Namana
Mampianatra ny mpanjaka i Aharôna
Jolay 2024


“Mampianatra ny mpanjaka i Aharôna,” Namana, jolay 2024, 26–27.

Tantara ao amin’ny soratra masina

Mampianatra ny mpanjaka i Aharôna

Sary
I Aharôna mampianatra olona

Sary nataon’i Andrew Bosley

Sary
I Aharôna mijoro eo anoloan’ny mpanjaka

Iray tamin’ireo zanakalahin’i Môzià i Aharôna. Misiônera izy. Nampianatra ny mpanjakan’ireo Lamanita teo amin’ny tany manontolo izy.

Sary
I Aharôna miresaka amin’ny mpanjaka

Nanontanian’i Aharôna ny mpanjaka raha nino an’ Andriamanitra izy. Nilaza ny mpanjaka fa hino izy raha lazain’i Aharôna azy fa tena misy Andriamanitra. Nangataka an’i Aharôna izy mba hilaza taminy misimisy kokoa momba an’ Andriamitra.

Sary
I Aharôna mampianatra ary misy sarin’ny lanitra ao aoriana

Namaky soratra masina tamin’ny mpanjaka i Aharôna. Nampianatra momba ny fahariana ny tany izy. Nampianatra momba ny drafitr’ Andriamanitra izy. Notantarainy tamin’ny mpanjaka ny mombamomba an’i Jesoa Kristy.

Sary
Ny mpanjakan’ny Lamanita, mandohalika

Nivavaka ny mpanjaka taorian’izany. Nangataka tamin’ Andriamanitra izy raha toa ka marina ny zavatra notenenin’i Aharôna. Nandray valiny ny mpanjaka fa marina izany.

Sary
I Aharôna manao batisa olona

Nino ny zavatra nampianarin’i Aharôna ny mpanjaka. Nino torak’izany koa ny ankohonany rehetra. Natao batisa izy ireo ary nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy