2010
Fidji: Ireo Vokatra avy amin’ny Finoana
Aprily 2010


Fidji Ireo Vokatra avy amin’ny Finoana

Ny iray dia mikasika ny fahitan’ny fianakaviana iray ny fahamarinana, ny anankiray hafa dia ny fitomboan’ny fanehoam-pitiavana teo amin’ny fianakaviana iray, ary ny farany dia ny finoana feno fahatokian’ilay zatovovavy iray.

Nisy fotoana i Fidji dia noraisina ho toy ny toerana mitoka-monina ihany eto amin’izao tontolo izao—toerana izay hanalavirana ny olana ateraky ny fomba fiainana mirotoroto sy ny fomba fiainana an-tanan-dehibe. Saingy tsy izany intsony izy amin’izao fotoana izao. Ny fiaramanidina, ny zanabolana, sy ny fifaneraserana ara-barotra eto amin’izao tontolo izao ankehitriny dia mitondra any amin’ny morontsirak’i Fidji ireo olana rehetran’ny fiainana amin’izao fotoana izao izay hita eto amin’izao tontolo izao. Ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana any Fidji, dia mitovy amin’ny any amin’ny faritra hafan’izao tontolo izao ihany ny fomba fiatrehana amim-pahombiazana ireo olana ireo: fankatoavana amim-pahatokiana ireo fitsipiky ny filazantsara.

Misy ohatra telo avy any Fidji izay mampianatra ny fomba hampivoaran’ireo fitsipika ireo ny fiainana.

Ny Fianakaviana Kumar

I George Kumar dia nitady fotsiny fomba iray mba hahazoana antoka fa ny zanany lahimatoa, Ryan, dia hanana fomba fiainana mahomby sy manaja ny fahadiovam-pitondrantena. Nahita zavatra mihoatra an’izany ny fianakaviana Kumar: ireo fahamarinana mandrakizain’ny filazantsara izay nitondra fomba fiainana vaovao sy feno fifaliana ho azy rehetra.

Nanome aina indray ny fianakaviana ny filazantsara araka ny filazan-drahalahy Kumar. “Mandany fotoana misimisy kokoa izahay mba hiarahana—fotoana tsara kokoa miaraka amin’ny fifandraisana misokatra kokoa.” Manao vavaky ny mpianakavy isan’andro izy ireo ary ny takarivan’ny mpianakavy tsy tapaka izay “zavatra iray ‘tsy maintsy’ atao” hoy i Ryan.

I Ryan no nitarika ny fandehanana tany am-piangonana.

Rehefa tao anatin’ny taona naha-zatovo azy i Ryan dia nanomboka niahiahy izay lalana mety ho arahan’ny zanany lahy i George Kumar. Niahiahy i George satria tsy nampiasa ny fotoany araka ny tokony ho izy i Ryan sy ny namany, ka nahita fomba iray izy mba hanodidinan’ny tanora izay manana fitondrantena hafa ny zanany lahy. Nahafantatra i George tamin’ny firesahany tamin’ ny zanak’olo-mpiray tampo tamin’ny iray tamin’ny ray aman-dreniny, izay miasa ao amin’ny Sekolin’ny Fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany ao Fidji, any Suva, fa afaka miditra ao i Ryan. (Ilay Sekolin’ny Fiangonana dia sekoly ambaratonga faharoa izay mitovy amin’ny sekoly ambaratonga faharoa any amin’ny faritra hafa.)

Taorian’ny nidirany tao amin’ny Sekolin’ny Fiangonana dia nanomboka nivoatra ny fitondrantenan’i Ryan. “Noho ny ohatra nasehon’ireo mpianatra hafa izany,” hoy izy. Taloha dia nandany fotoana maro izy niarahany nanao zavatra tsy misy dikany tamin’ny namany. Saingy taorian’ny fahitana ny fahasamihafana eo amin’ny fiainan’ireo mpianatra any amin’ny sekolin’ny Fiangonana, “dia lasa tsy te hanao ireo zavatra ireo intsony aho,” hoy izy nanazava.

Nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara i Ryan, ary tena faly ny ray aman-dreniny noho ny fiovana teo amin’ny fiainany, ka rehefa nangataka fahazoan-dalana ny hatao batisa sy ho raisina ho mpikambana izy dia tonga dia namaly hoe eny izy ireo. Nafoin’i Ryan ilay vondron’ny mpinamana nisy azy taloha. Nahazo vaovao izy.

Kanefa rehefa nangataka ny ray aman-dreniny izy mba hihaino ny misiônera dia “nisalasala izahay”, hoy ny fitantaran’i George. Kanefa, nahita ny fiovana nentin’ny filazantsara teo amin’ny fiainan’ny Ryan izy ireo, ka dia fantatr’izy ireo fa tsy maintsy hoe tsara ilay Fiangonana. Ny fiovan-toetran’i Ryan dia tena niavaka ka tamin’ny taona fahatelo sady farany nianarany tao amin’ny Sekolin’ny Fiangonana dia nantsoina ho tovolahy mendrika izy, izay voninahitra araka ny mahazatra natokana ho an’ny mpianatra izay nahatontosa ny fotoam-pianarany iray manontolo tao amin’ilay sekoly.

Ohatry ny hafahafa tamin’ny ray aman-dreniny ny fiovana sasany teo amin’ny toetran’i Ryan tamin’ny voalohany. Nahoana ohatra no tsy afaka nandresy lahatra azy mba hisakafo izy ireo ny Alahady voalohan’ny volana? Saingy rehefa nohazavain’i Ryan ny tanjon’ny fifadian-kanina, dia takatry ny ray aman-dreniny fa ny fiovana teo amin’ny fiainany dia latsa-paka kokoa mihoatra noho izay noeritreretin’izy ireo.

Nahita ny fiovan’i Ryan koa ny zandriny lahy Michael, ary dia nihaino ny filazantsara i Michael. “Nanomboka nanatrika ireo fiaraha-mientan’ny Fiangonana i Ryan ary ny zavatra izay nanaitra ahy isaky ny miverina avy any, dia ny hafaliany,” hoy i Michael. “Dia tena nandeha nanatona ny misiônera koa aho. Te handray ireo lesona koa aho. Te hatao batisa sy horaisina ho mpikambana aho.”

Rehefa nampianatra ny lesona ho an’ny mpikambana vaovao an’i Michael ny misiônera taorian’ny batisany dia nanomboka nihaino izany koa ny reniny Alitiana. Nahasarika ny vadiny koa izany ary vetivety dia nahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenany manokana i George sy ny vadiny.

Nanana fahafahana hanao batisa ny ray aman-dreniny tao am-piangonana i Ryan tamin’ny 2006, fotoana fohy talohan’ny nandehanany hanao asa fitoriana tany amin’ ny Misionan’i Wellington Nouvelle Zélande. Taty aoriana, talohan’ny nandehanan’i Michael hanao asa fitoriana, dia nanana fahafahana izy hiaraka tamin’ny ray aman-dreniny, tamin’izy ireo handeha ho any amin’ny tempoly. Rahalahy Michael Kumar dia niditra tao amin’ny Misionan’i Salt Lake City Atsimo, Utah, tamin’ny Aogôsitra 2008, fotoana fohy talohan’ny niverenan’i Ryan avy tany Nouvelle Zélande.

Tena sarotra ho an-dry Kumar mivady ny fandoavana fahafolonkarena sy ny fanohanana ara-bola ny zanakalahy iray manao asa fitoriana. Ny karaman-drahalahy Kumar dia nandoavana vola nindramina mba hananana trano sy nanaovana adidy hafa. Saingy nihafy izy ireo ary azon’ ny fianakaviana ny antony ilana izany. Ohatra, isaky ny miteny amim-pifaliana Rahalahy Kumar fa sakafo “toy ny mahazatra” no hohanin’izy ireo tamin’izay hariva izay, dia azon’ny fianakaviana rehetra fa tsy hisy hena izany ny sakafo. “Nisy fotoana izay nihinananay mofo sy kakaô fotsiny,” hoy i Michael nitantara.

