2010
Asan’Andriamanitra Iray Lehibe
Aprily 2010


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Asan’ Andriamanitra Iray Lehibe

Sary
President Dieter F. Uchtdorf

6 Aprily 1830

Valopolo amby zato taona lasa izay, i Joseph Smith, sy Oliver Cowdery, ary olon-kafa vitsivitsy no niara-nivory mba hanorina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Araka ny fitantarana rehetra dia fivoriana tsotra izany saingy fivoriana masina. Noraketin’i Joseph hoe, taorian’ny Fanasan’ny Tompo dia, “tena nirotsaka be dia be teo aminay ny Fanahy Masina—ny sasany naminany, raha nidera ny Tompo sy nihobim-pifaliana izahay.”1

Tsy tsikaritr’izao tontolo izao ny zava-nitranga tamin’izany andro izany. Tsy natao matoam-baovao tao anaty gazety izany na voambara tamin’izao tontolo izao. Kanefa tena tsy maintsy nifaly sy nidera an’Andriamanitra ny lanitra—satria tamin’izany andro izany no niverenan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy teto an-tany!

Solomon Chamberlain

Nanomboka tamin’izany andro izany ka hatramin’izao dia zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any an-danitra izay be finoana an-tapitrisany maro no nanaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina ary niditra tao amin’ny rano masin’ny batisa. Anisan’ny lehilahy iray tao anatin’izany i Solomon Chamberlain.

I Solomon dia lehilahy manam-pinoana iray izay nandany ora maro nivavahana, mba hahazoana ny famelana ny fahotany sy mba hitalahoana ny Ray any an-danitra mba hitarika azy any amin’ny fahamarinana. Teo amin’ny nanodidina ny taona 1816 teo, dia nampanantenaina i Solomon tao anatin’ny fahitana iray fa mbola ho velona izy mba hahita ilay andro hanorenana ny Fiangonan’i Kristy rehefa ho voaorina eto an-tany indray ny rafitry ny Apôstôly Roambinifolo.

Taona maro taty aoriana raha nandeha sambo nankany Kanadà i Solomon dia nijanona teo amin’ny tanàna kelin’i Palmyra, New York ny sambony. Rehefa tonga teo izy dia nisy hery lehibe nanosika azy hidina ny sambo. Nanomboka niresaka tamin’ireo mponina teo an-tanàna izy raha tsy nahalala akory ny antony nahatonga azy teo. Tsy ela akory dia naheno resaka momba ny “Baiboly volamena” iray izy. Nolazainy fa ireo teny roa ireo dia nampiditra “hery toy ny herinaratra niainga avy tany amin’ny tampon-dohako ka hatrany amin’ny rantsan-tongotro.”

Nitondra azy hatrany amin’ny toerana nisy ny tranon’i Smith ny fanontaniany, izay niarahany niresaka tamin’ireo olona teo momba ilay vaovao lehibe mikasika ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Rehefa nipetraka roa andro tao sy nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana i Solomon, dia nanohy ny diany nankany Kanadà ka nitondra pejin’ny Bokin’i Môrmôna vao vita printy sy tsy mbola voafono toy ny boky, miisa 64. Na taiza na taiza nalehany, dia nampianatra olona izy, “na ambony na ambany, na manan-karena na mahantra, … mba hiomana amin’ilay asa lehiben’Andriamanitra izay efa ho avy.”2

Asan’Andriamanitra Iray Lehibe

Hatramin’io andro tamin’ny volana Aprily 1830 io, dia an-tapitrisany maro no nahita ny fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ary niditra ny ranon’ny batisa. Mijoro ho vavolombelona aho fa eto an-tany ankehitriny izany “asa lehiben’Andriamanitra” izany. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo dia miahy ny Fiangonany sy mitarika izany amin’ny alalan’ny mpaminaniny, Filoha Thomas S. Monson. Tsy fitahiana toy ny mahazatra fotsiny akory ny miaina amin’izao andro farany izao. Fotoana tena be voninahitra izao, izay efa hitan’ireo mpaminany fahiny mialoha ary ambenan’ireo olon’andriamanitra sy anjely izay mikarakara. Mikolokolo ny Fiangonany ny Tompo. Mikolokolo koa ireo olona toa an’i Solomon Chamberlain Izy, izay manaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina ary miara-miasa amin’ireo rahalahiny sy rahavaviny manerana an’izao tontolo izao manampy eo amin’ny fanatanterahana ity asa lehiben’Andriamanitra ity.

Fanamarihana

  1. Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 1:78.

  2. “A Short Sketch of the Life of Solomon Chamberlain,” tahadika natao tamin’ny milina fanoratana, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana (hita ao amin’ny Internet ao amin’ny www.boap.org/LDS/Early-Saints/SChamberlain.html); jereo koa William G. Hartley, “Every Member Was a Missionary,” Ensign, Sept. 1978, 23. Andro vitsy taorian’ny fanorenana ny Fiangonana, dia nataon’i Joseph Smith batisa tao amin’ny ranon’ny Farihin’i Seneca, New York i Solomon Chamberlain.

Sary nalain’i Matthew Reier nalaina tamin’ny faritra nisy an’i Joseph Smith: Ilay Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny Laoniny

Sary nalain’i Matthew Reier; sary nataon’i Maryn Roos

Faritra an’ny Ankizy

Hamoaka printy