2010
Ny Tena Fisian’ny Fitsanganana amin’ny Maty
Aprily 2010


Fianarana Filazantsara

Ny Tena Fisian’ny Fitsanganana amin’ny Maty

President Spencer W. Kimball

Tamin’ny vanimpotoan’ny Krismasy, taona maro lasa izay, dia nandeha tamin’ilay lalana nalehan’i Jesoa izahay. Nandany ora maromaro tena sarobidy tao amin’ilay toerana izay lazaina fa hoe ilay Sahan’i Getsemane izahay ary niezaka naka sary an-tsaina ny fijaliany izay niainany teo ampitsinjovana ny Fanomboana Azy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Teo akaikin’ilay toerana nivavahany izahay sy ilay toerana nanagadrana Azy ary ilay toerana nanamelohana Azy.

Tao anatin’ireo rindrin’ny tanàna izahay dia nananika ny havoana mikitoantoana misy fota-tsokay mivaingana, nisy kilavadavaka lehibebe toa ny zohikely, niendrika karandoha, ary nolazaina izahay fa io no Golgota, ilay toerana nanomboana Azy. Niolikolika nidina ny faritra ilany any ambadik’ilay havoana izahay hatrany amin’ny tendron’ilay hantsambaton’izany, ary niditra tamin’ilay fidirana kely mitovy amin’ny haben’ny varavarankely ho ao amin’ilay lakavy zara raha vita izay nolazaina fa nametrahana ny vatany.

Ny ora sasany dia nolanianay tao amin’ilay zaridaina kely teo an-tokontanin’ilay fasana ary niainanay ny tantaran’ny filazantsara momba ny fandevenana Azy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty izay nitranga teo. Novakianay tamim-panajana sy ombam-bavaka ny momba ny fahatongavan’ilay vehivavy teo am-pasana, ny fanakodiavan’ilay anjelin’ny Tompo ilay vato ary ny fahatahoran’ireo lehilahy mpiambina.

Nitsangana Tamin’ny Maty Izy

Toy ny azonay sary an-tsaina mihitsy hoe hitanay ireo anjely roa niankanjo fotsy mangatsakatsaka izay niteny tamin’i Maria hoe:“Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?

“Tsy ato Izy, fa efa nitsangana.”

Efa nanambara mialoha ny Tompo hoe: “Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ka hohomboana amin’ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo” (Lioka 24:5–7).

Tsaroanay ny resaka nisy teo amin’i Maria sy ireo anjely ary ny Tompo:

“Ravehivavy nahoana hianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.”

Nitodika izy ary “nahita an’i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe Jesosy.

“Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? Iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Ianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary Izaho dia haka Azy.

“Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny Taminy hoe: Rabôny! Izany hoe: Mpampianatra ô.

“Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho an’ ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary amin’ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo” (Jaona 20:13–17). …

Ny Dikan’ny Paska

Indraindray ny fanaovantsika fankalazana lehibe dia toa lasa manaraka ny fomba fankalazan’izao tontolo izao zavatra iray, ary tsy tsapantsika tanteraka ny anton’ilay fankalazana. Misy fahamarinany izany eo amin’ ny andro Paska satria matetika tokoa isika mankalaza ilay andro tsy fiasana fa tsy ny halalin’ny dikan’ny Fitsanganan’ny Tompo amin’ny maty. Tsy maintsy ho sorena tokoa ireo izay tsy miraharaha ny maha-Andriamanitra an’i Kristy sy ny maha-zanak’Andriamanitra an’ilay Mpampianatra. Izahay dia tena malahelo an’ireo izay miantso ny fahagagana tsy manan-tsahalan’ny Fitsanganana amin’ny maty ho tsy inona tsy akory fa “zavatra izay lazain’ireo mpianany fa niainan’izy ireo, fa tsy zava-niseho marina ara-tantara.”

Mahafantatra marina isika fa tena nisy izany rehetra izany. Niresaka momba Azy tamin’i Nikodemosy i Kristy:

“Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo” (Jaona 3:11).

Ary dia tsaroantsika i Petera nijoro ho vavolombelona hoe:

“Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy” (Asan’ny Apôstôly 2:36).