Nilaza i Ryan fa feno fankasitrahana tamin’ny fihafiana nataon’ny ray aman-dreniny izy. “Nahafantatra aho fa nanolo-tena marina tamin’ny fanekempihavanana nataony izy ireo.”

Nilaza ny zandry lahin’i Ryan fa hatramin’ny fiovam-pon’izy ireo dia “resinay tsara kokoa ireo fitsapana rehefa iarahanay fianakaviana miatrika izany. Nanampy anay ny Ray any an-danitra.”

Nisy fiantraikany teo amin’ny fiainan’olon-kafa koa ny fiovam-pon’ilay fianakaviana. Roa tamin’ny zanak’olona mpiray tampo tamin’ny iray amin’ny ray aman-drenin’i Ryan sy Michael izay lasa niara-nipetraka tamin’ny fianakaviana Kumar no nisafidy koa hihaino ny lesona zarain’ny misiônera ary niditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

Ny fitahiana azo avy tamin’ny fihafian-dry Kumar mianakavy dia sady ara-panahy no ara-batana, hoy Rahalahy Kumar. Nataony izay hahampy ny volany mba hahazoany izay nilainy. Ary taorian’ny nandehanan’i Michael nanao asa fitoriana dia afaka nahita asa vaovao Rahalahy Kumar izay antenainy fa hahafahany handoa haingana kokoa tanteraka ny vola nindramina mba hananana trano.

Saingy ireo fitahiana ara-panahy azon-dry Kumar mianakavy dia manan-danja kokoa teo amin’ny fiainany. Mahita fivoarana i George sy Alitiana eo amin’ny antsony—i George amin’ny maha-filohan’ny kôlejin’ny loholona azy ao amin’ny Paroasy Faharoan’i Lami, Tsatòka Avaratr’i Suva Fidji, ary i Alitiana amin’ny maha-mpanolotsaina faharoa azy ao amin’ny Kilongan’ny paroasy.

Nahatsikaritra i Ryan fa ny fahitany manokana ny fiainany ankehitriny dia samy hafa lavitra amin’ny an’ny ankamaroan’ireo namany: “Manana zavatra hatao foana aho—zavatra hanorenana ny fanjakana.” Rehefa manao drafitra ho an’ny hoavy hoy izy, ny filazantsara dia manampy ny mpino “hanana fomba fijery mandrakizay.”

I George sy Alitiana Kumar dia samy nampianarina fotopampianarana Kristiana talohan’ny nandrenesany ny filazantsara. Tsy nahita fankaherezana tao anatin’ny zavatra nampianarina azy izy ireo. “Tany amin’ny antokom-pinoana hafa,” hoy Rahalahy Kumar, “dia nampianarina hatahotra ny fahatezeran’Andriamanitra ianao—hihorohoro. Nefa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manome fahafahana iray hafa hahombiazanao indray.”

Ry Kumar mianakavy dia miezaka ny manararaotra tanteraka izany fahafahana iray hafa hahombiazana izany indray.

Ny Fianakaviana Naivaluvou

I Peni sy Jieni Naivaluvou dia nampitombo indroa ny haben’ny fianakaviany rehefa nandray zatovovavy efatra avy tany Vanuatu izy izay nianatra tao amin’ny Sekolin’ny Olomasin’ny Andro Farany tao Fidji. Saingy tsy toy ny fanaovana fahafoizan-tena loatra ny fahitan-dry Naivaluvous mivady izany. Mahatsapa izy ireo fa efa nahazo fitahiana betsaka noho ny fanaovana izany. Ny iray tamin’ireo fitahiana izay inoany fa azony, dia ny fitomboan’ny fianakaviany tamin’ny fahatongavan’ilay zazakely Hagoth, izay teraka tamin’ny Janoary 2009.

