2010
Ny Tantaran’i Nefia, Ny Tantarako
Aprily 2010


NY FILAZANTSARA eo amin’ny Fiainako

Ny Tantaran’i Nefia, Ny Tantarako

Vaky ny foko rehefa avy nandray ny antso an-tariby avy tamin’i Jake, kanefa nahazo fanantenana avy tamin’ny ohatra nataon’ny mpaminany fahiny iray aho.

Taona vitsy taorian’ny nahavitako ny fianarana tany amin’ny oniversite dia nanatrika takarivan’ny mpianakavy niaraka tamin’ny tanora mpitovo tao amin’ny paroasiko aho. Tao amin’ny tokantranon’ny mpanolotsaina iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka izahay no nasaina ary ny vadiny no nitondra ny lesona.

Namaky ny tantaran’i Nefia sy ny rahalahiny nandeha naka ireo takela-barahina teo an-tanan’i Labàna izahay (jereo 1 Nefia 3–5). Niresaka mikasika ny herimpo sy ny fikirizana nasehon’i Nefia ny mpampianatray. Avy eo dia nanopy ny masony taty amin’ny vondrona kelinay izy. Naranitra tokoa ny fijeriny.

“Nomena andraikitra sarotra i Nefia sy ny rahalahiny,” hoy izy nanantitrantitra. “Nitaky fanandramana maro izany izay samy tsy mora avokoa. Kanefa tsy nanenenana ny nanaovana ezaka feno fikirizana. Ankoatry ny nahazoana ny soratra masina dia nanafaka ny fianakaviany tamin’ny ‘fihemorana ka ho faty amin’ny tsy finoana’ (1 Nefia 4:13) i Nefia.

“Hisy koa ireo ‘takela-barahina’ eo amin’ny fianantsika,” hoy izy nanohy. “Mety tokony haneho fikirizana mafy ianareo mba hahavitana ny fianaranareo. Mety takiana hampiseho fahasahiana ianareo rehefa mampiaraka. Na inona na inona fahafoizan-tena, na sakana, na fihazonana, na ratram-po—na inona na inona takiana mba hiarovana ny fianakavianao amin’ny hoavy sy mba hiarovana azy ireo tsy hihemotra ka ho faty ao amin’ny tsy finoana—dia miverena ary alaivo ireo takelaka.”

Fanoharana tsara izany araky ny eritreritro. Notehiriziko tsara tao an-tsaiko izany mba hotantaraina amin’ ny manaraka. Tamin’izany fotoana izany aho dia tsy nahatsapa fa nisy sakana maro teo amin’ny fiainako. Nahavita ny fianarako aho, tiako ny asako, ary nampiaraka tamin’ny tovolahy mahafinaritra iray izay aho—namana efa ela hatramin’izay ary nihamatotra ny fiarahanay—teo amin’ny efa-bolana teo. Tsy misy tokony tsy hahafaly ahy raha ny fandehan’ny zavatra rehetra no jerena.

Volana maromaro taty aoriana dia nihamatotra kokoa ny fiarahanay sy i Jake (anarana novaina). Kanefa ny ray aman-drenin’i Jake dia nisaraka taona maro talohan’izany ary mbola nisy fiantraikany lalina teo aminy ny fisarahan’izy ireo. Nanahy izy fa raha toa ka mivady izahay dia hifarana toa ny nahazo ny ray aman-dreniny koa ny fiarahanay.

Nilaza taminy aho fa vonona hanome fotoana azy—fotoana maro raha ilainy izany—mba handaminana ny zavatra mifamahofaho ao an-tsainy sy ao am-pony. Niresaka mikasika ny fandraisana fanapahan-kevitra mifototra amin’ny finoana izahay fa tsy amin’ny tahotra. Niresaka mikasika ny anjara andraikitry ny fahafahana misafidy izahay sy ny tsy tokony hiheverany fa dia tsy maintsy ho ny lalana nodiavin’ny ray aman-dreniny ihany no lalany hodiaviny. Ary niresaka mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fahafahan’ny Mpamonjy manasitrana ny fontsika koa izahay.

Toa nanamavaina ny sasantsasany tamin’ireo fiahiahiany izany resakay izany, ary dia nitohy araky ny mahazatra ny fiarahanay. Ka rehefa niantso ahy izy indray Alahady atoandro nilaza tamiko ny fisarahany amiko dia nahagaga ahy tanteraka izany. Nilaza tamiko izy fa tsy afaka ny hanambady ahy—na hanambady an’iza na iza. Tsy nino intsony ny fanambadiana tsotra izao izy.

Nandritra ny ora vitsivitsy taorian’izany dia mbola namerina niresaka ireo zavatra efa nodinihinay izahay kanefa tsy naharesy lahatra azy aho. Nibitsibitsika izy hoe: “Miala tsiny aho,” ary dia notapahany ny antso an-tariby. Nipetraka tamim-pahanginana teo amin’ny fandrianako aho, ny ranomaso nirotsaka nanaraka ny tavako, ary tena zendana tanteraka.

Fotoana vitsivitsy taty aoriana dia nandondona tao amin’ny efitranoko ny mpiray trano amiko. “Handeha hanatrika ny fihaonamben’ny tsatòka ve ianao?” Hoy izy nanontany. Tsy te-handeha na aiza na aiza aho na hanao na inona na inona, kanefa nampiditra akanjo aho ary namonjy ny fiarany.

