2010
Ny Lanjan’ny Mpampianatra Iray
Aprily 2010


Manompo ao amin’ny Fiangonana

Ny Lanjan’ny Mpampianatra Iray

Avy amin’ny “Only a Teacher,” Tambuli, Ôkt. 1990, 3–8.

Sary
President Thomas S. Monson

Fotoana maro lasa izay dia nisy ankizilahy telo niresaka momba ny rain’izy ireo. Nisy anankiray niteny hoe:“Lehibe ny dadako noho ny dadanao”, ka novalian’ilay iray hafa hoe: “Ny dadako mahira-tsaina noho ny dadanao.” Nanohitra ilay ankizilahy fahatelo hoe: “Dokotera ny dadako.” Dia nitodika tany amin’ilay ankizilahy iray izy ary nanebaka hoe: “Ary ny dadanao dia mpampianatra fotsiny.”

Misy mpampianatra anankiray izay lehibe lavitra noho ny fiainan’ny hafa rehetra ny fiainany. Tsy velona mba hotompoina Izy fa mba hanompo ary tsy mba handray fa mba hanome ary tsy mba hamonjy ny ainy fa mba hanao sorona izany ho an’ny hafa. Izy dia namaritra ny fitiavana ho tsara kokoa noho ny fitsiriritana ary namaritra ny fahantrana ho manan-karena kokoa noho ny fananana harena sarobidy. Nampianatra niaraka tamin’ny fahefana Izy fa tsy tamin’ny fomba nampianaran’ireo mpanora-dalàna. Ilay Mpampianatra Lehibe no resahako eto, dia i Jesoa Kristy izany, ilay Zanakalahin’Andria-manitra, Mpamonjy sy Mpanavotra ny zanak’olombelona rehetra.

Rehefa mamaly ilay fanasany tsotra hoe “Mianara amiko,” ireo mpampianatra mavitrika dia lasa mpandray anjara amin’ilay heriny masina.

Zavatra niainako fony aho ankizilahikely ny fahatsapana hery mitarika avy amin’ny mpampianatra toy izany. Nampianatra anay momba ny Fahariana an’izao tontolo izao, sy ny Fahalavoan’i Adama ary ny sorompanavotan’i Jesoa izy tao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahadinay. Nampianatra momba ireo olona manan-kaja toa an’i Mosesy, Josoa, Petera, Tomasy, Paoly ary Kristy mihitsy aza izy tao an-dakilasinay. Na dia tsy hitanay maso aza izy ireo dia nianatra nitia sy nanaja azy ireo izahay ary nanaraka ny ohatra nasehony

Rehefa henon’ilay ankizilahy ireo fifanebahana nisy hoe: “Ny dadako lehibe noho ny dadanao,” “Ny dadako mahira-tsaina noho ny dadanao,” “Dokotera ny dadako,” dia mety azony novaliana tsara fotsiny hoe:“Mety lehibe noho ny dadako ny dadanao, mety mahira-tsaina noho ny ahy ny dadanao; mety mpanamory fiaramanidina na injeniera na dokotera ny dadanao; fa ny ahy ny dadako dia mpampianatra.”

Enga anie isika tsirairay ka ho sahazan’izany fankasitrahana avy amin’ny fo sy mendri-piderana izany foana!

Ny Toriteny teo An-tendrombohitra, nataon’i Carl Heinrich Bloch, nampiasaina rehefa nahazo fahazoan-dalana tamin’ny Tranombakoky ny Firenena ao Frederiksborg any Hillerød, Danemark, tsy azo adika

Hamoaka printy