Tamin’ny fiantombohan’ ny taona 2008, dia naheno ny Eveka sy Rahavavy Naivaluvou tao amin’ny Paroasin’i Tamavua, Tsatòka Avaratr’i Suva Fidji, fa nisy zatovo mpianatra anankiroa izay nitady toerana hipetrahana, ka dia nanombantombana ny toe-javatra iainany manokana teo ry Naivaluvou mivady. Ny zanakalahan’izy ireo, Soane, 18 taona sy Ross, 16 taona dia tsy nipetraka tao an-trano fa nianatra tany amin’ ny Sekolin’ny Fiangonana tany Tonga, izay tanindrazan’izy ireo. Nipetraka tany amin’ny fianakaviana tsy Olomasin’ny Andro Farany tany Suva izay tena lafo ho an’ny ray aman-dreniny izy roa vavy avy any Vanuatu ireto. Tena mety ho namana tsara ho an’i Andrea Naivaluvou izay 13 taona izy roa vavy ireo. I Andrea koa dia mianatra any amin’ny Sekolin’ny Fiangonana ary tonga any an-trano mialohan’ny hiravan’ny ray aman-dreniny. Noho izany dia nanapa-kevitra Rahalahy sy Rahavavy Naivaluvou fa hanasa an’izy roa vavy avy any Vanuatu mba hipetraka maimaim-poana ao an-tranony.

Niziriziry ny hanampy amin’ny fandoavana vola ihany izy roa vavy, nefa ny vola laniny dia mbola antsasany latsaka tamin’ny vola naloany taloha ihany—izay fitahiana ho an’ny fianakaviany.

Tamin’ny volana Aprily dia nisy tovovavy roa hafa avy any Vanuatu izay tonga namangy tao ary nankafy ny toe-piainana tao amin’ny tokantranon-dry Naivaluvou. Fotoana fohy taorian’izany dia nangataka ireo tovovavy roa ireo raha afaka hipetraka ao koa. Dia nampiantranoan-dry Naivaluvous mivady tamim-pifaliana koa izy ireo.

Ahoana no fandehan’ny ao amin’ny tokantrano rehefa misy zatovo efatra fanampiny ao? “Nanorina fifamatorana lehibe izahay ka toy ireny hoe zanakay vavy ireny koa izy ireo,” hoy ny Eveka Naivaluvou. Nataon-dry Naivaluvous mivady mazava tany am-boalohany fa ireo tovovavy ireo dia raisina ho toy ny olona ao amin’ny fianakaviana. Mpihavana raha ny marina izy efa-bavy avy any Vanuatu, saingy ao amin’ny tokantranon-dry Naivaluvou izy ireo dia mifampitondra toy ny mpirahavavy nateraky ny ray aman-dreny iray ihany. I Andrea Naivaluvou koa lasa nandray azy ireo “ho toy ny rahavaviko,” hoy izy. Ireo zatovovavy zokiny dia nikarakara azy ary nanampy azy tamin’ny enti-modiny mihitsy aza rehefa nilaina izany. Ireo zatovovavy efatra dia nanomboka niantso ny Eveka sy Rahavavy Naivaluvou hoe Ta sy Na—“Dada” sy “Mama” amin’ny teny Fijiana.

Mety vao voalohany izao hoy Rahavavy Naivaluvou no nisy zatovovavy avy any Vanuatu, izay mianatra ao amin’ny Sekolin’ny Fiangonana no afaka nipetraka tany amin’ny fianakaviana mpikambana. Ny rain’ny iray tamin’ireo zatovovavy raha tonga namangy dia naneho ny fankasitrahany lalina an-dry Naivaluvou mianakavy noho ny fitiavana nasehon’izy ireo tamin’ny zanany vavy.

Nanamafy Rahavavy Naivaluvou fa ny iray tamin’ireo zatovovavy, izay zanakavavin’ny filohan’ny distrika ao Vanuatu dia ohatra lehibe ho an’ny fianakaviany tamin’ny alalan’ny finoany. Nolazain’ny Eveka Naivaluvou fa ny ohatra nasehony dia nanampy ny fianakaviany hanao tsy tapaka ny fandalinana ny soratra masina sy ny vavaky ny mpianakavy.