Vantany vao tonga izahay dia ilay vehivavy nizara lesona volana vitsivitsy lasa izay nandritra ny takarivan’ny mpianakavy no hitako voalohany. Tsy nisy niteny na inona na inona izahay fa nifanojo fotsiny ny masonay, ary tao an-tsaiko kosa dia nandre feo niantso ny anarako aho sady nilaza hoe: “Miverena ary alaivo ireo takela-barahina.”

Takatro ny tian’ilay bitsibitsika hahatongavana. Tsy mahakasika ny mpaminany iray fahiny niverina naka ny takelaka masina fotsiny izany. Fa mahakasika ahy koa. Nidika izany fa na dia tsy nino ny fanambadiana intsony aza i Jake, izaho kosa mbola afaka mino. Afaka manantena izany aho sy mivavaka ary manao asa ho amin’izany—tsy amim-paniriana fotsiny, na amin’ny fomba feno fanembonembonana fa kosa amim-pinoana sy amim-pahavitrihana izay ahitana ny fanomanana ny tenako isan’andro, satria izany no drafitr’Andriamanitra ho an’ny Zanany. Tsy midika izany hoe tsy maintsy miverina amin’i Jake aho ary hiaraka aminy “mandrapaharesiko lahatra azy an-katerena” mikasika ny fanambadiana, ary tsy midika koa izany fa mila manomboka mampiaraka amin’ny olon-kafa avy hatrany aho. Mety amiko ilay maka fotoana kely hialana amin’ny alahelo sy hahazoana fahasitranana.

Nefa mandritra izany fotoana izany aho dia afaka miala amin’ny fiantrana ny vintan’olona. Afaka mahatohitra ny fakam-panahy hanaratsiratsy an’i Jake—na ny lehilahy rehetra amin’ny ankapobeny aho. Afaka maka namana izay mino ny fanambadiana aho ary miandrandra izany eo amin’ny fiainany. Ary afaka aho, toa an’i Nefia, mahatoky ny Ray be fitia any an-danitra izay tsy manome didy—na izany mikasika ny fangalana ny rakitsoratra masina fahiny na mikasika ny fanambadiana sy fananganana fianakaviana—raha tsy manomana lalana ho antsika hanatanterahana izany Izy.

Mbola eo “an-dalam-panatanterahana” aho—fa tsy efa “nahavita”—akory. Tsy mbola manambady aho kanefa feno fankasitrahana tamin’ireo traikefa azoko noho ny fampiarahana nataoko—traikefa izay nivoatra kokoa tamin’ny alalan’ny fitomboan’ny fahatakarana ny anjara asan’ny fikirizana eo amin’ireo fanaovana tanjona tsara rehetra.

Nahatsapa ho nahazo fampiononana sy fahatokian-tena koa aho tamin’ ny zavatra nampianarin’ny Loholona Richard G. Scott avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny lamim-pikirizana nasehon’i Nefia. Hoy Izy hoe:

“Taorian’ny fanandramana tsy nahitam-pahombiazana indroa nataon’i Nefia dia mbola nanana fahatokian-tena izy. Nitsofoka tsimoramora tao amin’ilay tanàna izy mba ho any amin’ny tranon’i Labàna ary tsy nanana ny valiny ny fanontaniana rehetra nananany. Hoy izy hoe: ‘Notarihin’ny Fanahy aho, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataoko,’ ary nampiany hoe: ‘Na dia teo aza izany dia nandroso aho.’ (1 Ne. 4:6–7; nampiana soramandry.)

“Naneho fahavitrihana hanandrana foana i Nefia tamin’ny fanaovana ezaka tsara indrindra avy aminy. Naneho finoana izy fa hahazo fanampiana. Tsy nanaiky ho kivy izy. Ary satria nanao asa izy, natoky ny Tompo, nankatò, ary nampiasa araky ny tokony ho izy ny fahafahany misafidy dia nahazo fitarihana. Nahazo fitaomana nitondra tamin’ny fahombiazana teo amin’ireo dingana tsirairay izy, ary araky ny tenin’ny reniny dia: ‘nomena … hery izy [mba] hahafahany manatontosa ny zavatra izay efa nandidian’ ny Tompo azy.’ (1 Ne. 5:8; nampiana soramandry.)”1

Ny fitsipiky ny fikirizana dia tsy voafetra eo amin’ny sehatry ny fampiarahana fotsiny akory. Manan-kery koa izany eo amin’ireo manana aretina raiki-tampisaka aminy izay tsy manana hery hiatrehana andro feno fanaintanana iray fanampiny intsony; ho an’ireo mpivady izay miezaka mafy handresy ireo olana misy eo amin’ny fanambadiany; ho an’ireo ray aman-dreny izay mivavaka efa an-taonany maro ho an’ny zanany izay nivily lalana; ho an’ireo tanora izay iharan’ny fanoherana any am-pianarana noho ny finoana arahiny; ary ho an’ireo misiônera izay niasa nandritra ny andro maro kanefa tsy nampianatra na dia lesona iray akory aza. Amin’ny lafiny iray dia nodidiana daholo isika rehetra mba hiverina ary haka ireo takelaka.

Ary toa an’i Nefia dia afaka manao izany isika. Afaka hanatanteraka ny zavatra rehetra nandidian’ny Tompo antsika isika amin’ny alalan’ny herimpo, fikirizana, ary finoana.

Fanamarihana

  1. Richard G. Scott, “Learning to Recognize Answers to Prayer,” Ensign, Nôv. 1989, 32.

Sary nataon’i Michael Parker

Hamoaka printy