2010
Mila Mankany amin’ny Tempoly Aho
Aprily 2010


Mila mankany amin’ny Tempoly aho

Tsy nisy nahasakana an’ity rahalahy Breziliana ity handeha ho an’ny amin’ ny tempoly na ny lozam-pifamoivoizana, na ny fandehanana andro aman’alina tamin’ny fiara fitateram-bahoaka, na ny fandehanana an-tsambo nandritra ny fotoana maharitra na ny vola be lany tamin’ny fanaovana ny dia.

Taitra tampoka i José Gonçalves da Silva naheno ny olona niantsoantso ny anarany. Maizina tamin’izany ary tsy fantany velively izay nisy azy.

“Mbola natory aho raha nivadika ilay fiara fitateram-bahoaka,” araka ny fitantaran’i José ilay loza nitranga vao mangiran-dratsy tamin’ny Janoary 2008. “Tsy nisy olona afaka nahita ahy satria tany aorian’ilay fiara fitateram-bahoaka aho, voatsindrin’ireo entana. Hitan’ny sasany tamin’ireo rahalahy ihany aho tamin’ny farany rehefa nanomboka nanangona ireo valizy izy ireo.”

Tamin’ny fotoana tsy nahavoafehin’ilay mpamily fiara fitateram-bahoaka intsony ny familiana teo amin’ny faritra terin’ilay lalana izay miolikolika tany anatin’ny ala mikitroka tany amin’ny faritra atsimon’i Vénézuela, dia efa ho teny amin’ny antsasa-dalan’ny dia maharitra telo andro nataony ry José sy ireo Olomasin’ny Andro Farany hafa avy any Manaus, Brésil izay ho any amin’ny Tempolin’i Caracas Vénézuela. Naratra kely fotsiny i José, saingy nisy rahalahy sy rahavavy maro izay tsy maintsy naiditra hôpitaly.

“Fotoana izao hanajanonao ny fandehanana any amin’ny tempoly,” hoy ireo olona tao amin’ny fianakaviana izay be ahiahy tamin’i José, izay 80 taona tamin’ny fotoana nitrangan’ilay loza. Tsy kivy izy anefa fa nanambara hoe: “Mila mankany amin’ny tempoly aho. Raha avelan’ny Tompo aho dia hiverina any.”

Tonga dia nanomboka nanangona vola izy ho an’ny dia fahaefatra hataony any Caracas, izay tanterany tamin’ny voalohandohan’ny taona 2009. Ho an-dRahalahy Gonçalves da Silva, dia mora ilay fandehanana fiara fitateram-bahoaka nandritra ny 40 ora raha oharina tamin’ireo dia telo teo aloha nankany amin’ny Tempolin’i São Paulo Brésil izay efa nataony. Nandritra ny taona maro, dia ny Tempolin’i São Paulo izay any amin’ny kilaometatra an’arivony maromaro any atsimo atsinanan’i Manaus, no tempoly akaiky indrindran’ity tanàna izay ahitana mponina roa tapitrisa ity izay any amin’ny faritanin’i Amazonas any avaratra. Taty aoriana, tamin’ny 2005 dia lasa tafiditra tao amin’ ny Distrikan’ny Tempolin’i Caracas Venézuéla i Manaus.

Nandritra ireo taona maro nandehanana tany São Paulo ireo dia “mandray sambo miala eto Manaus izahay ary mandany efatr’andro mankany Pôrto Velho,” renivohitry ny faritanin’i Rondônia hoy i José. “Avy eo dia mandeha fiara fitateram-bahoaka mandritra ny efatr’andro indray izahay mankany São Paulo. Tsy mpikamban’ny Fiangonana ny vadiko ary rehefa nandeha voalohany tany amin’ny tempoly aho tamin’ny 1985, dia nandeha irery. Nijanona tao amin’ny toeram-pijanonan’ny fiara fitateram-bahoaka tao Pôrto Velho aho nandritra ny alina satria efa taraiky vao tonga ary tsy nisy fiara intsony teo. Dia nanohy ny dia nankany São Paulo aho ny ampitson’iny. Nahafinaritra ny zavatra niainako, saingy somary vizana kely aho nony tonga.”