Samy nilaza ry Naivaluvou mivady fa nahazo fitahiana ara-batana izy ireo satria nifampizara tamin’ny hafa. Nitombo ny vola miditra teo aminy. Ary Rahavavy Naivaluvou dia mino fa ny fahazoana fitahiana ho lasa bevohoka indray 13 taona aty aoriana dia misy ifandraisany amin’ ny fahavononan’izy ireo hizara fitiavana amin’ny hafa.

Rehefa nody ny zanaky ry Naivaluvou mivady roalahy tamin’ny fahavitan’ny taom-pianarany tany Tonga, dia nandray ireo zatovovavy ho toy ny olona ao amin’ny fianakaviana izy ireo. Saingy azo leferina ny tsy fandraisan’i Soane an’ireo zatovovavy ireo ho toy ny anabaviny marina. Voatendry ho tovolahy hiaraka amin’iray tamin’ireo zatovovavy amin’ny alim-pandihizana iray izy. Nanao tsara ny asany toy ny lehilahy andrian-toetra izy.

Rehefa vita ny taom-pianaran’izy efa-bavy ary nandeha nody tany amin’ny faramparan’ny taona 2008, dia nampihetsi-po ny fanaovam-beloma hoy ny fitantaran’ny Eveka Naivaluvou. Toy ireny hoe nanao veloma ny zanakavaviny efatra ireny izy mivady. Ary rehefa manomboka ny taom-pianarana 2009, dia amim-pifaliana no handraisan-dry Naivaluvou indray an’ireo “zanakavaviny” efatra ireo—miampy roa hafa.

Raha tsy misy afa-tsy efitra fatoriana efatra ihany ao an-tranon’izy ireo dia mety hisy hanontany hoe aiza no hahitan’izy ireo toerana ho an’ny zatovovavy enina miampy ny zanany vavy sy ilay zaza vao teraka. Nefa nalamin-dry Naivaluvou mianakavy haingana izany ary tsy nisy ny olana.

Raha ny marina dia tsy resaka toerana ho an’ny olona iray manokana izany, fa resaka fampitomboana ny faribolan’ny fitiavana fotsiny ihany.

Asenaca Ramasima

Nandritra ny 2008, i Asenaca Ramasima dia nahazo ny anankiroa tamin’ireo mari-pankasitrahana faran’izay tsara indrindra ho an’ny mpianatra ao amin’ny Sekolin’ny Fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany ao Fidji. Voalohany dia voafidy ho toy ny antsoina hoe dux izy, na hoe mpianatra mahay indrindra tao an-tsekoly. Izany mari-pankasitrahana izany dia miaraka amin’ny vatsim-pianarana. Nefa izy koa dia nahazo ny mari-pankasitrahana Lionan’ny Tompo izay omena ny mpianatra miavaka izay fakan-tahaka tao amin’ny seminera. Nankafiziny bebe kokoa ilay mari-pankasitrahana faharoa noho ilay voalohany, satria izany dia mampahatsiahy azy ny fiezahany hampihatra ny finoany ny Ray any an-danitra eo amin’ny fiainany isan’andro.

Efa nianjadian’ny fitsapana maro teo amin’ny fiainana i Asenaca, na dia vao 19 taona monja aza izy. Kanefa dia toa feno fifaliana izy—fifaliana noho ny fahalalana fa manana fianakaviana mandrakizay izy satria nofehezina tany amin’ ny tempolin’i Suva Fidji izy ireo tamin’ny 2001, ary fifaliana noho ny fahalalana fa fantatry ny Rainy any an-danitra izy ary tiany.

I Asenaca no zandriny indrindra amin’ireo zanaka dimy, ka efa-dahy no eo alohany. Notantarainy fa rehefa maty ny rainy dia nanaitra azy ireo ny zokiny lahimatoa, izay misiônera tamin’izany, mba hahatsiaro fa tsy very akory ny rainy ho azy ireo fa ho eo akaiky eo foana izy.

Ny anadahiny no lasa mpamelona ny fianakaviana, ary ny reniny kosa dia tompon’andraikitra amin’ny famehezana ara-panahy mba hihazonana azy ireo hiaraka. Nahazo tombontsoa ireo ankizy noho ny fanarahany ny ohatra nasehon’ny ray aman-dreniny.

