2010
Alahady Vao Maraimbe
Aprily 2010


Alahady Vao Maraimbe

Mifoha vao maraimbe ary mandeha tongotra lavitra ireto zatovolahy avy any Fidji ireto kanefa dia mazoto ery izy ireo manao ny adidiny.

Sary
Charles W. Dahlquist

Tonga ny Asabotsy hariva ao amin’ny paroasin’i Waila ao amin’ny tsatòkan’i Nausori ao Fidji. Tontosa ny andraikitra tokony ho tanterahina amin’izany andro izany ary avy nanomana ny andro Sabata ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna ka niara-nivory tao amin’ ny tranon-dRahalahy sy Ranabavy Maiwiriwiri tamin’izany fotoana izany. Fotoana iray ahafahan’izy ireo hisakafo maivana alohan’ny hanombohan’izy ireo ny fifandian-kanina izany—izay arahin’ny fatoriana amin’ny tsihy ao amin’ny tranon-dry Maiwiriwiri.

Manomboka aloha be ny marainan’ireto zatovolahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna ireto. Vao mangiran-dratsy dia mitsangana haingana izy ireo, mampiditra ny lobaka fotsy sy ny pataloha matroka, ary mandrapahatongan’ny amin’ny 6:00 maraina dia efa tafavoaka ny tranon-dRahalahy sy Ranabavy Maiwiriwiri izy ireo mandeha tsiroaroa—toy ny misiônera. Samy manana ny lalana halehany ny tsirairay avy amin’ireo mpinamana ireo alohan’ny hahatongavany any amin’ny trano fivavahana amin’ny 10:00 maraina, fotoana izay hanombohan’ny fivorian’ ny fisoronana. Ny andraikitr’izy ireo dia ny mandeha any amin’ny tokantranon’ny mpikambana tsirairay amin’ny lalany ary manasa azy ireo handrotsaka ny fanomezan’ny fifandian-kanina.

Ireto zatovolahy ireto dia mandeha tongotra 5 km avy any amin’ ny tranon-dry Maiwiriwiri izay any amin’ny faran’ny sisiny irain’ny faritry ny paroasy, mankany amin’ny trano fivavahana izay any amin’ny faran’ny sisiny iray hafan’ny faritry ny paroasy. Fotoana ahafahan’izy ireo manatanteraka ny andraikiny izany ary hanasa ireo mpikamban’ny Fiangonana handray anjara amin’ny asa lehibe ho fanampiana ireo mananotena sy ireo rahalahiny sy anabaviny amin’ny fandrotsahana ny fanomezan’ny fifandian-kanina. Nilaza ny Filoha Alipate Tagidugu ao amin’ny tsatòkan’i Nausori ao Fidji fa vokatr’izany ezaka nataon’ny Fisoronana Aharôna izany dia niakatra hatrany amin’ny 20 isan-jato ny fandrotsahana natao tamin’ny fanomezan’ny fifandian-kanina.

Ny tena zava-dehibe koa dia ny fahafahan’ireto zatovolahy ireto manatanteraka ny adidiny sy manampy ny mpikambana ao amin’ny paroasy hitandrina ny fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa:

“Satria maniry ianareo ny ho tonga ao amin’ny valan’Andriamanitra sy hantsoina hoe vahoakany ary te hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany;

“Eny, ary te hiara-malahelo amin’izay malahelo; eny, ary hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra izay mety hisy anareo, na dia hatramin’ny fahafatesana aza, mba hahatonga anareo ho voavotr’Andriamanitra ary ho voaisa miaraka amin’ireo ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany, ka hahazoanareo ny fiainana mandrakizay” (Môsià 18:8–9).

Tsy enta-mavesatra fa fitahiana ho an’ireto zatovolahy ireto ny fanangonana ny fanomezan’ny fifandian-kanina. Amim-pifaliana tokoa no hanaovan’izy ireo ny lobaka fotsy sy ny karavato, hifohazany maraina be, ary handondonany amin-tsitrapo ny varavaran’ireo mpikambana vao manomboka ny maraina mba hanasana azy ireo handray anjara amin’ny fitahiana izay azo avy amin’ny fanomezana amim-pahalalahan-tanana ny fanomezan’ny fifandian-kanina.

Eo am-pijerena ireto zatovolahy miomana sy manatanteraka ny adidin’ ny fisoronana ireto aho dia lasa saina mieritreritra ny fitahiana sesehena ho azon’izy ireo mandritry ny fiainany noho ny fahatakarany ny lanjan’ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fanasana ireo mpikamban’ny Fiangonana hanatona bebe kokoa ny Mpamonjy amin’ny fanaovana ny fanomezan’ny fifandian-kanina. Ho mpitory ny filazantsara tsaratsara kokoa izy ireo amin’ny hoavy, ary ho vady sy ray tsaratsara kokoa vokatry ny asa nataon’izy ireo tao amin’ny fisoronana.

Hahatakatra tsaratsara kokoa ity soratra masina mikasika ny vahoakan’ny Tompo ity izy ireo, izay manao hoe: “Ary ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i ZIONA, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina ary niaina tamim-pahamarinana; ary tsy nisy mahantra teo anivony” (Mosesy 7:18).

Tena fitahiana ny an’ireto mpihazona ny fisoronana ireto noho ny fahafantarany fa nanasa ny mpikambana hanatona akaikikaiky kokoa ny Mpamonjy izy ireo.

Manomboka vao maraina be ny andron’izy ireo, kanefa dia amim-pitsikitsikiana no handehanan’ireto zatovolahy ireto miala any amin’ny faritra faran’ny sisiny irain’ny paroasy mankany amin’ ny faritra faran’ny sisiny ilany iray hafa, mba hanangona ny fanomezan’ny fifadian-kanina eny amin’izay lalovany.

Fidji

Nouvelle Zélande

Australie

Sisiny: sary © Dynamic Graphics, Inc.; sary nalain’i Talat Mehmood; sarintany namboarina avy tamin’ny alalan’ny Map Resources

Hamoaka printy