2010
Mahatsapa ny Fanahin’ny Tempoly
Aprily 2010


Mahatsapa ny Fanahin’ny Tempoly

Cristian Robles, Chili

Rehefa voaantso ho mpikambana tao amin’ny filankevitra avo aho, dia naneho ny faniriany ny filohan’ny tsatòka, ny mba handehanan’ny mpikambana maro kokoa any amin’ny tempoly amin’ny andro natokana ho an’ny tsatòkanay. Olana ny fitaterana, ka ny zavatra voalohany nokarakarainy dia ny naka fiara fitateram-bahoaka mba haka ny mpikambana any amin’ny trano fiangonan’ny paroasy rehetra tao amin’ny tsatòka ary hanatitra anay hiverina rehefa hariva.

Mbola nisy olana iray hafa anefa. Maro ireo reny izay tsy afaka handeha satria tsy misy olona afaka hiambina ny zanany. Rehefa niresaka momba ny mety hakana zatovovavy ao amin’ny tsatòka mba hikarakara ireo zaza ireo izahay, dia tsapako fa afaka miantso mpitarika iray eo anivon’ny tsatòka hisahana ny fikarakarana zazakely izahay. Narosoko tamin’ny filohan’ny tsatòka ilay hevitra. Nanoro hevitra izy hoe tokony hiantso mpikambana vaovao izahay mba ho mpanampy ilay mpitarika misahana ny fikarakarana zazakely mba hahafahan’izy ireo hahatsapa ny fanahin’ny tempoly. Rehefa notanterahana ireo hevitra ireo dia maro be ireo mpikambana tao amin’ny tsatòkanay no nandeha tany amin’ny tempoly.

Hamoaka printy