2010
Ho an’ireo Zatovolahy Mampiaraka
Aprily 2010


Ho an’ireo Zatovolahy Mampiaraka

Sary
Young Men General Presidency

Inona no atao hoe Mampiaraka?

Ry zatovolahy, ny atao hoe mampiaraka dia rehefa manasa zatovovavy iray ianao handray anjara sy hiaraka aminao mandritra ny lanonana ara-sôsialy iray izay nomanina tsara.

Nahoana no Zava-dehibe ny Mampiaraka?

Ny fampiarahana dia mety ho lasa traikefa mifono fampianarana mahafinaritra ho anao sy ho an’ilay zatovovavy miaraka aminao. Afaka mianatra bebe kokoa mikasika ny tenanao ianao, ary afaka mampivoatra ny fahatakaranao, ny fanajanao, ary ny fankasitrahanao an’ireo zanakavavin’Andriamanitra izay mahatalanjona sy sarobidy.

Mety mbola lalana lavitra izany raha amin’izao fotoana izao kanefa ny fanambadiana dia iray amin’ireo fanapahan-kevitra goavana eo amin’ ny fiainanao. Ny taonan’ny fahatanoranao dia tsy fotoana fandraisana fanapahan-kevitra ho an’izany sahady kanefa ny fanaovana fampiarahana araky ny tokony ho izy dia hanampy anao hiomana amin’izany fanapahan-kevitra izany rehefa tonga ny fotoanany. Hanome anao fahafahana hampivoatra ny fahaiza-miaina ara-tsôsialy ny fampiarahana, izay hanampy anao hahatoky tena sy hanintona ireo zatovovavy miaraka aminao. Hahatakatra ireo manana toetra tsara ianao sy ho voasarika aminy, toetra tsara izay ho zava-dehibe ho anao ao amin’ilay namana mandrakizay hiaraka aminao. Ny fampiarahana araky ny tokony ho izy dia hanampy anao ho mendrika sy hiomana hanambady any amin’ny tempoly amin’ny fotoana sy amin’ ny mandrakizay ilay olona voafidy amin’ny fotoana voatondro.

Izany zavatra rehetra izany dia hanampy anao hankafy ny iray amin’ireo fitahiana lehiben’ny fiainana: dia ny fanambadiana feno fifaliana sy mahomby.

Inona avy ireo Fitsipiky ny Fampiarahana Araky ny tokony ho izy?

Ny mpaminanin’Andriamanitra dia efa nanoro hevitra ny tsy hampiarahanao raha tsy 16 taona ianao farafahakeliny. Rehefa manomboka mampiaraka ianao dia mampiaraha amin’ireo olona miaina fitsipika ambony ary ny fiarahanao aminy dia ahafahanao mihazona ireo fitsipika iainanao. Manaova foana fiaraha-mientana madio izay hamela anao sy ny olona iarahanao hitandro ny fanajana ny tena sy hanakaiky ny Fanahin’ny Tompo. Zava-dehibe ny fananana eritreritra sy fahatsapana madio. Alaviro ny fampiarahana izay ahitana resadresaka sy toetra mampifoha ny filan’ny nofo. Aza mitokana irery miaraka amin’ny olona mampiaraka aminao na mijanona alina loatra any ivelany. Samy tompon’andraikitra ianareo amin’ny fifanampiana mba hihazonana ny fahamasinan’ny fisoronana sy ny maha-vehivavy ary hiarovana ny voninahitra sy ny hatsaran-toetran’ny tsirairay avy. Aoka ho tsara fanahy sy hanaja ny zatovovavy ianao rehefa manasa azy hampiaraka na manaiky ny hiaraka aminy, ary mandritry ny zava-mitranga amin’ny fampiarahana ataonareo.

Rehefa manomboka mampiaraka ianao dia miaraha amin’ny olon-droa iray hafa na maromaro. Fadio ny mampiaraka matetika amin’ny olona iray iny foana na miditra amin’ny fiarahana matotra aloha loatra.

Tsarovy ny mandanjalanja ny fiainanao rehefa mampiaraka ianao. Tsy tokony hampiaraka matetika loatra ianao sao hanimba ny fifandraisanao eo amin’ny fianakaviana na hanakana anao tsy hianatra tsara na hampitombo ireo talenta sy fahaiza-manaonao. Ataovy izay hihaonan’ny ray aman-dreninao amin’ilay zatovovavy iarahanao sy hahazoan’izy ireo aina rehefa mihaona aminy.

Mamporisika anao izahay mba hanao fampiarahana tsara omana izay tsotra, tsara, tsy lafo ary hanampy anao hahafantatra ilay zatovovavy iarahanao.

Sary nataon’i Christina Smith; sarin’ny fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany © Busath.com

Hamoaka printy