2010
Tempolin’i Manille Philippines
Aprily 2010


Toe-javatra niavaka teo amin’ny Tempoly

Tempolin’i Manille Philippine

Notokanan’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) tamin’ ny Septambra 1984 ny Tempolin’i Manille Philippines. Ilay tranobe tsara tarehy misy zanatsipika enina dia manana tafo bakoly mamirapiratra ety ivelany ary voahodidin’ny hazo befelatanana mihaminkamina sy zavamaniry miloko samihafa.

Natao fotoana fohy taorian’ny nandravaravan’ny rivo-doza anankiroa an’i Philippines ny varavarana misokatry ny tempoly. Na dia teo aza ny rivo-doza, dia nizotra araka ny nandaminana azy ny fotoana. Nisy ny fitsidihan-toerana natao ho an’ny manamboninahitra ny 3 Septambra 1984. Ny ampitson’io, rehefa nisokatra ho an’ny daholobe ny fitsidihan-toerana dia nisy “seho kanto nataon’ny lanitra teo ambonin’ny tempoly,” hoy i Jovencio Ilagan, sekretera mpanatanteraky ny kômitin’ny tempoly nandritra ny fananganana azy. “Hita tamin’ny alalan’ny faribolam-pahazavana miloko samihafa ny masoandro, izay namirapiratra fatratra. … Nisy fotoana nahitana ilay zanatsipika afovoany izay misy ny sarivongan’ ny anjely Môrônia teo afovoan’ilay faribolam-pahazavana. Saika olona zato no nanatri-maso izany teo amin’ny toerana nisy ny tempoly. Maro no nitomany.”1

Fanamarihana

  1. Ao amin’i John L. Hart, “3 Temples Open to Public in a Week—a First Ever,” Church News, 16 Sept 1984, 3.

Ny Tempolin’i Manille Philippines no tempoly voalohany natsangana tany Philippines. Ny fananganana ny tempoly faharoa tao amin’izany firenena izany dia nanomboka tamin’ny 2007 ao Cebu City.

Hamoaka printy