2010
Fanehoan-kevitra
Aprily 2010


Fanehoan-kevitra

Liahona Vaovao

Rehefa namaky aho fa manomboka amin’ny Janoary 2010 dia hanana Liahona vaovao, isika dia nalahelohelo aho. Toy ny vatofantsiko ao amin’ny filazantsara izany gazetiboky izany hatramin’ny nanaovana batisa ahy fony aho 17 taona. Ilay fijoroako ho vavolombelona nareforefo dia lasa natanjaka rehefa namaky ireo zavatra niainan’ny mpikambana hafa aho ary nahafantatra fa tsy irery. Tehiriziko tsara ireo gazetiboky izay nangoniko satria ahitana hafatra mitaona fanahy izay nanampy ahy tamin’ny fotoam-pitsapana sy fahasahiranana izy ireo.

Ankehitriny dia nomenareo Liahona izay matotra kokoa sy misy karazan-javatra bebe kokoa izahay, fa tena marina toy ilay voalohany izay novakiako hatramin’ny 1992 koa izany. Misaotra anareo eram-po.

Julia A. Florian, Guatemala

Loharano Hahazoana Toetra ara-panahy sy Tanjaka

Ny Liahona dia fitahiana lehibe sy fifaliana ho ahy. Manampy ahy hahita ireo mpikambana rehetra manerana an’izao tontolo izao izany sy hahalala ny fireneny sy ny kolotsainy ary hahazo tombontsoa avy amin’ny finoany. Loharano ahazoana toetra ara-panahy sy tanjaka ilay gazetiboky ary manampy ahy ho lasa olona tsara kokoa.

Modesta Giuliani, Italie

Fahagagana tao amin’ny Paroasinay

Zara fa nisy ny famangiana isan-tokantrano tao amin’ny paroasinay ary ambany dia ambany ny tahan’ny fandehanana any amin’ny tempoly. Nivavaka ny mba hiovan’izany aho amin’ny maha-mpamangy isan-tokantrano sy amin’ny maha-mpiasa any amin’ny tempoly ahy. Nampiasaiko ny lahatenin’ny Loholona Richard G. Scott anankiray nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana hoe “Fanatrehana ny Tempoly: Loharanon’ny Tanjaka sy Hery amin’ny Fotoan-tsarotra” (Liahona, Mey 2009, 43) mba horesahako mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy mandritra ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana. Tena tohina ireo mpikambana tao amin’ny paroasy. Efa kely sisa dia ho 100 isan-jato ny famangiana isan-tokantrano ankehitriny ary maro no mandeha any amin’ny tempoly sy mampihatra ireo dingana nolazain’ny Loholona Scott tao amin’ny hafany. Fisaorana mitafotafo no atolotro ny Loholona Scott noho ny hafatra tena tsara nomeny ary torak’izany koa ho anareo noho ny Liahona.

Ana Meza de Eulogio, Pérou

Alefaso ao amin’ny liahona@ldschurch.org ny fanamarihana na torohevitra avy aminao. Mety hasiam-panovana ny firafitry ny fanamarihana avy aminao noho ny halavany sy mba ho mora azo.

Hamoaka printy