“Fa hianareo nandà Ilay Masina sy Marina … ;

“Fa ny Tompon’ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan’Andriamanitra tamin’ny tany, ary vavolombelon’izany izahay” (Asan’ny Apôstôly 3:14–15).

Tamim-pahasahiana no nijoroan’i Petera sy Jaona teo anatrehan’ny filankevitra ary niteny indray hoe:

“Dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana, fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty kosa, dia Izy [ilay lehilahy nalemy teo aloha] no itsanganan’io lehilahy io finaritra eo imasonareo. …

“Ary tsy misy famonjena amin’ny fomba hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay ahazoantsika famonjena” (Jaona 4:10, 12).

Rehefa bedin’ny Filankevitra ireo Apôstôly roa ary nandidy azy ireo tsy hiteny na hampianatra zavatra toy izany amin’ny anaran’i Jesoa, dia novalian’izy ireo hoe: “Tsaraonareo na marina eo imason’Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra.

“Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay” (Asan’ny Apôstôly 4:19–20).

“Ary tamin’ny hery be no nanambaran’ny Apôstôly ny nitsanganan’i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin’izy rehetra” (Asan’ny Apôstôly 4:33).

Fijoroana ho vavolombelon’i Petera

Fantatsika koa fa tena misy ny Fitsanganana amin’ny maty. Ilay Petera velona dia nilaza tamin’ilay filankevitry ny mpanenjika hoe:

“Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’i Jesosy, Izay novonoin’ny tananareo nahantonareo teo amin’ny hazo. …

“Ary izahay dia vavolombelon’izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen’Andriamanitra ny manaiky azy” (Asan’ny Apôstôly 5:30, 32).

Nitolagaga izahay teo anatrehan’i Petera lehibe, izay nahazo tanteraka ny fahatokiany rehetra ary nitafy ny akanjo lavan’ny fitantanana sy nomena ny fahefana sy ny fahasahian’ilay notaomin’ny fanahy sy nanana fahatokiana. Tena tsy maintsy nanana hery lehibe mihitsy izy raha nitarika ny Olomasina sy niatrika an’izao tontolo izao izay ahitana ireo mpanenjika sy tsy mpino ary ireo olana rehetra ao aminy. Ary rehefa namerina nanambara foana ny fahalalany rehetra izy, dia midera ny tanjany ara-batana isika rehefa nifanehatra tamin’ny olon-dratsy sy ny mpitondra fivavahana ary ireo miaramila manamboninahitra izay nikasa ny hanafaka ny ainy izy, ary rehefa nanambara tamim-pahasahiana momba ny Tompo nitsangana tamin’ny maty ilay Tompon’ny Fiadanana, Ilay Masina sy Marina, Ilay Tompon’ny Aina, Ilay Tompo sy Mpamonjy. Azo antoka tsara tamin’izany fa i Petera dia nanana fahatokiana ary tsy azo nohozongozonina sy tsy niovaova velively. Tokony hahazo fitokiana bebe kokoa isika amin’ny alalan’ny fahatokiany marina. …

Fijoroana ho vavolombelon’i Paoly

Ny fijoroana ho vavolombelon’i Paoly no toa tena manome porofo lehibe. Nandre ny feon’ilay Kritsy nitsangana tamin’ny maty izy:

“Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy?” Ary mba hahafantarana tsara ilay olona dia hoy i Saoly hoe: “Iza moa hianao Tompoko?” ary nahazo fampahatokiana hoe: “Izaho no Jesosy izay enjehinao: zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana” (Asan’ny Apôstôly 9:4–5; 26:14).

Ary avy eo izany Paoly izay nahazo hery indray izany, izay nomena tamin’ny alalan’ny fisoronana ary nahita indray, dia nandeha nitety ny synagoga nandresy lahatra ny Jiosy tany Damaskosy, “ka naneho marina fa Jesosy no Kristy” (Asan’ny Apôstôly 9:22).

Ary taty aoriana dia tonga tany amin’ireo Apôstôly tany Jerosalema i Paoly, ary i Barnabasy no niresaka teo amin’ny toeran’i Paoly ka “nanambara tamin’[izy ireo] ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran’i Jesosy tany Damaskosy” (Asan’ny Apôstôly 9:27).

