2010
Manao ho Lohalaharana ny Fanambadiana any amin’ny Tempoly
Aprily 2010


Manao ho Lohalaharana ny Fanambadiana any amin’ny Tempoly

I Vitaly dia teraka tany Omsk, Russie, ary i Ekaterina (Katya) Shmakov dia teraka tany Yekaterinburg, Russie. Samy lasa mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo tao anatin’ny fahatanorany ary samy nandeha nanao asa fitoriana nandritra ny fotoana maharitra—I Vitaly dia tany amin’ny Misiônan’i Prague République Tchèque ary i Katya dia tany amin’ny Misiônan’i Novosibirsk any Russie. Nolazain’izy ireo fa ny fiovam-pony dia nanokatra ny sainy fa izy ireo dia manana fahafahana hanana fiainana sambatra, feno fahatokiana sy feno fahatanterahana, ary ny asa fitoriana nataony dia nanamafy orina ny fanirian’izy ireo hanorina tokantrano mifototra amin’ny filazantsara, izay atomboka amin’ny fanambadiana any amin’ny tempoly. Ity ny tantaran’izy ireo.

Vitaly: Rehefa tafaverina amam-bolana vitsivitsy avy nanao asa fitoriana aho, dia nangatahana mba ho mpanolotsaina mandritra ny fihaonamben’ny tanora teo an-toerana. Niantso ahy ho any amin’ny biraony i Steven C. Smith, filohan’ny Misiônan’i Novosibirsk Russie. Nihevitra aho fa mety hahazo antso vaovao na hanao karazana dinidinika araka ny fomba fanao. Tsy izany anefa fa ny Filoha Smith dia niresaka tamiko momba ny olona iray izay tiany hihaona amiko—tovovavy iray nahavita ny asa fitoriany vao haingana ary nody tany amin’ny faritra hafa iray any Russie saingy hiakatra an-tanàna mandritra ilay fihaonambe.

Mbola tsy nahita an’i Katya aho hatramin’izay, saingy raha vao tonga tao amin’ny fihaonambe aho dia nampahafantatra ny tenako ary niresaka tsotsotra nandritra ny minitra vitsy izahay. Rehefa nihanandroso ny alina dia nangataka an’i Katya aho mba handihy. Nangataka azy handihy indray aho ny ampitson’iny.

Katya: Rehefa nihalehibe aho dia tsy nahalala tanora mpitovo mpihazona ny fisoronana firy loatra, saingy nanantena foana aho fa ny Tompo dia hanome ahy tovolahy mendrika iray izay hanambady ahy. Tsy fantatro velively hoe rahoviana no hihaona izahay na ahoana no fomba hihaonanay, saingy nanana fahatokiana ny Tompo sy ny fampanantenany aho.

Taorian’ny fahavitan’ny asa fitoriana nataoko, dia nasaina aho mba hanampy amin’ny fiambenana ny tanora mandritra ny fihaonamben’ny zatovo. Rehefa hitako tany amin’ilay fihaonambe i Vitaly, dia tonga dia liana te-hahafantatra azy aho. Samy niaina telo andro tena nahafinaritra sy tsy hay hadinoina izahay nandritra ny fihaonambe.

Nahatsapa bitsika mahery vaika mialoha aho fa i Vitaly no ilay lehilahy ho vadiko. Mazava ho azy fa tsy ny olona rehetra no hanana izany karazana fahatsapana izany raha vao manomboka kely fotsiny ny fihontihontiana. Noho izany dia ahoana no ahafantarantsika fa mandeha amin’ ny lalana marina isika? Nandritra ny nanaovako asa fitoriana dia nianatra nahafantatra ny Fanahy aho sy nanaraka tsy am-pihambahambana ny fitarihany. Noho izany rehefa naheno bitsika aho fa mila mahafantatra an’i Vitaly, dia nanapa-kevitra ny hanaraka izany.

