2010
Manampy mba Hahatanteraka Izany
Aprily 2010


Manampy Mba Hahatanteraka Izany

Izany no nolazain’ireto zatovovavy avy any Inde ireto rehefa nahatonga ny sampany iray manontolo hientanentana momba ny takarivan’ny mpianakavy ilay tetik’asa fanompoana tsotra nomanin’izy ireo.

Te-hamporisika ny mpikamban’ny Fiangonana mba hanao ny takarivan’ny mpianakavy ireo zatovovavy ao amin’ ny Sampana Faharoan’i Chennai, ao amin’ny Distrikan’i Chennai ao Inde. Tsy sarotra tamin’izy ireo no nahita hevitra tsotra nefa mahomby. Nanamboatra kodiaran’ny takarivan’ny mpianakavy izy ireo: taratasy misy sary miaraka amin’ny fanodinana azy mba hahitana ireo anjara andraikitra toy ny manao ny vavaka, manomana lesona, ary ny mikarakara ny “ody am-bava fo.”

Tsotra kanefa misy loko samihafa ny endrik’ilay kodiarana vita tamin’ny taratasy. Natambatr’ireo Zatovovavy nandritry ny fiaraha-mientana iray natao tao amin’ny trano fiangonana izany indray takariva, ary ny tsirairay avy amin’izany dia misy ny sarin’ny fianakaviana nanaovana an’izany. Nientanentana tokoa ny roa tamin’ireo zatovovavy, dia i Sushmitha Santhosh Kumar, 15 taona , sy ny rahavaviny Sujeetha, 14 taona, raha vao nahafantatra fa amin’ny maha-mpikambana vaovao azy ireo dia ny fianakaviany no hahazo ny kodiarana voalohany.

“Taorian’ny fivoriana fiaraha-mientana dia nankany an-tranony izahay vondrona iray ary nanazava ilay kodiarana tamin’ny rainy,” hoy i Daisy Daniel, 16 taona. “Hita fa faly ny fianakaviana iray manontolo.” Efa niresaka mikasika ny takarivan’ny mpianakavy niaraka tamin’ireo misiônera amin’ny fotoana maharitra ihany ilay fianakaviana ary ilay kodiarana dia nanome famporisihana fanampiny amin’ny zavatra efa nianaran’izy ireo.

Nanao kodiarana maromaro ihany koa ny zatovovavy mba hozaraina amin’ny fianakavian’ireo ankizy ao amin’ny Kilonga ao amin’ny sampana. Ary dia mbola nanao kodiarana fanampiny koa izy ireo homena ny misiônera amin’ny fotoana maharitra mba hozarainy amin’ireo olona vao niova fo.

“Maro aminay ato amin’ny sampana no mpikambana vaovao ka tsy zatra manao ny takarivan’ny mpianakavy,” hoy i Daisy. “Kanefa manana fijoroana ho vavolombelona aho fa ny takarivan’ny mpianakavy dia hanampy ny ankizy sy ny ray aman-dreny hifanatona, ary manantena aho fa isaky ny mahita ilay kodiaran’ny takarivan’ny mpianakavy ireto fianakaviana ireto dia hieritreritra hoe: ‘Eny Tokoa! Tia antsika ny mpikamban’ny Fiangonana ary nomeny ity mpampahatsiahy ity isika ka ndeha hanao takarivan’ny mpianakavy.’” Nananambara mialoha izy fa ato ho ato dia ho lasa zavatra hitranga isan-kerinandro ny takarivan’ny mpianakavy ho an’ny olona maro ao amin’ny sampana.

Ny Asa Fanompoana Tsara Iray dia Hitarika any amin’ny Iray Hafa

Iray amin’ireo asa fanompoana maro nataon’ireto zatovovavy ireto ihany ilay fanaovana kodiaran’ny takarivan’ny mpianakavy. Mba hanampiana ny mananotena iray ao amin’ny sampana tsy hahatsiaro ho irery loatra dia nandravaka harona iray ny zatovovavy ary nofenoiny taratasy misy soratanana fohy sy mahafaly izany. “Tsy misy olona mba hikarakaraka azy,” hoy i Daisy. “Ka tianay ho tsapany fa ny mpikambana ato amin’ny sampana dia mahatsiaro azy.” Natolotry ny zatovovavy mivantana ho azy izany harona izany ary nohazavain’izy ireo fa afaka mamaky taratasy iray isan’andro izy mba hitondra tsiky eo amin’ny fiainany.

Nampiteraka hevitra hafa ilay harona feno taratasy. Nanapa-kevitra ny hifanoratra ka haneho ny fankasitrahany ny tsirairay amin’izy ireo ny zatovovavy.“Izahay tsirairay avy dia nifampanoratra taratasy mahafinaritra ho an’ny ambiny hafa taminay,” hoy i Monisha Kalai Selvam, 13 taona nanazava.

Haharitra Anie ny Takarivan’ny Mpianakavy!

Tamin’ny alalan’izany fiaraha-mientana izany sy ireo hafa koa no nianaran’ny zatovovavin’ny Sampana Faharoan’i Chennai fa na ny asa fanompoana faran’izay tsotra aza dia afaka manampy ny olona hanatona ny Mpamonjy. Mety hahatsiaro izany kodiaran’ny takarivan’ny mpianakavy izany mandritra ny fotoana ela ireto mpikamban’ny sampana ireto satria maro no nahazo izany ary efa mampiasa izany sahady. Ary na dia mpampahatsiahy ao anatin’ny fotoana fohy ihany aza ilay kodiarana dia tsy maninona izany.

“Afaka manamboatra ny kodiarany na ny tabilaony manokana ny tsirairay na maka pensilihazo sy taratasy dia manao ny drafiny,” hoy i Daisy. “Fantatray fotsiny fa zava-dehibe ny takarivan’ny mpianakavy ary te hanampy mba hahatanteraka izany izahay.”

Sary nalain’i Richard M. Romney

Karthikeyan

Meganathan

Daniel

Bharath Raj

Hamoaka printy