2010
Miantsoa Fiara vonjimarary!
Aprily 2010


Miantsoa Fiara vonjimarary!

Simon Heal, Queensland, Australie

Indray andro tamin’ny 1991 rehefa nametaka hazo fisaka tamin’ilay rihan-tranonay ambany tafo aho dia nahatsapa fanaintainana mafy teo amin’ny ila-masoko havia. Ilay fanaintainana, izay nanaikitraikitra toy ny somisika, dia niparitaka nanenika ny lohako. Mbola nanohy niasa ihany aho mandrapahatsapako fa noteren’ilay fanaintainana haka aina teo am-pandriana.

Vao tafandry teo aho anefa dia nahatsapa bitsika avy tamin’ilay feo malefaka sy tony. “Mitsangana,” hoy ny Fanahy. “Aza mandeha matory.”

Rehefa nisaintsaina izany fanairana izany aho sy nieritreritra ny zavatra tokony ho atao dia nanapa-kevitra hihinana ilay fanafody izay fihinan’ny reniko rehefa marary an-doha. Nandeha tany amin’ny efitranon’ny ray aman-dreniko aho ary nahita ilay fanafody kanefa teo am-pamoana ilay boaty aho dia nandre indray ilay feo: “Aza mihinana an’io.”

Fotoana fohy taorian’izay dia mbola nandre ilay feo fanintelony aho nanao hoe: “Mila miantso an-tariby hangataka fiara vonjimarary ianao—izao dia izao!”

Tsy mbola niantso mpamonjy voina mihitsy aho hatramin’izay kanefa tonga aho dia niantso. Vao tonga ilay fiara vonjimarary dia nampandrian’ireo mpanampy mpitsabo roa teo amin’ny filanjana aho. Ny zavatra tsaroako farany dia ny nanontanian’izy ireo ny anarako. Ary dia maizina ny tany aman-danitra.

Elaela taty aoriana, dia efa tany amin’ny toerana fameloman’aina tany amin’ny hôpitaly aho vao nifoha. Mbola tena nalemy aho sady donton’ny fanafody fandontoana, kanefa tsaroako ireo tanan’ny raiko sy ny evekako nanome tsodrano ahy. Reko ireo teny nilaza hoe: “Haverina amin’ny laoniny ny fahasalamanao toy ireny tsy nisy zava-nitranga ireny.”

Rehefa avy notsaboina telo andro tao amin’ny sampana fameloman’aina aho sy efatra andro tao amin’ny sampana fitsaboana hafa dia noho ny farany afaka niverina tany an-trano ihany taorian’izay. Tamin’izay no nahafantarako fa nisy lalan-drà vaky tany amin’ny ati-dohako. Nilaza tamiko ilay mpandidy ahy taty aoriana fa “tena efa teo ambavahoanan’ny fahafatesana” aho ary efa maty aho ohatr’izay raha toa nihinana ilay fanafody aretina an-doha.

Ankehitriny aho dia salama tsara ary feno fankasitrahana ny Tompo tamin’ny fitarihany ny saiko tamin’izany andro izany. Vita amehezana tany amin’ny tempoly niaraka tamin’ny vady malalako aho ary manan-janaka dimy mahafatifaty.

Misaotra ny Raiko any an-danitra sy ny Mpamonjy ahy, Jesoa Kristy aho noho ny fahagagana nitranga teo amin’ny fiainako. Miezaka aho isan’andro mba hanao ny tsara indrindra amin’ny fotoana rehetra nomen’Izy ireo ahy ary mahatsiaro amim-pankasitrahana ny fiarovana avy tamin’ny feon’ny Fanahy.

Ilay fanaintainana tsapako teo amin’ny ila-maso havia dia niparitaka nanenika ny lohako. Vao nandry aho anefa dia nahatsapa bitsika avy tamin’ilay feo malefaka sy tony nanao hoe: “Mitsangana. Aza mandeha matory.”

Hamoaka printy