Namana
Asa tanana momba ny drafitry ny fahasambarana
Jolay 2024


“Asa tanana momba ny drafitry ny fahasambarana,” Namana, jolay 2024, 12–13.

Zavatra mahafinaritra

Asa tanana momba ny drafitry ny fahasambarana

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Marina Pessarrodona

Ataovy ity asa tanana ity mba hanampiana anao hampianatra ny drafitry ny Ray ho an’ny fahasambarana. Azonao vakina amin’ny Almà 18:36, 39 sy ny Almà 22:8–16ny momba izany drafitra izany.

  1. Hetezo manaraka ireo teboka mitohitohy ireo singa etsy ambany. Lavaho eo amin’ny faribolana miloko fotsy tsirairay.

  2. Anatsofohy kofehy iray eo amin’ireo lavaka mba hampifandraisana ireo singa amin’ireo teny sy sary mifanaraka aminy. Asio kofehy iray hafa miditra eo amin’ny ilay lavaka eny ambony ary afatory izany.

  3. Afatory eo amina tsorakazo iray ireo kofehy rehetra. Ahantony avy eo ny asatananao.

Ny Fahariana. Namorona ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo amin’izy ireo Andriamanitra.

Ny Fahalavoana. Nisafidy ny hihinana tamin’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy i Adama sy i Eva. Namela azy ireo hanana fianakaviana izany.

Fiainana eto an-tany. Nateraka teto an-tany isika rehetra mba hianatra sy hivoatra.

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Nankety an-tany i Jesoa Kristy. Tafiditra tao anatin’ny Sorompanavotany ny nahatsapany ny fanaintainantsika rehetra sy ny nanonerany ny fahotantsika. Maty Izy ary velona indray. Noho Izy dia afaka mibebaka sy hiara-hiaina indray amin’ny Ray any An-danitra isika aorian’ny fahafatesantsika.

Hamoaka printy