2010
Fanontaniana sy Valiny
Aprily 2010


Fanontaniana & Valiny

“Ahoana no ahafahako manana eritreritra madio eo am-pahitana ireo tsy fahamaotinana manodidina ahy?”

Toa ny tsy misy toerana na aiza na aiza amin’izao fotoana izao ka tsy hahitana olona manao fitafy tsy maotina, na ilay olona hita mivantana na hita amin’ny alalan’ireo fitaovana fampitam-baovao. Tsy afaka ny hifehy ny manodidina anao ianao fa kosa afaka ny hifehy ny eritreritrao.

Raha toa ka mahita olona manao fiakanjo tsy maotina ianao dia mitodiha haingana na mialà lavitra izany toe-javatra izany. Raha toa ka misy eritreritra maloto mandalo ny sainao dia misafidiana ny tsy hieritreritra izany fa kosa soloy amin’ny eritreritra madio izany. “Aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy; dia … ho namanao lalandava ny Fanahy Masina” (F&F 121:45–46). Ny fananana eritreritra madio dia hanampy anao ho faly kokoa sy hahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy miaraka aminao.

Ataovy tonga fahazarana ny fananana eritreritra madio. Miezaha mba hiaraka amin’ny olona miakanjo maotina ary ialao ny toe-javatra izay mety hahitanao akanjo tsy maotina. Mivavaha amin’ny Ray any an-danitra mba hanampy anao. Mitadidia hira ao amin’ny fihirana na soratra masina mba hanananao zavatra tsara hoeritreretina rehefa tonga ny fakam-panahy. Vakio tsy tapaka ny soratra masina ary mandehana any amin’ny tempoly raha toa ka afaka manao izany. Ka rehefa mahita olona manao fitafiana tsy maotina ianao dia afaka ny hieritreritra zavatra tsara.

Tsy avy amin’Izao Tontolo Izao Isika

Tokony ho tsaroantsika fa eto amin’izao tontolo izao isika fa tsy avy amin’izao tontolo izao. Zanakalahy sy zanakavavy manokana an’ny Raintsika be fitiavana isika. Noho izany dia maka fanahy antsika bebe kokoa ny fahavalo kanefa tokony hatanjaka kokoa mihoatra ny fakam-panahy isika. Ny olon’izao tontolo izao dia afaka manao akanjo tsy maotina, noho ny tsy fahalalany fa ny vatana dia tempoly masina. Fa ny Olomasin’ny Andro Farany kosa dia manana izany fahalalana izany. Noho izany dia tokony hitandrina ny tenantsika ho madio sy masina isika. Raha toa ka manenika ny eritreritsika ny eritreritra ratsy dia tokony hikatsaka avy hatrany ny fanampian’ny Raintsika any an-danitra isika amin’ ny alalan’ny vavaka, satria tsy misy hafa afaka hanampy antsika kokoa noho Izy.

Dayana H., 19 taona, São Paulo, Brésil

Angataho Ireo Namanao mba Hanampy

Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany ahy irery ao amin’ny kilasy fahaenina ao an-tsekoly dia maheno fiteny maloto, sy mahita fiakanjo tsy maotina ary faneriterena hanaraka ny maro foana aho. Kanefa tamin’ny fiantombohan’ny taona dia nanomboka nanazava tamin’ny namako mikasika ny fitsipika iainako aho ary ny fifikirako amin’izany na inona na inona mitranga. Nianatra mikasika ny fitsipiky ny Fiangonana izy ireo nandritry ny volana maromaro. Hanampy anao ny namanao raha toa ka hazavainao amin’izy ireo ny hasina sy ny fitsipika arahinao. Niova ho tsaratsara kokoa ny fihetsik’ireo namako sy ny fomba fitafiny ary ny fomba fiteniny. Nianatra aho fa raha toa tena namanao izy ireo dia hanampy anao hieritreritra zavatra madio sy hanampy anao hitoetra amin’ny lalana ety sy tery.

