2010
Miditra ao amin’ny Toerana Iray Tsara Tarehy
Aprily 2010


Miditra ao amin’ny Toerana Iray Tsara Tarehy

Joanna Velayo-Munda, Philippines

Talohan’ny naha-mpikambana ahy tao amin’ny Fiangonana, dia nipetraka tany akaikin’ny Tempolin’i Manille Philippines aho. Isaky ny nandalo izany aho dia nitolagaga tamin’ny famirapiratan’ilay tranobe tsara tarehy. Tsy hitako velively ny anaran’ ny Fiangonana, nefa nahatsapa faniriana hiditra tao amin’izany toerana izany aho.

Taona maro taty aoriana dia nandeha tany Hawaï aho, izay nahitako ny misiônera ary dia natao batisa aho. Rehefa niverina tany Manille aho, dia taitra raha nampahafantarina fa ilay tranobe izay niriako hidirana hatrizay dia azoko idirana raha toa aho ka mendrika. Diboky ny hafaliana aho.

Rehefa tena niditra ny tempoly aho, dia nahatsapa ho toy ny tsy niteha-tany. Tsara tarehy ny zava-drehetra, toy ireny efa any an-danitra ireny. Nahatsiaro tena ho voatahy aho noho ny fahafahako niditra ny tempoly.

Hamoaka printy