2010
Fasana Misy Tombo-kase
Aprily 2010


Mandrapihaonantsika Indray

Fasana Nasiana Tombo-kase

Ireo dokam-barotra teo amin’ny taratasim-barotra kely iray dia toa tsy mampino—saika mahatsikaiky mihitsy aza—kanefa nampahatsiahy ahy ilay fampanantenana izay azo antoka mandrakizay izy ireo.

Iray andro taorian’ny nahafatesan’i Dada dia tsy maintsy nandeha tany amin’ny tranom-paty izaho sy ny reniko, ary ny rahalahiko ary ny anabaviko mba handamina ny fandevenana. Isan’ny tafiditra tao amin’ny andraikitray ny fisafidianana vatapaty ary fasana izay hanitrihana ny vatapaty.

Teo am-pieritreretana ireo safidy natolotra izahay dia tsikaritro ny dokam-barotra ireo teo amin’ny taratasim-barotra izay manolotra karazana fasana iray. Manambara izany fa, ankoatry ireo tolotra hafa, dia misy tombo-kase ity fasana ity ary azo antoka fa haharitra 75 taona izany tombo-kase izany. Na dia tena manan-danja aza ilay toe-javatra niseho tamin’izany dia nampihomehy ahy ilay fiantohana.

“Iza koa no handeha hijery tombo-kase afaka 75 taona?” Hoy aho nanontany tena. “Ary raha hisy hijery izany ka ity ilay izy tsy naharitra an’izany akory, dia iza no haka ny onitr’ilay fiantohana? Inona no ahafahana mahazo antoka marina,” hoy aho nieritreritra, “fa hijanona hisy tombo-kase izany fasana izany?”

Tao anatin’izany fotoana nisaintsainana izany dia voasarika nankany amin’ilay fasana iray ny saiko, ilay voalaza ao amin’ny Matio 27. Izany fasana izany, izay fasana fahiny sy tany amin’ny toerana lavitra iray, dia misy fidirana ka vatobe ny varavarana manidy izany:

“Ary nony ampitson’ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin’i Pilato ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo,

“ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.

“Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan’ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin’ny olona hoe: Efa natsangana tamin’ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.

“Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.

“Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato” (Matio 27:62–66).

Tamin’ireo didy rehetra nomena hatrizay teo amin’ny tantaran’ny mpanjaka na jeneraly na mpanapaka, dia ny didin’i Pilato mba hiambina mafy ny fasana no azo lazaina angamba fa tena tsy nisy dikany indrindra.

Ahoana no fomba hijanonan’izany fasana izany hisy tombo-kase? Raha ny marina dia tsy misy fomba hanatanterahan’ireo miaramila izany baiko izany mihitsy satria tsy hisy fomba tsy hahafahan’izany fasana izany tsy hisokatra: “Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny” (Matio 28:2).

Noho ny fisokafan’izany fasana iray izany dia hisokatra daholo ireo fasana na fasana anaty zohy izay vita tombo-kase. Azo antoka izany.

Ilay Vatolampin’ny Famonjena Antsika no mpanafaka antsika amin’ny fahafatesana sy amin’ny helo. Izy no “fitsanganana amin’ny maty ary fiainana” (Jaona 11:25). Noho Izy, “ny helo dia tsy maintsy samy manafaka ny maty ao aminy avy ary ny helo dia tsy maintsy manafaka ny fanahy babo ary ny fasana dia tsy maintsy manafaka ny vatana babo, ary dia haverina hitambatra ny vatana sy ny fanahin’ny olona tsirairay avy; ary izany dia noho ny herin’ny fananganana amin’ny maty an’ny Iray Masin’ny Isiraely” (2 Nefia 9:12).

Ilay Fasana ao anaty zaridaina, nalain’i Linda Curley Christensen, © 2000 IRI

Hamoaka printy