2010
Fitsapana ny Fahatokiana: Miainga amin’ny Tahotra ka ka Miafara amin’ny Finoana eo amin’ny Fanapahan-kevitra Hanambady
Aprily 2010


Fitsapana ny Fahatokiana Miainga amin’ny Tahotra ka Miafara amin’ny Finoana eo amin’ny Fanapahan-kevitra Hanambady

Avy tamin’ny fivoriam-bavaka natao tao amin’ny Oniveristen’i Brigham Young–Idaho tamin’ny 25 Septambra 2007.

Sary
Elder Lance B. Wickman

Taorian’ny nahazoako mari-pahaizana tany amin’ny oniversite tamin’ny 1964, dia voaantso ho miaramila manamboninahitra tao amin’ny Tafika Amerikana aho. Nilatsaka an-tsitrapo mba hanaraka fiofanana ho lasa miaramila kinga an’ady ao amin’ny tafika Amerikana aho. Ny fanofanana ho miaramila kinga an’ady dia fampianarana tena sarotra momba ny tetik’ady amin’ny fanafihana haingana ny fahavalo na rehefa misy fanafiha-miaramila tampoka sy vetivety. Ny tanjona dia ny hamokatra miaramila manamboninahitra manana fahaiza-manao avo lenta sy miaramila manamboninahitra lefitra.

Ny fanofanana ahy ho miaramila kinga an’ady dia ahitana karazana “fitsapana ny fahatokiana” araka ny fiantsoan’ny miaramila mpampianatra azy, izay mitohitohy ary natao ho fanamby ho an’ny hery ara-batana sy ny fahazakan’ny vatana ary ho an’ny fahasahian’ny tena. Ny lesona mifono olana manakantsakana, ny fiakarana sy fidinana amin’ny tady eo amin’ny tavan’ny vatolampy mijidina feno ranomandry izay mirefy 30 m na mihoatra izany, ny fandehanana amin’ny alina ao anatin’ny honahona izay ahitana voay sy bibilava misy poizina, sy ny fitadiavana ny lalana aleha mandritra ny alina hanivatsivana lalana mikitoantoana mirefy 16 km—ireo dia vitsivitsy monja amin’ ny fitsapana nandalovanay. Ny iray amin’ny tanjon’ireo fitsapana ny fahatokiana ireo dia ny hampianatra an’ireo miaramila kinga an’ady hoe ao anatin’ny toe-javatra sarotra sy mafy eo amin’ny ady dia afaka manao zavatra bebe kokoa mihoatra noho izay heverintsika fa azontsika atao isika. Nampianatra anay ireo mpitarika anay mba hanana fahatokiana ny tenanay sy ny fanofanana anay. Mihoatra ny indray mandeha aho no nisintona fananana toky avy tamin’ireo leson’ny fitsapana ny fahatokian’ny miaramila kinga an’ady nandritra ny fotoana niainako tena mafy indrindra tao anatin’ny ady.

Mandritra ny fiainana isika dia miatrika fitsapana ny fahatokiana hafa izay manan-danja kokoa noho ny zavatra niainako tany amin’ny fiofanana nataoko. Tsy dia fitsapana ny fahatokiana ny tenantsika loatra ireo fa kosa fitsapana ny fahatokiana an’ilay zavatra raisintsika amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanira. Nanome torohevitra antsika ny mpaminany nifandimby mba hitadidy ny zavatra fantatsika—mba hitazonana ny fahatokiana ny Tompo. Rehefa niezaka ny nampirehitra indray ny finoana tao amin’ny vahoakany i Jakôba, dia namerimberina nanambara tamin’izy ireo izy hoe: “Fantatro fa fantatrareo” (2 Nefia 9:4, 5; nampiana fanamafisana). Nivantambantana kokoa aza i Paoly nanao hoe: “Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe” (Hebreo 10:35; nampiana fanamafisana). Samy miatrika hoavy tsy fantatra isika tsirairay avy. Saingy rehefa miatrika izany isika, ka mahatadidy ny zavatra efa fantatsika, dia miatrika izany amim-pinoana. Miatrika izany amim-pifaliana isika. Miatrika izany amim-pahatokiana isika.

