2010
Mpitendry Pianô ao amin’ny Kilonga
Aprily 2010


Mpitendry Pianô ao amin’ny Kilonga

“Tsy mino izany aho!”

“Mananihany ianao!”

“Tsy hitranga velively izany!”

Izany no mety ho nolazain’i Andrea, Erick, Kristofer, Suzett, ary Yuridia ao Provo, Utah, raha nilaza taminy ianao hoe hitendry pianô izy ireo mandritry ny fandraisan’anjaran’ny Kilonga amin’ny fivoriana Fanasan’ny Tompo. Sady raha ny marina ange dia iray tamin’izy ireo ihany no efa mba nitendry pianô hatrizay!

Kanefa nomen-drahavavy Perry (mpitendry pianô ao amin’ ny Kilonga) fanamby izy ireo—ary nanaiky ny hanao izany an-tsitrapo.

Mianatra pianô indray mandeha isan-kerinandro amin-drahavavy Perry ny ankizy tsirairay, ankoatra ilay iray izay efa manana mpampianatra manokana. Manao fanazarana amin’ny pianô elektrika izy ireo any an-trano. Vetivety dia nahay nitendry ireo hira notsorina ho atao amin’ny fandraisana anjara ao amin’ny fivoriana Fanasan’ny Tompo izy ireo. Nanao fanazarana tao amin’ny Kilonga koa izy ireo rehefa nohirain’ireo ankizy ireo hira.

Noho ny farany dia tonga ihany ilay andro lehibe. Samy nitendry hira iray na roa eo avy ireo ankizy ireo. Moa ve nitaintaina izy ireo raha nitendry teo anoloan’ny paroasy iray manontolo? Mazava ho azy! Kanefa tsy nahasakana azy ireo izany.

“Tena nitaintaina tokoa aho,” hoy i Kristofer, “kanefa nihazona ny finoako aho.”

Noho ny finoan’izy ireo sy ny asa mafy nataony dia nety tsara daholo ny nataon’ny tsirairay tamin’izany andro izany. Ary ny zavatra tsara indrindra tamin’izany?

“Mitondra fahatsapana tsara ny fahafahana manampy ao am-piangonana,” hoy i Andrea. “Fitahiana lehibe ho ahy izany.”

Ireto ankizy ireto amin’izao fotoana izao dia afaka mitendry mandritry ny takarivan’ny mpianakavy, amin’ny batisa, ary rehefa mihira ao amin’ny fivoriana Fanasan’ny Tompo ny fianakaviany. Tena tsara be izany!

Sary nalain’i Christina Smith

Hamoaka printy