2010
Ho lasa Olona Tsara Toetra amin’Izao fotoana Izao
Aprily 2010


Miresaka Amintsika Izy ireo

Ho lasa Olona Tsara Toetra amin’Izao fotoana Izao

Avy tamin’ny “Be a Quality Person,” Ensign, Feb. 1993, 64–67; mari-tsoratra natao manara-penitra.

Sary
Elder Marvin J. Ashton

Ny hanana fiainana tsara no fanirian’Andriamanitra lehibe indrindra ho antsika. Ny fiainana dia natao hodiavina amin’ny fomba tsara na inona na inona toe-javatra iainantsika. Tsy misy andraso andraso fa tokony hanomboka hiaina izany isika. …

Tokony hiaina miaraka amin’ny fananana laharam-pahamehana sy tanjona tsara isika rehetra. Aza dia manaratsy loatra ny tenanao. Fa kosa, ny tenanao dia tombantombano amin’ny hoe miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ve ianao sa tsia.

Tiako ny fomba fiainana asehon’ ny namako, Carol Clark, … rehefa miteny izy fa ny fanambin’ny tena manokana dia tsy hoe miandry fahombiazana fa miaina amim-piroboroboana sy feno tanteraka ary amim-pifaliana. Ny tanjona dia tsy hoe hiandry ilay olona tena izy ho vadiana fa ho tonga olona azo vadiana.

“Ny tena mahafinaritra amin’ ny fiainana dia ny fihoarana ireo sakantsakana eo am-panantenana amin-kafaliana fa handeha tsara ny zava-drehetra. … Manaiky marina aho fa ny fiainana ireo nofinofiko tsy tanteraka dia nitondra fahatsapana feno fahatoniana sy fanetren-tena satria tena sarotra izany. Ary satria manana fitaovana entina hanaovana izany aho dia ny filazantsara, ary eo tokoa izany, dia afaka mivoatra aho, na dia mandrak’ankehitriny aza dia mbola tsy nahita ny olon-tiako aho—izay zavatra iray tena niriako fatratra mihoatra noho ny zavatra hafa teo amin’ny fiainana ankoatry ny fahamarinana. …

“Tamin’ny fotoam-pahavaratra lasa teo dia nitaraina tamin’ny namako izay tsy Olomasin’ny Andro Farany aho hoe leo ny tsy mahita fahafinaretana sy miaina sahala ireny solon’olombelona ireny. Novaliany tsy tamim-pangorahana akory hoe: ‘Fa inona izao aminao? Toy ny famerenana tantara an-dampihazo ve? Fiainanao izao ry Carol. Amboary izany.’ Mba niandry tambitamby sy teny mamy aho. Kanjo ny marina no novakiany bantsilana tamiko. Azo lazaina fa marina ny noteneniny. Tsy nanome lanja ny fiainako aho hany ka tsy tsapako fa manan-danja izany. Nody aho ary namerina namaky ilay fanoharan’ ny Mpamonjy mikasika ny mpamafy voa sy ny talenta, ary nanao fanovana teo amin’ny fiainako” (A Singular Life, ed. Carol L. Clark sy Blythe Darlyn Thatcher [1987], 35–36).

Ralahahy sy ranabavy, ovay ny fiainanao, raha izay no ilaina. Aza miandry. Fa fenoy asa fanompoana, fianarana, fivoarana eo amin’ny toetra, fitiavana ny olon-drehetra ary zavatra hafa izay manan-danja ny fiainanao. Miainà miaraka amin’ny fananana tanjona isan’andro. …

… Mamporisika anao aho mba hahafantatra ny Rainao any an-danitra. Tiavo Izy. Tsarovy lalandava fa tia anao Izy ary hanome anao fitarihana sy fanampiana raha toa ka hanome Azy fahafahana hanao izany ianao. Ataovy tafiditra ao amin’ny fanapahan-kevitrao Izy. Ataovy tafiditra ao amin’ny faharatram-ponao sy ny alahelonao Izy. Ataovy tafiditra ao amin’ny fanaovanao tombantombana ny tenanao Izy. “Fa indro, izao fiainana izao no fotoana ho an’ny olona mba hiomanana hihaonana amin’Andriamanitra; eny, indro, ny andron’izao fiainana izao no andro ho an’ny [lehilahy sy vehivavy] mba hanatontosany ny asany” (Almà 34:32).

Rehefa miezaka ny ho lasa olona tsara ianao dia milà hevitra amin’ny Rainao any an-danitra izay mahafantatra anao tsara mihoatra noho ny hafa. Fantany ny talenta sy ny tanjaka anananao, ary ireo fahalemenao. Eto an-tany ianao amin’izao fotoana izao mba hivoatra sy hanatsara ireo toetra ireo. Mampanantena anao aho fa hanampy anao Izy. Fantany ny zavatra ilainao.

Sary nataon’i Craig Dimond

Hamoaka printy