Celia N., 12 taona, Virginie, Etazonia

Manampy ny Vavaka

Hitako fa rehefa sahirana aho eo amin’ny fitandrovana ny fananana eritreritra madio dia ny vavaka no tena valin’ny fitazonana eritreritra madio sy ny famelana ny fitaoman’ny Fanahy hiaraka amiko amin’ny toerana rehetra izay alehako. Ny fivavahana isa-maraina amin’ny Ray any an-danitra mba hanampy ahy hanana eritreritra madio sy hanome ahy fitarihana mandritry ny tontolo andro sy ny fisaorana Azy isan-kariva dia nampisy fifandraisana tsaratsara kokoa Aminy ary nanampy ahy niala tamin’ny tsy fahamaotinana sy nitandrovako ny fitsipika arahiko. Ny vavaka isa-maraina sy isan-kariva dia afaka hanampy anao hanasa ny Fanahy hiaraka aminao mba hiatrehana ireo fahavalo eo amin’izao tontolo izao. “Miorena mafy sy tsy ho voahozongozona, hahefa be mandrakariva amin’ny asa tsara” (Môsià 5:15).

Gunnar R., 16 taona, Wisconsin, Etazonia

Tempoly Isika

Rehefa manao akanjo tsy maotina ny manodidina anao dia aza mitsikera azy ireo fa mila manana eritreritra madio ianao. Manaova ohatra ho azy ireo amin’ny fanehoana aminy fa manaraka ny fitsipiky ny Fiangonana ianao. Ary ampio ny olona hafa amin’ny fanehoanao fitiavana azy ireo sy fitenenanao fa ny Raintsika any an-danitra dia tia sy mila azy ireo ho madio ara-pitondrantena amin’ny fihetsika atao sy ny eritreritra. Ny fahadiovana dia zava-dehibe eo amin’ny famonjena antsika, satria tempolin’Andriamanitra isika.

Maricris B., 19 taona, Quezon, Philippines

Iaino ireo Fampianaran’ny Filazantsara

Fantatro fa afaka manana eritreritra madio isika amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina sy fampiharana ireo fampianarana avy aminy. Rehefa mampihatra ireo fitsipika ampianarina ao am-piangonana isika, rehefa mamaky ny bokikely Ry Tanora Mahereza, ary rehefa mandeha any amin’ny tempoly dia afaka hahazo eritreritra madio.

Jossi O., 16 taona, Antioquia, Colombie

Tahaka ny Lampihazo ny Saina

Ny boky Torio ny Filazantsarako dia ahitana fizarana miresaka ireo hatsaran-toetra. Milaza izany fa toa ny lampihazon’ny tantara lalaovina an-dampihazo ny saintsika. Eo amin’izany lampihazo izany dia olona iray ihany no afaka milalao mandritry ny fotoana iray. Rehefa mieritreritra zavatra madio sy masina isika dia hifantoka amin’ireo eritreritra ireo ny saintsika ary tsy ho heniky ny eritreritra ratsy ny lampihazon’ny saintsika. Ny fahamasinana dia toetra nananan’i Jesoa Kristy izay nolazaina tamintsika fa tokony hampitomboantsika. Mianatra isika any am-piangonana fa tokony hieritreritra zavatra madio hatrany, ka rehefa misy zavatra maloto maka fanahy antsika dia afaka mihira ny hira tiantsika indrindra ao amin’ny fihirana isika na mieritreritra ny soratra masina tiantsika indrindra. Ny fanampiana lehibe indrindra dia hita ao amin’ny 2 Nefia 32:9, izay manao hoe: “Mivavaha mandrakariva ary aza kivy.”

Elder McEachron, 21 taona, Misionan’i João Pessoa Brésil

Eritrereto ho toy ny Zanak’Andriamanitra koa Ireo Hafa

Ianao no mifehy ny fomba fihetsikao amin’ireo zavatra hitanao. Tsy hoe misy zavatra mitranga eo dia tsy maintsy raketinao ao an-tsainao izany. Ianao no mifidy ny ao anaty eritreritrao; koa mifidiana ny hitazona azy ireo ho madio. Ialao ny fijerena zavatra tsy maotina arak’izay vitanao ary manaova fitafy maotina hatrany. Dia eritrereto fa ireo izay miresaka aminao dia zanak’Andriamanitra izay manana hery masina anaty, ary tian’ny Raintsika any an-danitra manokana. Rehefa mijery ny hafa amin’ny maha-zanak’Andriamanitra azy ireo aho dia tsy haiko ny tsy halahelo amin’ny fahitana ireo tsy fahamaotinana misy.

Amy S., 19 taona, Utah, Etazonia

Hamoaka printy