Dia nanokana telo andro feno nanompoana tao amin’ny tempoly izy talohan’ny nanaovany ilay dia miverina mody maharitra valo andro. Herintaona no ilainy mba hanangonana vola ampy avy amin’ny vola fisotroan-dronony hanefana ny saran’ny fandehanana any amin’ny tempoly.

“Fahafoizan-tena lehibe ny fandehanana any saingy tsy hanenenana izany,” hoy Rahalahy Gonçalves da Silva, izay nanao asa maro nisoloany tena ho an’ny fianakaviany. “Nahatsapa fifaliana manokana aho tamin’ny andro nanaovana batisa ahy ho an’ny raiko sy tamin’ny nanaovana batisa olona iray ho an’ny reniko ary tamin’ny nisoloako tena ny raiko rehefa nofehezina ny ray aman-dreniko. Voninahitra lehibe izany. Efa maty daholo ny rahalahiko sy anabaviko saingy vitako ny asa ho an’izy ireo nandritra ireo diako tany amin’ny tempoly.”

Mino i José fa ny fahafoizan-tena izay miraikitra ao anaty tamin’ny fanaovana dia tena lavitra nankany amin’ny tempoly dia hanampy ireo Olomasin’ny Andro Farany any Manaus ho feno fankasitrahana rehefa tonga ny andro hanokanana tempoly any. “Efa tsindrin-daona amin’ny hahatongavan’izany andro izany aho,” hoy izy.

Nisy sampana kely iray nahitana mpikambana 20 tao Manaus tamin’i José lasa mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny 1980. Nanomboka tamin’izay dia hitany ny firoboroboan’ny Fiangonana tany ka lasa teo amin’ny 50.000 latsaka kely teo ny mpikambana izay tao anatin’ny tsatòka valo.

“Tamin’ny nahatongavan’ny fanambarana tamin’ny 2007 fa hisy tempoly hatsangana ao Manaus,” hoy i José, “dia nitomany aho noho ny fifaliana lehibe tsapako, ary nivavaka mba hamelan’ny Tompo ahy ho mbola velona mba hahita ny fangadiana ny fototra,” izay niseho herintaona taty aoriana. Ankehitriny dia mivavaka izy ho lava andro iainana mba hahita ny fahavitan’ny tempoly sy hahita ny vadiny ho vita batisa ka hahafahan’izy ireo hofehezina.

“Tsy fantatsika ny fotoana hahafatesantsika, nefa tokony hiomana isika ary ho faly rehefa tonga izany fotoana izany,” hoy Rahalahy Gonçalves da Silva. “Miandrandra ny fiverenako hitoetra eo anatrehan’ny Raiko any an-danitra sy ny Mpamonjiko, Jesoa Kristy aho. Ny fankanesako tany amin’ny tempoly dia manampy ahy hiomana amin’izany andro izany.”

Ankavia: sarin’ny Tempolin’i Caracas Vénézuela © IRI; ambony ankavia sy ambony ankavanana: sary nalain’i Michael R. Morris

Ny Tempolin’i Caracas Vénézuela.

Ambony: Ny Rio Negro, eo amin’ny toerana nanombohan’i José Gonçalves da Silva ny diany maharitra valo andro nankany amin’ny Tempolin’i São Paulo Brésil.

Ambany: Rahalahy Gonçalves da Silva mitaingina fiara fitateram-bahoaka mandritra ny 40 ora ho any amin’ny Tempolin’i Caracas Vénézuela. Nolazainy fa ny fanaovana asa fanompoana ao amin’ny tranon’ny Tompo dia mendrika ny hanaovana fahafoizan-tena izay ilaina handehanana any.

Hamoaka printy