2010
Gresy
Aprily 2010


Tantaran’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao

Gresy

I Rigas Pofantis sy i Nicholas Malavetis dia efa nitady ny fahamarinana ara-pinoana nandritra ny telo taona raha toa ka sendra nahita lahatsoratra an-gazety iray izy ireo tamin’ny 1898 izay niresaka momba ny Môrmônisma. Lasa eritreritra izy ireo ary dia nanoratra tany amin’ny Foiben’ny Fiangonana mba hahalala bebe kokoa momba izany. Nirahin’ireo mpitarika ny Fiangonana ny filohan’ny Misionan’i Turquie mba hamangy sy hampianatra ireo olona roa tany Gresy ireo. Maty i Nicholas Malavetis tamin’ny 1903, saingy roa taona taty aoriana dia nanoratra indray tany amin’ ny Foiben’ny Fiangonana i Rigas Pofantis ary nangataka ny hatao batisa. Nalefan’ireo mpitarika ny Fiangonana tany indray ny filohan’ ny Misionan’i Turquie, izay nanao batisa ny Rahalahy Pofantis ary olona dimy hafa, ka tao anatin’izany ny vady navelan’i Nicholas Malavetis.

Tonga tany Gresy ireo misiônera voalohany enim-bolana taorian’ireo batisa voalohany ireo, saingy nanomboka tamin’ny 1909 dia najanon’ny Fiangonana ny asa fitoriana tany nandritra ny 70 taona latsaka kely teo noho ny savorovoro ara-pôlitika tao amin’izany faritra izany. Tao anatin’izany fotoana izany dia nanomboka nizara ny filazantsara tamin’ireo olona Grika ireo miaramila nitoby tao amin’izany faritra izany. Kanefa mbola niadana ny fandrosoana. Rehefa nosoloina ho sampan’i Athènes ilay vondrona irain’ny Fiangonana ho an’ireo miaramila nanao asa fanompoana tao tamin’ny 1967, dia nahitana mpikambana 80 ny lisitry ny Fiangonana tao amin’ilay sampana, saingy valo monja no Grika.

Tamin’ny 1972, ny Loholona Gordon B. Hinckley (1910–2008), izay mpikambana iray tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany, dia nanokana an’i Gresy ho amin’ny fitoriana ny filazantsara. Nanomboka tamin’izay dia nanosika ny fitomboan’ny isan’ ny mpikambana ireo fampivoarana maro, ka tao anatin’izany ny famoahana ny dikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny teny Grika tamin’ny 1987, ny fananganana ny Misionan’i Athènes Gresy tamin’ny 1990, ary ny fanokanana ny trano fiangonana voalohany tany Gresy tamin’ny 1999.

Mpikambana (2009)

661

Distrika

1

Sampana

5

Taona vitsy lasa izay, i Mars Hill, izay toerana nanaovan’ny Apôstôly Paoly toriteny ao amin’ny Asan’ny Apôstôly 17, dia lasa toerana nanaovana fivoriana fijoroana ho vavolombelona, asa fanompoana, ary fankalazana ireo olom-pirenena Grika faka tahaka.

Hamoaka printy