2010
Mitondra Fitahiana ho an’ny Mpikambana ireo Torolalana Vaovaon’ny Fikambanana Ifanampiana
Aprily 2010


Mitondra Fitahiana ho an’ny Mpikambana ireo Torolalana Vaovaon’ny Fikambanana Ifanampiana

Nanambara torolalana vaovao momba ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, Julie B. Beck, enim-bolana lasa izay, nandritra ny fivoriamben’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, ary mitondra fitahiana eo amin’ny fiainan’ireo rahavavy manerana an’izao tontolo izao ny vokatr’izany.

Voaray tsara amin’ny ankapobeny ireo torolalana ireo hoy Rahavavy Beck, izay nanamafy fa ny mpikambana rehetra manerana an’izao tontolo izao ankehitriny dia afaka mandrindra ireo fivoriana araka izay zavatra ilain’ny tsirairay amin’izy ireo, ka ahafahana manao fanovanovana bebe kokoa ao amin’ity Fiangonana ity izay tsy mifikitra amin’ny kolotsaina iray na toerana iray.

“Dingana iray tena tsara ho an’ity fikambanana maneran-tany ity izany,” hoy Rahavavy Beck. “Tianay ireo rahavavy, matoky azy ireo izahay ary fantatray fa raha raisin’izy ireo ho toy ny resaka finoana sy fankatoavana izany dia tsy hanana olana amin’izany izy.”

Ny Lahatenin-dRahavavy Beck mitondra ny lohateny hoe “Fikambanana Ifanampiana: Asa Masina Iray” (Liahona, Nôv. 2009, 110) dia tokony hampiasaina ho toy ny fitsipika arahana mikasika ireo fivoriana, ary ireo mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana izay manana fanontaniana mikasika izany fitsipika arahana izany dia tokony haka torohevitra amin’ireo mpitarika azy ao amin’ny fisoronana.

Fiovana Ankapobeny

Nambara fa ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia tokony hanaraka ny lamin’ny fisoronana ary hantsoina hoe mpanolotsaina voalohany na mpanolotsaina faharoa. Ilay antso izay fantatra teo aloha tamin’ny hoe mpiandraikitra ny fampitomboam-pahalalana ho an’ny tokantrano sy ny fianakaviana ary ny tena manokana dia tokony hantsoina hoe mpiandraikitra ny fivoriana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Ilay rahavavy ao amin’izany antso izany dia tokony hanohy handrindra ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana hatao mandritra ny andro fiasana eo ambany fitarihan’ny fiadidiana.

Torolalana Momba ireo Fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana

Tao anatin’ny lahateniny, ny Rahavavy Beck dia nilaza fa ilay fivoriana nantsoina teo aloha hoe “fampitomboam-pahalalana ho an’ny tokantrano sy ny fianakaviana ary ny tena manokana” dia hantsoina tsotra fotsiny hoe Fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana.

Namaritra ny fomba tokony handrindran’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana ao amin’ny Paroasy ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana rehetra Rahavavy Beck sy ny tokony hakany hevitra amin’ny eveka na ny filohan’ny sampana, izay maneho ny fanekena na tsia ireo drafitry ny fivoriana rehetra.

Ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana dia tokony hiandraikitra ireo fivoriana, saingy afaka mangataka ny mpanolotsaina voalohany na faharoa izy—na manolotra rahavavy iray ao amin’ny paraosy na sampana mba hantsoina ho—mpandrindra ireo fivoriana. Tokony hisy mpikambana iray farafahatsiny avy ao amin’ny fiadidiana mba tonga manatrika ny fivoriana rehetra.

Amin’ny ankapobeny dia tokony hatao isam-bolana ireo fivoriana ary farafahakeliny isan-telo volana, amin’ny andro ankoatra ny Alahady sy ny Alatsinainy hariva. Ny eveka na ny filohan’ny sampana ary ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana no manapa-kevitra ny fotoana tokony hanaovana ireo fivoriana, ary tsy tokony hahatsapa ireo rahavavy hoe tena tsy maintsy atrehina ireo fivoriana rehetra ireo.

Rehefa mandrindra ireo fivoriana ireo dia tokony hodinihin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ny fotoana ilaina, ny vola ilaina, ny filaminana ary ny halaviran-toerana.

Ireo fivoriana ireo dia tokony hanatanteraka ilay “andraikitra feno fiantrana sy misy vokany” ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, ary hampitombo ny finoana sy ny fahamarinan’ny tena manokana, sy hijery ireo zavatra ilain’ny tsirairay sy ny fianakaviana ara-panahy sy ara-batana.

Rehefa mandrindra ireo fivoriana ireo, ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana dia tokony hanao ho lohalaharana ireo lohahevitra izay manatanteraka ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana. Ireo fivoriana ireo dia azo afantoka amin’ny lohahevitra iray na azo hatao mandritra ny fotoam-pampianarana na fiaraha-mientana mihoatra ny indray mandeha. Ny mpampianatra amin’ny ankapobeny dia tokony ho mpikambana ao amin’ny paroasy na ao amin’ny tsatòka.

“Ny fampiasana araka ny tokony ho izy ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana dia hampitombo ny fahafahan’ny Fikambanana Ifanampiana hiasa amin’ny fomba mahery vaika miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana any amin’ ny paroasy rehetra,” hoy Rahavavy Beck.

Hamoaka printy