Fantatro fa hitarika antsika rehetra ny Fanahy raha toa ka mikatsaka azy ho namana isika. Zava-dehibe ny tsy mampitovy ny lalantsika amin’ny an’ny hafa—mety tsy hitarika antsika rehetra amin’ny fomba tena mitovy ny Fanahy—saingy rehefa manaraka ny Fanahy isika dia afaka manana fahatokiana fa mety ho antsika ny lalana arahintsika.

Mandresy ny Sakana

Vitaly: Nandritra ireo telo andro ireo, dia nahatsapa aho fa nahita olona iray tena niavaka. Nangasihasy aho rehefa tapitra ny fihaonambe ka tsy maintsy hifandao izahay sy i Katya. Soa ihany anefa fa nisy fihaonamben’ny tanora mpitovo ny volana nanaraka izany. Tonga dia nanomboka niandrandra an’izany aho.

Tena nahafinaritra araka ny nantenaiko ilay fihaonambe. Nandany fotoana maro izaho sy i Katya mba hifankahalalanay tsara. Rehefa tapitra ny fotoana dia samy nifanome nomeraon’ny telefaona izahay ary samy niverina nody tany amin’ny tanàna nisy anay avy.

Nandritra ireo herinandro taorian’izany dia nifandray tamin’ny alalan’ny antso an-tariby sy ny fandefasana hafatra izahay. (Raha ny eritreritro dia vitako tao anatin’ny iray volana latsaka ny nianatra nandefa hafatra tamin’ny alalan’ny finday haingana kokoa noho ny hafainganan’ ny fanoratan’ny ankamaroan’ny olona amin’ny solosaina azo entina mandehandeha!)

Nipetraka tany Yekaterinburg i Katya, izay adiny 11 raha mandeha fiarandalamby, miala eo amin’ny toerana hipetrahako any Omsk, Sibérie. Na dia izany aza, dia samy mbola te hihaona mafy indray izahay roa. Nanomboka nandeha nanao dia tsy tapaka isaky ny faran’ny herinandro izahay. Mandeha mamangy azy aho ny faran’ny herinandro anankiray, dia mandeha mamangy ahy indray izy herinandro vitsivitsy aty aoriana. Rehefa mamangy an’i Katya aho dia mipetraka any amin’ny namanay iray ao an-tanàna, ary rehefa mamangy ahy izy dia mipetraka any amin’ny namanay ao an-tanàna. Matetika izahay manokana fotoana iarahana amin’ireo namana avy ao am-piangonana ireo mandritra ny fifamangianay.

Katya: Mety ho toy ny dia tena lavitra ny fahitana izany adiny iraika ambin’ny folo izany, saingy toy ny dia an-tongotra kely fotsiny izany ho an’i Russie! Noho ny halaviran-toerana dia tsy matetika araka ny hitiavanay azy ny fiarahanay. Tsy afaka niaraka raha tsy isaky ny herinandro vitsivitsy fotsiny izahay ary mandany roa na telo andro iarahana alohan’ ny hiverenan’ny iray aminay any an-tranony. Tsapa matetika fa mila fotoana bebe kokoa mihoatra noho izany izahay ary mafy foana ny fisarahana. Saingy noho izahay tsy maintsy manao ezaka be vao afaka mihaona dia tena nankafizinay ny minitra tsirairay izay niarahana. Rehefa nivoatra ny fiarahanay dia nanomboka niandrandra ilay fotoana izay tsy ilana hitenenana intsony hoe veloma izahay.

Tena nahaliana sy nahitana zavatra samihafa ny fiarahanay: nandeha nitaingina bisikileta sy soavaly, nitsidika tranombakoka, namaky soratra masina, nahandro sakafo, nandehandeha tany amin’ireo saha fitsangantsanganana (nandihy mihitsy aza izahay tao anatin’ny iray tamin’izany), ary nandeha tany amin’ny toby mitaiza zazakamboty mba hanompo sy hilalao amin’ireo ankizy.

Isaky ny mihaona izahay dia manao zavatra vaovao, ka tena faly izahay. Tena isaorako ny fahaizan’i Vitaly mikarokaroka rehefa manomana zavatra atao mandritra ny fiarahanay izy. Ireo zavatra nomaniny dia nanampy anay tena hifankahalala marina.

