2010
Manampy amin’ny Famahanana ireo Ondrin’ny Mpamonjy
Aprily 2010


Fanampiana amin’ny Famahanana ireo Ondrin’ny Mpamonjy

Nalaina avy tamin’ny lahateny natao tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Ôktôbra 1997.

Sary
President Henry B. Eyring

Nohomboana ny Mpamonjy ary nitsangana tamin’ny maty avy eo. Nandeha nankany Galilia ny mpianany. Nanarato nandritry ny alina iray manontolo izy ireo fa tsy nahazo na inona na inona. Rehefa nanatona ny morony izy ireo, vao mangiran-dratsy, dia tsy nahafantatra Azy aloha tamin’ny voalohany. Niantso azy ireo Izy ary nilaza ny toerana handrotsahan’izy ireo ny haratony, ary rehefa nanao izany izy ireo dia tototra ny haratony. Nihazakazaka hiarahaba Azy teny amin’ny morony izy ireo.

Nahita afo nisy trondro sy mofo atono izy ireo. Ary dia nanome didy azy ireo Izy izay mbola manan-kery ho antsika koa.

“Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesoa tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; fantatrao fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko” (Jaona 21:15).

Ny Olomasin’Andriamanitra dia teo ambany fanekempihavanana foana mba hifamahana ara-panahy, indrindra ho an’ireo izay mareforefo ao amin’ny filazantsara.

Afaka manao zavatra entina hamahanana ny finoan’ny hafa ny ankizy. Afaka manasa ireo olona vao niova fo hiaraka aminy hanatrika fivoriana ny ankizy. Afaka mitsikitsiky sy mandray ny mpikambana vaovao eo am-baravaran’ny trano fivavahana na ao an-dakilasy ny ankizy. Ary rehefa manao izany isika dia hiaraka amintsika ny Fanahy Masina.

Ny teny tsirairay tenenintsika dia afaka hampatanjaka na hampalemy ny finoana. Mila ny fanampian’ny Fanahy isika mba hiteny ireo teny izay hamahana sy hampatanjaka.

Isika dia afaka hanampy ny Tompo amin’ny alalan’ny fankatoavana tsotra hanampy ny Tompo hitondra ireo ondry, ny Ondriny, ho eo an-tsandriny hiverina any an-tranon’ny Rainy dia ny Raintsika izany.

Fantatro fa Jesoa no Kristy. Fantatro fa velona Izy. Ary fantatro fa mitarika antsika ao anatin’ity asa ity Izy—ilay Asany—mba hahazoan’ny zanaky ny Rainy ny fiainana mandrakizay.

Ny hoe mamahana dia manome sakafo.

Sakafo

Rano

Toerana azo antoka hatoriana

Fiarovana amin’ny ambodia sy ireo loza hafa

Mandray ireo mpikambana vaovao ao an-dakilasy

Manasa namana iray hanatrika ny Kilonga

Zarao ny Liahona

Avy aty ankavia: Ilay Ondry Very, nataon’i Del Parson; sarin’ny ambodia sy ondry © Getty Images; sarin’ny tranon’ondry © Corbis; sarin’ny sakafo sy rano nataon’i David Stoker; sary nataon’i Apryl Stott

Hamoaka printy