2010
Fihin-tsandrin’ny Ray
Aprily 2010


Ahoana no Ahafantarako

Fihin-tsandrin’ny Ray

Maty ny raiko fony aho fito taona. Ny fiahiahiana vokatr’izany dia saika nanakana ahy tsy hahatoky ny Raiko any an-danitra.

Efa hivoaka ilay fety ny fianakaviako kanefa izaho mbola te-hanao roller. Nofihinin’ny raiko aho no sady nanontaniany raha mbola te-hijanona aho ka hoentiny hanao roller.

“Tsia!” Hoy aho namaly tamin-katezerana.

“Afaka matoky ahy ianao,” hoy izy.

Te-handeha ny hafa ka dia namonjy ny fiaranay izahay. Tratran’ny lozam-piarakodia izahay folo minitra taty aoriana. Tamim-pahagagana no nahavelona ahy fa ny raiko kosa maty. Ilay “tsia!” no zavatra farany nolazaiko taminy, ary izy no olona farany nofihiniko nandritry ny taona maro.

Nitotongana ny fiainako nandritry ny 11 taona taorian’izany. Tsy nahatoky tena intsony aho ary nanomboka tsy nahatoky ny hafa ihany koa. Tsy nisy fifaliana ny fiainako hany ka indray andro fony aho 18 taona dia tafalatsaka tanteraka tao anatin’ny vesatry ny fahadisoam-panantenana ka niangavy tamin’Andriamanitra mba hampiseho ahy ny lalana hananana fiainana feno fifaliana.

Herinandro taty aoriana dia nanatona ahy ny misiônera anankiroa. Nampiseho boky iray izay tamiko izy ireo ary nilaza tamiko ny tokony hivavahako mba hahazoako fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany. Toa zavatra bitika ny nangatahin’izy ireo tamiko kanefa ny ratra navelan’ny fahafatesan-draiko dia lalina tokoa ary noraisiko ho kisendrasendra ihany ny fihaonako tamin’ireo misiônera fa tsy toy ny valin’ny vavaka avy tamin’Andriamanitra izay tia ahy.

Na dia izany aza dia namaky ny Bokin’i Môrmôna aho ary nivavaka mba handray valiny mikasika izany—na dia tsy tamim-piniavana aza. Sady midika rahateo izany fa mila matoky an’Andriamanitra aho, hamihina Azy sy handray ny valinteny homeny. Toa mora ny manaiky ireo tsikera miantefa amin’ny Fiangonana. Ary fantatro ihany koa fa ireo olona lehibe malaza maro teo amin’ny tantara izay nampahafantarina ahy tany an-tsekoly dia manana ny tsininy avokoa. Ahoana raha toa ka sahala amin’izy ireny fotsiny koa i Joseph Smith?

Tamin’ny farany anefa dia natao batisa sy noraisina ho mpikambana ihany aho. Fantatro fa nila fitarihana aho teo amin’ny fiainako ary tiako koa ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy. Kanefa tsapako ankehitriny fa tsy nanana fijoroana ho vavolombelona marina aho tamin’izaho lasa mpikamban’ny Fiangonana, fijoroana ho vavolombelona izay mahamay ao am-po. Ny finoana nananako dia vokatry ny fahatsapako fa lainga marivo tototra ireo tosa-kevitra ataon’ireo mpanenjika ny Fiangonana. Kanefa noho ny tsy fahatokiana nananako dia tonga tamin’ny fotoana nahatsapako aho fa ny fihazonana izany finoana izany dia sarotra tamiko. Nanomboka tao anatin’ny tsy fahampian’ny fahatokiako sy ny tsy fananako fifaliana ny fianarako momba ny Fiangonana tamin’ny voalohany, ary dia mbola niverina tafalatsaka tao anatin’izany toe-javatra izany indray aho.

Noho izany dia nandray fanapahan-kevitra lehibe aho: Hivavaka aho fa amin’ity indray mitoraka ity dia hataoko tahaka ilay famporisihin’i Môrônia izany, izany hoe amin’ny “finoana an’i Kristy,” “omban’ny tena finiavana,” ary “amin-kitsimpo” (Môrônia 10:4). Tamin’ilay andro nosafidiako hanaovana izany dia nifady hanina sy nivavaka aho mba handraisako fitarihana. Nolaniako tamin’ny fisaintsainana ny zava-drehetra nitranga tamiko ny tontolo andro manontolo.

Nandohalika teo akaikin’ny fandrianako aho tamin’izany alina izany. Tamim-panondrehana ny lohako no nangatahiko tamin’ny Ray any an-danitra mikasika ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Nanomboka nahatsiaro ireo ahiahiko rehetra ny saiko. Nakimpiko ny masoko, nofeheziko mafy ny tanako, ary nanontany indray ny Mpamonjintsika—tamin-kitsimpo, tamim-piniavana ary tamim-pinoana aho.

Toy ny nisy fiatoana teo amin’izao tontolo izao. Nahatsapa hafanana aho ary toa voahodidin’ny hazavana. Nandritry ny 11 taona maninjitra izay no nikarohako izany ka farany dia nofihinin’ny ray iray indray aho—dia ilay Ray any an-danitra. Nahita olona azo itokisana ihany aho tamin’ny farany. “Eny,” hoy aho, tamin-dranomaso nanenika ny tavako, “Matoky Anao aho.”

Sary nataon’i Doug Fakkel

Hamoaka printy