Ny iray amin’ireo fitsapana ny fahatokiana izay tena lehibe eto amin’ny fiainana an-tany dia mazàna atrehana mandritra ny vanimpotoana maha-tanora mpitovo. Izany dia ny fanapahan-kevitra hanambady. Tsy misy fanapahan-kevitra hafa izay raisin’ity taranaky ny tanora mpitovo ity amim-pahatahorana lehibe kokoa noho io. Lohahevitra miteraka fitaintainana lehibe izany.

Fahatahorana momba ny Fanambadiana

Tsy fantatro daholo ireo antony rehetra mahatonga an’izany saingy mino aho fa ireto ny sasantsasany amin’izy ireo:

  • Fahamoran’ny miarakaraka fotsiny amin’ny andian-jatovolahy sy zavotovavy namana fa tsy tena mampiaraka. Maro ireo tanora no efa “tsy ao anatin’ilay dingana arahana” hahitana ilay namana tena izy, noho ny fiarahana manao zavatra loatra miaraka amin’ny vondron’olona iray. Noho io fiarahana manao zavatra io izay miseho ao anatin’ny vondron’olona ifangaroan’ny lehilahy sy vehivavy, dia misy manana hevi-diso hoe tafiditra tsara ao anatin’ilay dingan’ny fanasivanana izy ireo izay tena ilaina ahitana ilay namana mandrakizay. Saingy tsy izany no izy. Ny fiarahana foana manao zavatra miaraka amin’ny vondrona iray dia mety hanala amin’ny olona iray ny fahafahany mandinika akaiky ny toetran’ilay olona iray manokana sy ny maha-izy azy izay tena zava-dehibe mba hahafahana manao safidy tsara.

  • Fahatahorana hanao fahadisoana. Efa fantatra tsara ny tahan’ny fisaraham-panambadiana. Ny tanora sasany dia niaina tao anatin’ny alahelo noho ny fahitany ny faharavan’ny fanambadian’ny ray aman-dreniny na ny namany na noho izy ireo efa tratran’ ny fisaraham-panambadiana. Niaina tsara ny ratram-po avy tamin’izany fisarahana izany izy ireo. Indraindray, ny vokatr’ireny dia mahatonga azy ireo hatahotra hanambady sao dia mifidy olona tsy izy.

  • Tanora mitsoaka andraikitra. Hita eo amin’ny olona vitsivitsy farafahakeliny ny tsy fahazotoana hampitambatra ny faniriany sy ny zavatra tiany amin’ny an’ilay olona iray hafa. Ny fitiavan-tena toy izany dia manana fomba fibitsihana ny sasany mba hanemotra ny fanapahan-kevitra hanambady.

Fomba Fisainana Diso

Na inona na inona antony mahatonga ny fahatahorana handray fanapahan-kevitra hanambady, dia mitondra any amin’ny fomba fisainana diso sy ny “fahaverezan’ny” fahatokiana izany. Izany avy eo no mahatonga ny tsy fahafahan’ny olona iray hahatakatra mazava tsara ny andraikiny amin’ny fandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Na dia tsy miteraka fanemorana na fialana amin’ny fanambadiana aza ny tahotra toy izany dia mety hitondra any amin’ny fahadisoana hafa. Ohatra, ny sasany dia mirona amin’ny fandraisana izany fanapahan-kevitra izany ho zava-panahy tanteraka fotsiny. Rehefa tsy mahavita ilay andraikiny tamin’ny fanarahana ireo dingana izy ireo, dia miandry zavatra hafa mitovy amin’ny hoe ny rantsantanan’Andriamanitra no hanoratra ny valiny eo amin’ny rindrina, na hisaraka ny ranomasina, na ho an’ny hafa dia hisy zava-mitranga mihoatra ny herin’olombelona izay hilaza amin’izy ireo mazava tsara fa i Ranona no ilay “izy.”

