Namana
Afomanga mipoaka miloko marevaka
Jolay 2024


“Afomanga mipoaka miloko marevaka,” Namana, jolay 2024, 10–11.

Afomanga mipoaka miloko marevaka

“Nahoana no tsy foanan’ny Ray any An-danitra ireo tabataba be?” Hoy i Charlotte nanontany.

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Halan’i Charlotte ny tabataba be! Tsy tiany ny fikotrokotrok’izany tao an-tsofiny na ny fanakoakon’izany tao an-dohany. Na dia fantany aza hoe hieren-doza izy dia mbola mitebiteby foana izy rehefa misy fiara maneno na vahoaka mihorakoraka na amponga midoboka.

Ary tsy tia maizina afomanga i Charlotte!

Nanandrana zavatra maro ny fianakaviany mba hampitoniana azy rehefa misy tabataba be. Nividianan’i Dada fanapenantsofina izy mba tsy handrenesana tabataba. Miara-mitampify aminy ao ambanin’ny bodofotsy i Neny rehefa misy kotroka. Nivavaka ihany koa i Charlotte mba hanampiana azy tsy hatahotra.

Nanampy daholo izany rehetra izany. Kanefa mbola nahatonga azy hatahotra hatrany ny tabataba be.

“Hijery afomanga miavaka any an-kianja izahay anio alina,” hoy i Neny mantsy an’i Charlotte. “Sao dia te handeha ianao?”

Nikentrona i Charlotte. “Ka mitabataba be anie ny afomanga e!”

“Mety hahafinaritra kokoa ny mijery afomanga amin’izao ianao efa lehibe izao,” hoy i Neny. “Ho any daholo ireo namanao. Afaka mitondra ilay fanapenantsofina manokana, anao, mihitsy aza isika. Mety ho tianao ve izany raha ny eritreritrao?”

Nisento i Charlotte. “ENY ARY E. Handramako angamba.”

Nanomboka tsara tsy nisy tomika ny afomanga teo an-kianja tamin’izay. Nihazakazaka teny amin’ny bozaka i Charlotte sy ireo namany, nifampizara sakafo maivana ary nanao kilalao. Vetivety teo dia nihamaizina ny lanitra. Nipetraka i Charlotte ary nanaovany ny fanapenantsofiny sady nijery ny lanitra tamin-tahotra izy.

BOOM! BOOM! Krak!

Nidoboboka mafy ny fon’i Charlotte ary nihatery ny tao amin’ny tratrany. Niantsambotra izy ary niezaka ny niala ny tabataba niodidina azy.

Nihazakazaka nanenjika an’i Charlotte i Neny ary naka azy teny an-tsandriny. Niverina nipetraka izy ireo ary nofihinin’i Neny mafy izy. Nitomany i Charlotte.

“Miala tsiny aho raha nampatahotra anao iny,” hoy i Neny. “Eto anilanao aho.” Andao hifantoka amin’ireo loko amin’izay tsy henonao be ilay feo. Inona no hitanao amin’ny masonao?”

Nifoka rivotra lalina i Charlotte. “Mahita volombolamena sy mena ary maitso aho.”

“Ampiasao indray izao ny oronao,” hoy i Neny. “Inona no fofona renao?”

“Fofon-tsetroka sy fofon’ny bozaka no reko,” hoy i Charlotte. “Ary poakatsaka!”

“Inona avy koa no retsim-pamantarana azonao ampiasaina izao?”

Nakimpin’i Charlotte ny masony. “Afaka mahatsapa ny afomanga aho. Rehefa mipoaka ny afomanga dia afaka mahatsapa ny fihovitroviny ao an-tratrako aho.”

“Afaka mahatsapa tsiron-javatra ve ianao?” Hoy i Neny nanontany.

Navoakan’i Charlotte ny lelany. “Tsy afaka manandrana ny tsiron’ny afomanga aho.” Nihomehy izy.

Nanaitra ny fahalianan’i Charlotte izany rehetra izany. Ahoana no hanamboaran’ny olona loko maro samihafa? Hoy izy nanontany tena. Nahoana ny afomanga no mipoaka? Ahoana no hanamboarana endrika afomanga samihafa? Toa lasa tsy nampatahotra firy ny afomanga izao.

“Neny a, mahafinaritra ny afomanga!” Hoy i Charlotte.

Sary
Ankizivavy manao fanapenantsofina sy reny mitsilany eo amina dongona misy bozaka, miara-mijery afomanga

Rehefa nampatorian’i Neny i Charlotte tamin’ny alina dia nanontany i Charlotte hoe: “Fa maninona hoy aho ny Ray any An-danitra no tsy mamaly ny vavaka ataoko rehefa mangataka Azy aho mba hanafoana ireo tabataba be?”

Nieritreritra kely i Neny. “Tsy esorin’ny Ray any An-danitra foana ireo zavatra mampatahotra,” hoy izy. “Fa indraindray Izy manampy antsika hahita ny zava-mitranga amin’ny fomba hafa na manome antsika olona hanampy hampionona antsika.”

“Toy ny nanampiany ahy androany alina e!” hoy i Charlotte.

“Marina izany!” Nitsiky i Neny. “Nandeha nijery afomanga ianao na dia natahotra aza. Avy eo dia nanampy anao tsy hatahotra ny Ray any An-danitra. Nanampy anao koa Izy hahita ny hatsaran’ny afomanga tamin’ny alalan’ny fampiasanao ireo retsi-pamantaranao hafa.”

Nieritreritra ireo loko marevaka teny amin’ny lanitra i Charlotte ka nitsiky. Mbola tsy tia tabataba be ihany izy. Mbola nampatahotra azy ireny. Saingy fantany fa afaka hanampy azy tsy hatahotra ny Ray any An-danitra.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Adam Howling

Hamoaka printy