2010
Fanaovana Fanandramana teo amin’ny Finoako
Aprily 2010


Ho an’ny Tanora

Fanaovana Fanandramana teo amin’ny Finoako

Fony aho 13 taona dia nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ary hatramin’izay dia voatahy aho isan’andro.

Ny kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny 13 taona izay nisy anay, raha ny marina dia tsy ny fanehoana fanajana fatratra no tena ahafantarana azy. Na dia izany aza dia nanana mpampianatra nahafinaritra izahay izay nanao izay vitany mba hampianarana ny lesona tsirairay amin’ny alalan’ ny Fanahy. Ny iray tamin’ireo lesona dia momba ny famakiana ny soratra masina.

Rehefa nifarana ny lesona dia nampanao fanamby anay izy. Natao ho anay rehetra izany saingy noho ny antony tsy dia fantatra loatra dia nijery manokana ahy izy raha nilaza hoe: “Mampanao fanamby anareo aho dia ny hamakianareo ny Bokin’i Môrmôna isan’andro!” Nieritreritra tany anatiko tany aho hoe: “Hasehoko anao izany. Hataoko izany!”

Namaky ny 1 Nefia, toko 1 aho tamin’iny alina iny ihany ary nanohy namaky isan’andro. Marina fa tsy nanana ny toe-tsaina tokony hananana aho tamin’ny nanomboka, saingy rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka tiako ny zavatra tsapako avy tamin’ny famakiako ny Bokin’i Môrmôna. Lasa fahazarana mahafinaritra ny famakiana izany isaky ny alina.

Volana vitsy taty aoriana dia tonga teo amin’ny Almà 32 aho ary nahaliana ahy ilay hevitra iray momba ny fanaovana fanandramana eo amin’ny finoana. Vao avy nianatra momba ny fanaovana fanandramana ara-tsiansa izahay tany an-tsekoly, noho izany dia nandohalika aho ary niteny tamin’ny Ray any an-danitra fa nanomboka ilay fanandramana. Nangataka aho ny mba hahafantarako raha marina ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa atao ny jery todika dia fantatro fa namaly imbetsaka ny vavaka nataoko ny Ray any an-danitra. Ny famakiana isan’andro ny Bokin’i Môrmôna dia nanome ahy hery lehibe kokoa handresena ny ratsy. Nahatsapa ho akaiky kokoa ny Raiko any an-danitra aho. Nahatsapa ho nahazo hery tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina aho mba handresena ireo zava-misakana. Marina izay nolazain’i Almà momba ny fanandramana ny tenin’Andriamanitra: “Manomboka mampivelatra ny fanahiko izy; eny, manomboka manazava ny fahazavan-tsaiko izy, eny manomboka ho fy amiko” (Almà 32:28).

Hamoaka printy