Dia nanohy i Paoly hoe:

“Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin’i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin’ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana.

“Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ny maty.

“Ary Izy niseho andro maro tamin’izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin’ny olona ankehitriny. …

“Dia ny nahatanterahan’Andriamanitra izany tamin’ny zanatsika, raha nanangana an’i Jesosy Izy. …

“Ary ny amin’ny nananganany Azy tamin’ny maty, ka tsy hiverina ho amin’ny lo intsony Izy” (Asan’ny Apôstôly 13:29–31, 33–34). …

Fijoroana ho vavolombelon’i Joseph Smith

Mahazo hery avy amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny mpaminany maoderina iray isika, dia i Joseph Smith, rehefa nanome fahatokiana ny olona momba ny Fitsanganana amin’ny maty izy. Ny Loholona George A. Smith dia nindrana ny lahateny farany nataon’i Joseph Smith ampahibemaso tamin’ny Jiona 1844, izay andro vitsy monja talohan’ ny famonoana azy tamin’ny fomba mamohehatra:

“Vonona ny hatolotra hatao sorona ho an’ity vahoaka ity aho. Koa inona no azon’ny fahavalontsika atao? Mamono ny vatana fotsiny ary dia mifarana hatreo ny heriny. Mijoroa hatrany ry namako. Aza matahotra velively. Aza mikatsaka ny hamonjy ny fiainanareo satria izay matahotra ny ho faty noho ny fahamarinana dia tsy hahazo ny fiainana mandrakizay. Mifikira hatramin’ny farany; ary dia hitsangana amin’ny maty sy ho lasa tahaka an’Andriamanitra isika, ary hanjaka any amin’ny fanjakana selestialy ary handova fanapahana sy fizakana mandrakizay.”1

Fanontaniana napetrak’i Joba sy ny valiny

Ny fanontaniana napetrak’i Joba dia efa napetraky ny olona an-tapitrisany maro izay nijoro teo anoloan’ny vata-patin’ny olon-tiana iray: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” (Joba 14:14).

Ary voavaly araka ny nilana azy ilay fanontaniana ho an’ny maro tamin’izy ireo rehefa nisy fiadanana lehibe sy tsara nirotsaka teo amin’izy ireo toy ny andon’ny lanitra. Ary fotoana maro tsy tambo isaina, no nahatsapan’ireo olona izay efa kivy noho ny fijaliana mafy izany fiadanana tsy hay faritana izany.

Ary rehefa nitondran’ilay fahatoniana lalin’ny fanahy fahatokiana tsara vaovao ny saina nikorontana sy ny fo malahelo, dia afaka miara-mamerina amin’i Joba malala an’izao ireo olona maro ireo:

“Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy:

“Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra:

“Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery” (Joba 19:25–27).

I Joba dia naneho ny faniriana mba hanoratana ao anaty boky ny fijoroany ho vavolombelona sy hanaovana sokitra izany amin’ny vato ho an’ireo taranaka any aoriany mba hovakiana. Tanteraka ny faniriany satria tonga teo amin’ny fanahy maro ny fiadanana rehefa namaky ny fijoroany ho vavolombelona tena mafy orina izy ireo.

Ny fahitan’i Jaona

Ary hamaranana azy dia mamelà ahy hamaky ny fahitan’i Jaona Mpanambara:

“Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe, na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky araka ny asany.

“Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy noraisina araka ny asany izy” (Apokalypsy 20:12–13).

Ary rehefa soloin’ny lohataona velombelona sy maitso mavana ilay ririnina manjombona sy nidonam-pahoriana dia manambara momba ny Tompo nitsangana tamin’ny maty ny zavaboahary rehetra, fa Izy no ilay Mpahary, sy Mpamonjy an’izao tontolo izao, ary tena Zanak’Andriamanitra marina.

Fanamarihana

  1. Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 6:500.

Hoy i Jesoa taminy, ”Ry Maria,” nataon’i William Whittaker, © IRI; Izahao ny Tanako sy ny Tongotro, nataon’i Harry Anderson, © IRI

Fahano ny Ondriko, nataon’i Kamille Corry, © 1998 IRI