Ny sasany dia mitady olon-kafa handray fanapahan-kevitra eo amin’ny toerany. Ny filohan’ny tsatòka iray tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young dia nilaza tamiko fa tsy mahagaga ny mahita vehivavy sasany izay miantehitra amin’ny hevitr’ilay lehilahy iray miaraka aminy izay nilaza taminy fa “izy no izy.” Ny hafa dia miantehitra amin’ny hevitry ny ray aman-dreny—matetika ny ray—izay efa nandray fanapahan-kevitra ho azy ireo tany aloha. Ao anatin’ireo ohatra anankiroa ireo, dia ahitana ny fialana andraikitra eo amin’ny fanaovana ilay safidy lehibe indrindra ataon’ny olona iray eto amin’ity fiainana ity.

Mety hanan-danja ny torohevitra avy amin’ ny ray aman-dreny sy ny eveka ary ireo olona mendrika hafa. Saingy amin’ny farany dia tsy misy na iza na iza afaka—na tokony—hiteny aminao izay tokony hatao. Ilay hoe iza no hovadiana dia fanapahan-kevitra iray tena an’ny tena manokana mihitsy.

“Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe!” Tadidio fa rehefa tonga teto amin’ity fiainana ity isika dia azo lazaina efa voatefy mba hiraiki-pitia. Aza hasarotina izany! Tsarovy ny zavatra fantatrao, ary mandrosoa hatrany amim-pahatokiana ny Ray any an-danitra sy ny tombontsoa anananao amin’ny maha-zanakalahy na zanakavaviny anao.

Torohevitra momba ny Fihontihontiana

Ny fihontihontiana dia fotoana hifankahafantaran’ny olona anankiroa. Fotoana ahafantarana olona sy ny zavatra mahaliana azy izany, ary ny fahazarany sy ny tanjony eo amin’ny fiainana sy ny filazantsara. Fotoana hifampizarana ny zavatra tiana hotratrarina sy ny nofinofy ary ny fanantenana sy ny tahotra izany. Fotoana hitsapana ny fanoloran-tenan’ilay olona eo amin’ny fiainana ny filazantsara izany.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nitantara momba ny tovolahy iray avy nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana maharitra izay niaraka tamin’ny tovovavy iray tena niavaka. Nikarakara mafy azy tokoa izy ary tena vonona ny hangata-bady azy. Izany dia taorian’ny nanoroan’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) hevitra ny tovovavy mba tsy hanao afa-tsy kavina iray ihany amin’ny sofina tsirairay. Niandry tamim-paharetana nandritra ny fotoana ela ity tovolahy ity hoy ny Loholona Bednar, mba hanalan’ilay tovovavy ny kavina fanampiny izay nanaovany. Saingy tsy nitranga izany. Noho izany sy antony maro hafa, dia nijanona tsy niaraka taminy intsony izy, tao anatin’ny alahelo.

Raha nitantara izany zava-niseho izany ny Loholona Bednar dia nilaza hoe: “Mino aho fa ny sasany aminareo … dia mihevitra hoe diso be fanakianana loatra ilay tovolahy, na hoe ny fanankinana ny fanapahan-kevitra iray manan-danja mandrakizay, na dia amin’ny ampahany aza, amin’ny zavatra izay azo lazaina fa tena bitika toy izany dia hadalana sy fiziriziriana loatra amin’ny hevitra iray. Mety ho sorena ianareo satria ilay ohatra dia nifantoka tamin’ny tovovavy iray izay tsy nanaraka ny torohevitry ny mpaminany fa tsy tamin’ny tovolahy iray. [Saingy tiako hotsindriana aminareo fa] tsy resaka kavina ilay olana!”1

Ity misy torohevitra iray hafa. Ao anatin’izany fotoana hihontihontiana izany, dia mitandrema mba tsy hampifototra tsotra fotsiny ny fandanjalanjanao amin’ny fijerena maimaika ireo fepetra vitsivitsy fenon’ilay olona fa tsy amin’ny fiezahanao hahamantatra azy tsara.” Ny tiako holazaina amin’izany dia aza mampifototra fotsiny ny fanapahan-kevitrao amin’ny hoe, efa nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana maharitra ve izy, na moa ve manana antso izao na izao izy ao amin’ny paroasinao. Ireo zavatra ireo dia mety sy tokony ary mazàna famantarana ny fanoloran-tena sy ny fahatokiana ary ny fahamasinana. Nefa tsy voatery izany foana. Izay no antony ilana ny fifankahafantaranareo. Fantaro tsara ny olona iray mba hahalalana ny tena toetrany fa tsy “ny karazana antso efa nananany.”

