Namana
Iza moa i Abisa?
Jolay 2024


“Iza moa i Abisa?” Namana, jolay 2024, 24–25.

Fantaro ny momba ny Bokin’i Môrmôna

Iza moa i Abisa?

Sary
I Abisa mihazona vilany

Lamanita i Abisa. Niasa ho an’ny mpanjaka mivady izy.

Sary
I Abisa mibanjina an’i Amôna mampianatra

Indray andro i Abisa dia nahita an’i Amôna nampianatra azy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Nahatsapa ny Fanahy tamin’ny fomba mahery vaika avokoa ireo izay nihaino ka nianjera tamin’ny tany.

Sary
Gaga i Abisa nahita ireo olona nianjera tamin’ny tany.

Efa nino an’i Jesoa Kristy i Abisa. Fantany fa ny herin’ Andriamanitra no nahatonga ireo olon-kafa nianjera tamin’ny tany.

Sary
I Abisa miresaka amin’ny olona ao ivelany

Nihazakazaka nivoaka izy ka nasainy tonga ny olona mba hijery ny fahagagana izay nitranga tamin’ny mpanjaka mivady.

Sary
I Abisa manampy ny mpanjakavavy hitsangana

Nampiany hitsangana ny mpanjakavavy.

Sary
Ny mpanjaka mivady miresaka amin’ny olona

Nozarain’ny mpanjaka mivady tamin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy. (Jereo ny Almà 19:16–17, 28–31.)

Fanamby momba ny Soratra Masina

  • Iza no nampianatrany Mpanjaka Lamônia momba an’ Andriamanitra? (Almà 18:26–28)

  • Inona no anarana vaovao niantsoan’ny Lamanita ny tenany taorian’ny nanarahan’izy ireo an’i Jesoa Kristy? (Almà 23:17)

  • Inona no zavatra nalevin’ny olona tao amin’ny Almà 24:19?

Afaka mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho!

Sary
Pejy holokoina ahitana olona mandevina ny fiadiany

Rehefa avy mamaky ianao dia lokoy ny ampahany amin’ilay sary. Azonao atao ny mamaky ireo soratra masina ireo miaraka amin’ny vakiteny isan-kerinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Bryan Beach

Hamoaka printy