Vitaly: Noho izaho mbola mpianatra dia tsy nanana fahafahana ara-bola hanaovana zavatra mampiala voly maro loatra. Ny ankamaroan’ny volako dia nolaniako tamin’ny fandehanana mankany amin’i Katya sy ny fandoavana ny saran’ny fampiasana telefaona. Saingy ny fahakelezan’ny vola dia tsy midika fa tsy nankaiza loatra na tsy namokatra ny fiarahanay. Raha ny marina dia ny sasany tamin’ireo fotoana tsra indrindra nampiarahanay dia tsy nandaniana vola na iraimbilanja aza.

Mety toy ny hoe hafahafa ity zavatra ity, fa te hahita ny fihetsik’i Katya miaraka amin’ny ankizy aho, ka dia nankany amin’ny toby mitaiza zaza kamboty izahay. Izany no fisehon’ny ankamaroan’ny fampiarahanay. Tena niezaka ny hifankahalala araka izay tratranay izahay.

Miaina araka ny Fomban’ny Tompo

Vitaly: Any Russie, toy ny any amin’ny toerana maro, dia toy ny fitsipika efa mipetraka ho an’ny olona ny fiarahan’olon-droa mipetraka alohan’ny hanambadiana. Taorian’ny nangatahako an’i Katya ho vady, dia nisy namako sasany izay nanontany hoe ahoana no ahafahako manambady azy raha tsy mahalala mialoha aho hoe olona roa afaka miaraka tsara ve izahay. Niezaka nandresy lahatra izy ireo, ary maro no nanao izany koa tamin’i Katya, fa ny hany lalana ahafantarana marina raha izy no izy, dia ny miara-mipetraka aminy mandritra ny fotoana elaela.

Nolazaiko izy ireo fa tsy mila miara-mipetraka amin’ny olona iray vao mahafantatra azy. Niezaka koa aho nanazava tamin’ireo namako tamin’ny fomba hahatakarany azy fa efa nivavaka aho ary nahazo valiny fa tokony hanambady an’i Katya. Noho ny fitondrako am-bavaka ny fanapahan-kevitro, dia tsy natahotra momba ny fiainana rehefa manambady aho. Tena faly aho ary nahatsapa toy ny fiainana vaovao tanteraka izay navelatra teo anoloako. Tsy nisy na iza na iza nanohitra na nitsikera ahy noho ny fiarovana izany fanapahan-kevitra izany. Raha ny marina dia nanohana ahy tamin’ny fanapahan-kevitro izy ireo.

Katya: Rehefa nangata-bady ahy i Vitaly, dia niezaka ny ray aman-dreniko mba hanakana ahy tsy hanambady. Nihevitra izy ireo fa aloha loatra ho anay ny hifamofo ary mila mahafantatra bebe kokoa an’i Vitaly mihoatra noho ny efa fantatro aho. Ny talen’ny orinasako dia niteny zavatra mitovy amin’izany ary nanampy hoe: “Mila miara-mpietraka ianareo alohan’ny hanaovanareo safidy toy izany.”

Malahelo aho fa izany no tsapan’ny olona momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Mihevitra aho fa tsy takatr’izy ireo ny hafalian’ ny olon-droa rehefa manambady sy fehezina any amin’ny tempoly. Ilay fitiavana sy fifaliana lehibe izay tsapanay sy i Vitaly dia lasa nihamafy orina kokoa aza noho ny fahafantarana fa nofehezina mandrakizay izahay.

Vitaly: Nivady izahay sy i Katya tamin’ny 25 Febroary 2006 tany Omsk. (Ny lalàna any Russie dia mitaky ny fanambadiana ara-panjakana alohan’ny famehezana any amin’ny tempoly toy ny any amin’ny firenena maro.) Ny ampitson’io dia nandeha nanainga hanao dia hankany amin’ny Tempolin’i Stockholm Suède izahay. Nandray fiaramanidina iray teo Omsk izahay nanidina nandritra ny adiny telo hatrany Moscou, izay toerana nijanonanay nandritra ny andro tontolo. Dia avy eo izahay nandray fiarandalamby mandeha amin’ny alina nankany Saint Pétersbourg. Rehefa tonga tany izahay dia nandray fiara fitateram-bahoaka niaraka tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany maro hafa ary nanao dia nandritra ny adiny valo nankany Helsinki, Finlande. Ny ampahany farany tamin’ny dianay dia ny fandehanana sambo mandritra ny adiny 11 nankany Stockholm.

