2010
Akanjo Mariazy iray sy Drafitra iray
Aprily 2010


Akanjo Mariazy iray sy Drafitra IRAY

“Tendrin’Andriamanitra ny fanambadiana” (F&F 49:15).

Nipetraka teo amin’ny fandrian’ny rahavaviny i Lori raha teo am-pamaranana ny fampidirana ny entana tao amin’ny kitapo fitondra mankany amin’ny tempoly i Karyn. Hanambady androany i Karyn.

Nientanentana ery i Lori hanatrika ny fetim-panambadiana izany hariva izany kanefa nalahelo ihany koa izy. Ny zokiny lahy izay efa nahavita asa fitoriana dia afaka miditra ny tempoly miaraka amin’i Karyn. Afaka miditra any koa ny ray aman-dreniny. Fa i Lori sy ireo zandriny lahikely roa kosa dia tsy afaka ny hiditra ao.

“Satriko ery ny mba afaka hiaraka hiditra aminareo ao amin’ny tempoly,” hoy i Lori.

Nijery ny entany i Karyn. “Satriko koa aza izany fa tsy haninona ianao eo ivelany eo. Ary indray andro any dia hiaraka aminao any amin’ny tempoly aho rehefa hanambady ianao.”

Tsy nalahelo intsony i Lori, fa nisy zavatra hafa nanitikitika azy indray. “Ahoana no nahalalanao fa i Matt no tianao hovadiana?” Hoy izy nanontany.

Nipetraka teo akaikin’i Lori i Karyn. “Taloha aho dia nianatra fa manana drafitra ho ahy ny Ray any an-danitra. Rehefa nahita an’i Matt aho dia tsapako fa afaka miaraka manatanteraka izany drafitra izany izahay.”

“Nahavita izany drafitra izany ve ianareo?” Hoy i Lori nanontany.

Nandà izany tamin’ny fanifikifihany ny lohany i Karyn. “Te-hanan-janaka izaho sy Matt, ary hamita ny fianaranay sy hanao zavatra maro hafa.”

Nijery ilay akanjo mariazy fotsy nihantona teo amin’ny varavaran’ny lalimoaran’i Karyn i Lori. “Tsara be ny akanjonao,” hoy izy.

Nitsiky i Karyn. “Ampahan’ilay drafitra ihany koa izany,” hoy izy. “Naniry foana ny hanambady any amin’ny tempoly aho ka tsy maintsy maotina ny akanjoko.”

Ora vitsy taty aoriana dia nijery ny fivoahan’i Karyn sy Matt avy tao amin’ny tempoly i Lori. Feno fifaliana ny endrik’izy ireo.

Nihazakazaka teny amin’i Karyn i Lori ary niantsampy teny aminy.

Herinandro maromaro taty aoriana dia nahazo sary tao anatin’ny boatin-taratasiny i Lori. Sarin’i Karyn sy Matt mijoro eo anoloan’ ny tempoly izany. Nasian’i Karyn soratra teny ambony hoe: “Manana drafitra ho anao ny Ray any an-danitra”.

Nataon’i Lori teo amin’ny fanakaingony izany sary izany. Nampanantena ny tenany izy fa indray andro any dia handeha ho any amin’ny tempoly ary ho feno an’ilay fifaliana izay hita taratra teny amin’ny tarehin’ny rahavaviny koa ny tarehiny.

Sary nataon’i Jennifer Tolman; sary © Busath.com

Hamoaka printy