2010
Ny Talentan’i Taylor
Aprily 2010


Ny Talentan’i Taylor

Heather Hall, Utah, Etazonia

Afaka miteny amiko izay talenta ananan’i Taylor ve ianao ka azoko zaraina amin’izay ao amin’ ny kilasy?” hoy ilay mpampianatry ny ankizy valo taona ao amin’ny Kilonga nanontany ahy. Niantso ahy an-tariby izy satria ny kilasy misy an’i Taylor dia hiresaka momba ireo talenta izay azony avy amin’ny Ray any an-danitra.

Banga be ny tao an-tsaiko. Nieritreritra ireo valo taona lasa aho ary niezaka ny hahita valiny. Vao efa-taona i Taylor dia tratran’ny fahatapahan’ny lalan-drà tampoka ka nampisy fahasimbana lalina ny ati-dohany sy fihetsehan’aretina tampoka izay tsy voafehy. Tsy afaka mahita na miteny na miresaka izy. Tsy nivoatra nihoatra ny fivoaran’ny zaza enim-bolana ny fivoaran’ny sainy. Mandany ny ankamaroan’ny androny eo amin’ny sezabe misy kodiarana izy ary izahay kosa mikarakara azy sy manao izay ahazoany aina.

Faly izahay rehefa nahay nihomehy na rehefa nahay nisotro tamin’ny kaopy iray manokana izy, ary nanaovanay fety ny fotoana nahafahany nitsangana sy namindra kely fotsiny. Saingy rehefa nifaly sy nanao fety izahay tety ivelany, dia nitomany kosa izahay tao anaty noho ny fahatsapana fa ireny zava-bita kely ireny ihany angamba no zava-dehibe mba azon’izay toa an’i Taylor atao. Nihevitra anefa aho fa tsy izany no tian’ny mpampianatra azy ao amin’ny Kilonga ho heno.

Nitelin-drora aho ary namaly tamim-pihambahambana hoe : “Tena tsy manana talenta izay azoko eritreretina i Taylor.”

Io rahavavy tsara fanahy io dia nanova mandrakizay ny fifandraisako tamin’ny zanako tamin’ny alalan’ny valinteny nomeny.

“Rehefa mieritreritra ity lesona ity aho dia mahatsapa fa ny zanak’ Andriamanitra rehetra dia manana talenta,” hoy izy. “Omeko hevitra ianao hoe ny talentan’i Taylor dia ny fampianarany ny hafa hanompo. Raha mety aminao dia te-hiresaka amin’ny ao amin’ny kilasinay aho momba ny nahitako ny talentan’i Taylor taty am-piangonana. Hitako ireo ankizy hafa ao amin’ny Kilonga fa mianatra manosika ny sezabeny misy kodiarana, manokatra ny varavarana ho azy ary mandresy ny fahatahorany mamafa ny saokany amin’ny mosara rehefa ilaina izany. Mihevitra aho fa talenta lehibe izany izay entiny hitahiana ny fiainantsika.”

Nanaiky moramora aho ary nifanao veloma mangingina izahay. Manontany tena aho raha mba fantatr’ilay mpampianatra ao amin’ny Kilonga ny fiantraikany lalina nentin’izany fifampiresahana izany teo amin’ny fiainako. Tsy niova i Taylor. Mbola nila nokarakaraina be mihitsy izy. Nibahana be teo amin’ny fiainako ny dokotera, ny hopitaly ary ny mpitsabo manokana. Saingy niova ny fomba fijeriko, nanomboka nahatsikaritra ny talentany aho.

Hitako ny fiovan’ny fihetsik’ireo olona manodidina anay rehefa te hikarakara azy izy ireo. Nahatsikaritra koa aho fa mampahatsiahy anay izy mba hanao zavatra moramora, sy hamantatra izay tadiaviny ary ho lasa feno fangorahana sy hahay hanara-maso ary hanam-paharetana kokoa.

Tsy fantatro izay tanjon’Andriamanitra amin’ny fampiatrehana an’i Taylor izao fanamby tena mafy izao, nefa mino aho fa ilay mpampianatra azy tao amin’ny kilonga dia nanome ahy hevitra kely momba izany. Eto izy mba hizara ny talentany amintsika. Eto izy mba hanome antsika fahafahana hianatra hanompo.

“Hitako ireo ankizy hafa ao amin’ny Kilonga fa mianatra manosika ny sezabeny misy kodiarana, manokatra ny varavarana ho azy ary mandresy ny fahatahorany,” hoy ny mpampianatra ny zanako lahy ao amin’ny Kilonga tamiko.

Hamoaka printy