Rehefa Tsy Mitsingevana ny Ganagana
Nieritreritra izahay fa hahay rano avy hatrany ny ganagana kelinay. Kanjo talanjona izahay.
Nanomboka tamin’ny fanomezana tsy nampoizina nentin’i Dada tao an-trano ho an’ny zanany telo vavy izany. Nihiakam-pifaliana izahay telo vavy rehefa nitsikilo ny tao anatin’ilay baoritra misy feom-borona mikiakiaka. Zana-ganagana kely! Tsy andrinay ny hanasitrihana ny tanana tao ary hakana iray tamin’izany. Natositosikay mafy ery i Dada ka saika nianjera hatramin’ilay baoritra.
“Moramora rankizy a!” hoy izy nihomehy kely. “Manana iray avy ianareo!”
Talanjona aho tamin’ny hakelin’ilay ganagana kely rehefa nofihiniko teo an-tanako. Teo am-pamihinako azy tsimoramora dia nahatsapa ilay vatany mafana izay mitovy amin’ny ampahefan’ny voankazo kely iray aho ary ny lanjany koa dia mitovitovy amin’izany.
“Oay, toa maivana be!” Hoy aho nihiaka. “Tsy mahagaga raha afaka mitsingevana ny zana-ganagana kely!”
Nihomehy indray i Dada sady nandeha nankany an-dakozia nankany amin’i Mama izy. Tena hain’i Dada tokoa ny manomana fanomezana tsy ampoizina indrindra fa ireo karazany izay mampitsiky ny fianakaviany. Teo no tsaroako tampoka ilay dobo plastika filomanosana. Tena mety ho tranon’ireto ganagananay ireto izany.
“Nora a! Mandehana alaivo ao anaty garazy ilay dobo plastika filomanosana efa tranainy iny,” Hoy aho naniraka ny rahavaviko.
Nanomboka nandinidinika ny ganagana kelinay teo izahay sy nanome anarana azy ireo sady nameno rano ilay dobo plastika filomanosana tamin’ilay paompy misy fantsona fanondrahana teo an-tokontaninay. Ny ahy dia misy volokely manopy manja eo akaikin’ny vavany boribory ary manana rantsan-tongotra mitambatra ngeza be ka mampihomehy.
Tsaroako tampoka ireo namako. Hihomehy ahy izy ireo amin’ny fankafizako ireto biby taman-trano vaovao ireto. Kanjo tadidiko tampoka fa tsy eo izy ireo mandritry ny andro vitsivitsy. Nomen’ny ray aman-dreniny alalana izy ireo hanao lasy any amin’ny tendrombohitra akaikinay. Fandehanana am-bisikileta amin’ny lalan-kely, fisafidianana toerana hanaovana ny lasy ary fananganana ny trano lay. Betsaka ny zavatra mahafinaritra ho ataon’izy ireo ary ny ampitso vao hiverina izy ireo ka hihomehy sy hitantara mikasika ny lasy nataony. Tsy mba nomen’i mamanay alalana handeha aho. Lazainy fa mbola kely loatra aho!
Rehefa feno ilay dobo plastika filomanosana dia nitangorona izahay telo vavy, fotoana izay efa nandrasanay hatry ny ela. Napetrakay teo ambony rano ireo ganagana kelinay mipelipelika sy migagaka ary tonga dia nilatsaka tany amin’ny farany ambany. Nilentika izy telo!
Natsobokay tao anaty dobo ny tananay ary novonjenay ireto vorona kely sempotra tao ireto. Fa naninona? Tsy nangataka azy ireo hanao zavatra sarotra izahay, toy ny hoe milomano. Ny hany ataon’izy ireo dia ny mitsingevana fotsiny. Angaha moa tsy mora ho an’ny ganagana kely ny manao izany?
“Inona no nitranga?” hoy ny rahavaviko gagagaga.
“Angamba mety notampohantsika izy ireo!”
Samy nanaiky izahay fa toy ny zazakely miana-mandeha ihany izy ireo. Tsy maintsy mianjera izy ireo indraindray. Nifanaraka izahay fa hanandrana indray mandeha indray.
“Isa, roa, telo dia lasa!”
Plofo! Plofo! Plofo! tonga dia nifatratra tany ambany toy ny baolina vita amin’ny firamainty.
Soa ihany ho an’ireto ganagana kely ireto fa tsy nanaraka ireo zavatra masaka tao am-ponay izahay telo hoe mila manao fanazarana miverimberina fotsiny izy ireo. Nifandrombaka nankany an-trano izahay rehefa nanoro hevitra i Nora ny mba hampiasana ny fitaovana fanamainam-bolo amin’ ny ny volon’izy ireo. Nohamainin’ireo rahavaviko roa tsimoramora tamin’ilay fitaovana fanamainam-bolo miloko mavokely ireto vorona kely mampalahelo ireto ary izaho kosa nijery ny laharana an-tariby teo amin’ilay baoritra nisy azy ireo.
“Manahoana tompoko ô? Izahay ilay vao nividy—eny e, ny dadanay moa izany no vao nividy—ganagana kely telo. Eny tompoko. Tsy izany fa misy olana eo amin’ireo ganagananay. Ganagana mitsingevana no tianay mantsy.”
Nampihiratra ny masoko ny zavatra nolazain’ilay lehilahy tamiko. Tsy tonga saina mihitsy aho hoe niana-javatra tokoa raha tsy efa teo am-panazavana tamin’i Nora sy Suzy hoe: “Hitanareo, mbola tantera-drano hono ireo volom-borona malefaka sy malemilemy ireo. Tonga dia tanteraka avy hatrany ny rano. Mila miandry herinandro iray na roa eo isika mba hahafahan’ny vatany mamokatra menaka toy ny savoka izay hiaro ny volony amin’ny rano.”
“Tsy marina izany,” hoy i Nora tsy nanaiky. “Efa nahita zana-ganagana nanaraka ny reniny tanaty rano aho. Ary mbola vao foy andro vitsivitsy izy ireo.”
“Nohazavain’ilay lehilahy tamiko koa izany. Rehefa foy ny ganagana kely dia sakambinin’ny reniny ao ambany elany izy ireo mba hanafanana azy ireo. Ny menaka avy amin’ny elan’ny reniny dia mifindra amin’ny zanany. Ka afaka mitsingevana izy ireo rehefa miaraka amin’ny reniny. Fa raha mandeha irery izy ireo dia mila miandry ho lehibebe kokoa vao tsy hilentika ao anaty rano.”
Lasa nandeha tany an-tendrombohitra tany ny saiko nieritreritra ireo namako ao anatin’ny lainy. Angamba tian’i Mama ho arovana ao ambany elany elaela kokoa aho. Nosafosafoiko tamin’ny rantsantanako iray ny lamosin’ny ganagana keliko.
“Tsy ho atsobokay anaty dobo intsony ianareo aloha izao, ry ganagana kely,” hoy aho nampanantena azy. Avy eo rehefa nieritreritra kely aho dia nampiako hoe: “Malahelo ny reninareo ve ianareo?”