Tonga tany amin’ny tempoly izahay nony farany.

Mety ho toy ny fanamby ny fanaovana dia lavitra toy izany ho an’ny sasany, saingy tamin’ny lafiny rehetra ilay dianay namakivaky an’i Eorôpa dia toy ny diavolan-tantely nahafinaritra.

Ny andro namehezana anay, ny 1 Marsa 2006, dia andro lehibe-andron’ny fiadanana sy ny fahatokiana. Fantatro fa ilay olona izay notazoniko tanana no ilay hifampizara ny mandrakizay amiko. Izany eritreritra izany fotsiny dia nanome ahy filaliana sy fankasitrahana lehibe ho an’ny Ray any an-danitra noho ny nanomezany ahy an’ilay zanakavaviny mba ho vadiko. Nahatsapa ho akaiky kokoa Azy aho mihoatra noho ny teo aloha.

Mikatsaka ireo toetra tahaka ny an’i Kristy

Katya: Manan-janaka vavy kely izaho sy i Vitaly ankehitriny. Tena mahafatifaty izy Tiako hanambady any amin’ny tempoly izy indray andro any ary ny fanohanana tsara indrindra azonay homena azy dia ny mba ho mpivady sy ray aman-dreny be fitiavana.

Manantena aho fa hahita mpihazona ny fisoronana mendrika izy izay manana toetra maro tahaka ny an’i Kristy. Ny fahitako ireo karazana toetra ireo teny tamin’i Vitaly no nanampy ahy hahafantatra fa afaka hanambady azy aho.

Inona no nahasarika ahy teo amin’i Vitaly? Marina aloha fa mahafatifaty sy marani-tsaina izy, ary hainy ny mihontihonty amin’ny vehivavy. Saingy tsy ireo akory no fepetra lehibe fototra. Izy dia nanana ilay tiako antsoina hoe “fijerin’ny mpanara-dia an’i Kristy.” Nahatsapa hazavana tao anatiny aho. Mpihazona ny fisoronana mendrika izy.

Vitaly: Mazava ho azy fa tena tsara ny manambady olona iray izay mahasarika anao. Saingy raha vao ny toe-batana fotsiny no ifantohantsika dia tsy azo ihodivirana fa tsy ho fantatsika ireo toetra tena manan-danja indrindra—ny maha-izy azy, ny fiainam-panahiny ary ny toetra tsara hafa izay tena manan-danja ao anatin’ny fanambadiana maharitra.

Tsapako fa mety ho fanamby ho an’ny tanora zokiny ny fitadiavana vady ao am-piangonana satria tsy dia maro ny Olomasin’ny Andro Farany any amin’ny toerana ipetrahany. Miara-malahelo amin’izy ireo aho. Na dia izany aza dia fantatro fa na inona toe-javatra iainantsika dia afaka manome lalana iray ho antsika ny Ray any an-danitra rehefa manao ny anjarantsika isika sy miomana mba hofehezina any amin’ny tempoly.

Ankavanana: Ry Shmakov mivady tamin’ny andro namehezana azy tamin’ny 2006; ny diany nankany amin’ny Tempolin’i Stockholm Suède dia naharitra eo amin’ny adiny 30 eo.

Ankavia: Ankehitriny dia manan-janaka vavy kely ry Shmakov mivady. Hoy i Katya hoe: “Tiako hanambady any amin’ny tempoly izy indray andro any ary ny fanohanana tsara indrindra azonay omena azy dia ny mba ho mpivady sy ray aman-dreny be fitiavana.”

Sarim-pianakaviana nahazoana lalana tamin-dry Shmakov

Hamoaka printy