Ity misy hevitra mifandray amin’izany: aza mitsara olona alohan’ny ahafantaranao azy tsara. Ny fitsikerana natao maimaika dia zavatra diso sy mamitaka tsy misy hafa amin’ny filazana zavatra tsara natao maimaika ihany. Mba jereo tsara ny fahamendrehan’ilay olona ao anatiny, toy ny hitandremanao tsara tsy ho voafitaky ny bika aman’endrika ety ivelany ihany.

Mivavaha momba Izany

Raha tsy efa aorian’ny nampiasanao ny fandanjalanjanao manokana sy ny fieritreretanao tsara momba ny fiarahanao tamin’ilay olona tao anatin’ny fotoana ampy, izay vao tokony hivavaka hahazo fanamafisana ianao. Tsarovy fa, toy ireo fanapahan-kevitra manan-danja hafa rehetra, ny fanambadiana dia safidinao. Ny Tompo dia manantena anao hampiasa ny fahaizanao mandanjalanja. Araka ny nambarany tamin’i Oliver Cowdery hoe: “Indro, tsy azonao; noheverinao fa homeko anao izany, rehefa tsy nanana eritreritra afa-tsy ny hangataka izany Amiko ianao” (F&F 9:7). Rehefa manao ny anjaranao ianao amin’ny alalan’ny fanaovana fihontihontiana araka ny tokony ho izy ary manandrana ny mandray fanapahan-kevitra dia manàna fahatokiana ny Ray any an-danitra fa hamaly ny fitalahoanao Izy.

Manantena anao mba hampiasa saina tsara ny Tompo. Izy dia manantena anao hiantehitra amin’ilay fahatsapana fifampisarihana ara-boajanahary misy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy izay napetraka tao anatinao hatrany am-pahaterahana. Raha vao lasa akaikin’ny lehilahy iray na vehivavy iray ianao, ary efa nankafy fotoana misimisy ninamanana—nihontihontiana—taminy, ary afa-po fa mitovy ny fitsipika arahanareo ary izy dia olona izay hahafaly anao ny fizarana aminy ilay fifandraisana akaiky sy lalina indrindra—dia apetraho eo amin’ny Ray any an-danitra izany avy eo. Ny tsy fisian’ny fahatsapana mifanohitra amin’ny zavatra efa tsapanao manokana dia mety ho fomba hilazany aminao fa tsy manana olana amin’ny safidinao Izy.

Manàna Fahatokiana amin’ny Tompo

Taona maro izay no lasa hatramin’ilay fotoana mafy nanaovako fiofanana ho miaramila kinga an’ady. Betsaka ny zavatra efa niainako taorian’ireo fitsapana ny fahatokiana tamin’ny fotoana naha-miaramila ahy. Saingy mbola mitoetra ny fahatsiarovana izany sy ny lesona avy amin’izany. Vitantsika ny mizaka ny olan’ny fiainana sy manao izany amin’ny fomba tsara kokoa mihoatra noho izay noeritreretintsika. Mila mahatadidy foana ny zavatra fantatsika fotsiny isika.

“Koa aza manary izay fahasahianareo izay misy valiny lehibe.” Manàna fahatokiana amin’ny zavatra izay fantatrao! Dia hahafeno ny fepetran’ny fitsapana ny fahatokianao amim-pahasahiana sy amim-pahasoavana ianao, ary azo antoka fa hitantana ny lalanao ny Tompo.

Fanamarihana

  1. David A. Bednar, “Quick to Observe,” Liahona, Des. 2006, 17.

Sary nataon’i Dilleen Marsh

Ny fiarahana foana manao zavatra miaraka amin’ny vondrona iray dia mety hanala amin’ny olona iray ny fahafahany mandinika akaiky ny toetran’ny olona iray manokana sy ny maha-izy azy izay zava-dehibe tokoa mba hahafahana manao safidy tsara.

Mila mifankahafantatra ianareo. Fantaro tsara ny olona iray mba hahalalana ny tena toetrany fa tsy “ny karazana antso efa nananany.”

Hamoaka printy