavatra be dia be ianao sady mora koa ny fianarana. Tsy marina izany. Raha manam-piniavana ny hampandray anjara ny Tompo amin’ny fianaranao sy ny ezaka mafy ataonao mba hivoatra ianao dia mahay ianao!

Raha sarotra ny zava-drehetra amin’izao fotoana izao dia tsarovy fa zanak’ Andriamanitra ianao. Manana hery tsy mampino ianao. Afaka manao zavatra sarotra ianao. Miezaha hatrany fotsiny. Mangataha fanampiana amin’ny Ray any An-danitra. Tiany hahomby ianao. Vitanao izany!

Sary
Ankizilahy feno tsiky eo am-pianarana

Kilalao momba ny fianarana

Tadiavo ao amin’ilay efajoro etsy ambany ny andiana fitaovam-pianarana tsirairay. Inona no zavatra tianao ny mianatra azy any am-pianarana?

Sary
PDF ana sahanasa ahitana fitaovam-pianarana eo amina efajoro

Sary nataon’i Agnes Saccani

Hamoaka printy