“Ohatra tena tsara ho ahy ny raiko. Nampianatra anay foana izy hoe: ‘Miasà mafy, miasà mafy,’” hoy ilay feo malefak’i Asenaca. Ny fiasana mafy tany an-tsekoly no fomba iray nanehoany fanajana ny rainy sy nanampiany ny reniny. Ilay vatsim-pianarana niaraka tamin’ilay mari-pankasitrahana dux dia toy ny fanampiana sarobidy nentin’i Asenaca handoavana ny saram-pianarany manokana.

Ny ohatra nasehon’ny ray aman-dreniny koa dia nanorina ny fototra iorenan’ny fianarany ara-panahy. “Izahay dia nahazo fampianarana isan’andro amin’ny alalan’ny famakiana sy fampianarana soratra masina avy amin’ny ray aman-dreninay,” hoy i Asenaca. Nampiany hoe, ny reniny dia manohy manorina eo amin’izany fanorenana izany ho an’ny fianakaviany.

Ny fandalinan’i Asenaca tsy tapaka ny soratra masina dia manampy azy hihazona sy hanamafy orina ny finoany an’i Jesoa Kristy. Manokana fotoana ho an’ny fandalinana ny soratra masina izy na manao ahoana na manao ahoana ny fandaharam-potoanany.

Ny finoana an’i Jesoa Kristy kosa dia nanampy azy hitoetra eo akaikin’ny Rainy any an-danitra mba hahafahany hangataka ny fitarihany. “Fantatro fa eo lalandava Izy,” hoy izy. “Rehefa manao ny zavatra tiany hataoko aho, dia ho eo Izy ho ahy ary hanamafy ny zavatra mety ny Fanahiny.”

Zava-dehibe izany fitarihana izany rehefa misy zatovovavy mitovy taona aminy miezaka ny miresaka aminy mba “hiala voly” amin’ny fomba fanaon’izy ireo—misotro, mifoka, tsy manaja ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena. Saingy “mifanohitra amin’ny fisainako ireo zavatra ireo,” hoy i Asenaca, ary noho ny finoana sy ny fiarovana tsapany ao amin’ny fitarihan’ny Ray any an-danitra dia “afaka miteny hoe tsia aho.”

Ny fanompoana ao am-piangonana, hoy izy, dia nanampy azy hanana fahatokian-tena izay tsy ho azony tamin’ny fomba hafa mihitsy. Ho zava-dehibe izany rehefa vita ny fianarany ao amin’ny Sekolin’ny Fiangonana, satria manantena ny ho afaka hianatra ao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young any Provo, Utah izy na any Hawaï mba hianatra momba ny haitoebola.

Ireo toerana ireo dia tena lavitry ny fonenan’ny fianakaviany izay any amin’ny faritra ambanivohitra any ambanivolon’i Suva. Tsy hampitahotra ve ny fandehanana tena lavitra ny fonenana? Nieritreritra an’izay fanontaniana izay i Asenaca nandritra ny fotoana fohy, ary dia nitsikitsiky izy. Eny, hoy izy—saingy hataony izany mba hanatratrarana ny tanjony.

Mora ny mino fa hataon’i Asenaca ny zavatra lazainy. Hatramin’izao dia tsara ny ezaka nataony mba hanatratrarana ny tanjony. Ary toy ireo mpikambana mahatoky hafa any Fidji, dia nahita fivoarana ara-panahy sy ara-batana izy tamin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana sy fitandremana ny didy.

Sary nalain’i Don L. Searle

I George sy Alitiana ary Ryan Kumar.

Rahalahy Michael Kumar fony izy nanompo tao amin’ny Misiona atsimon’i Salt Lake City Utah.

Eo Aloha: I Peni sy Jieni ary Andrea Naivaluvou. Ao aoriana: I Soane sy Ross Naivaluvou.

Tempolin’i Suva Fidji.

Hamoaka printy