Institiota
Lesona 1, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy


“Lesona 1, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 1, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 1, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy

Nijoro ho vavolombelona ny Eveka Gérald Caussé Eveka Mpiahy fa “ny hafatra fototry ny Bokin’i Môrmôna dia ny hamerina amin’ny laoniny ny fahalalana marina mikasika ny anjara asa tena manan-danja an’i Jesoa Kristy eo amin’ny famonjena sy fisandratan’ny olombelona.” (“Vavolombelona velona an’ilay Kristy velona,Liahona, mey 2020, 39).

Mandresy lahatra antsika hino an’i Jesoa Kristy sy manainga antsika hanao ny tsara ny Bokin’i Môrmôna. Ho vokatr’ity lesona ity, ireo mpianatra dia hamantatra fitahiana manan-danja izay ho voarain’izy ireo amin’ny alalan’ny fandalinany ny Bokin’i Môrmôna, hanazava ny azon’izy ireo atao mba hanatonana akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy, ary hanao drafitra ny amin’ny fomba hahafahana ho lasa mpianatra mavitrika kokoa.

Fanamarihana: Raha azo atao dia mifandraisa amin’ireo mpianatra izay nisoratra anarana hanao ity taranja ity mialoha ny andro voalohany hianaran’izy ireo, dia asao izy ireo hamaky ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 1 alohan’ny hanatrehany ny fotoam-pianarana. Alaivo antoka fa manana ny tahadikan’ilay lesona 1, tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ireo mpianatra hafa rehetra amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana voalohany. Ampiasao ilay tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mandritra ireo fifanakalozan-kevitra mba hahitan’ireo mpianatra dien’ny fiandohana ny hanampian’izany azy ireo hiomana ho amin’ny fotoam-pianarana sy hanatsara ny traikefan’izy ireo mandritra ny fotoam-pianarana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Hanova ny fiainanao ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa avy niarahaba ireo mpianatra sy nifankafantatra tamin’izy ireo vetivety ianao dia alaivo antoka fa manana ireo tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ity lesona ity izy ireo. Avy eo dia asehoy sy vakio ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Misy zavatra tena mahery vaika mitranga rehefa mikatsaka ny hahafantatra misimisy kokoa momba an’ Andriamanitra sy ny Zanakalahiny malala ny zanak’ Andriamanitra iray. Tsy misy fampianarana ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba mazava sy mahery vaika kokoa mihoatra noho ny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. …

Ny fandalinana lalina tsy tapaka ireo fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna dia afaka hanova ny fiainantsika. (“Ny Bokin’i Môrmôna: Hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?Liahona, nôv. 2017, 62–63)

  • Inona no ianaranao momba ny hafatry ny Bokin’i Môrmôna avy amin’ny Filoha Nelson? (Rehefa mizara ireo mpianatra dia azonao raketina eo amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana mitovitovy amin’ireto manaraka ireto: Ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna dia hanampy ahy hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hanova ny fiainako izany.)

Azonao zaraina ny fijoroanao ho vavolombelona anananao ny amin’ny fitaomana nentin’ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ny fahalalanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fifandraisanao amin’Izy Ireo.

Angataho ireo mpianatra hamerina hijery ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Filoha Nelson ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ary hizara hoe iza amin’ireo zavatra lazaina momba ny Bokin’i Môrmôna ireo no tena manan-danja indrindra amin’izy ireo amin’izao fotoana izao.

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna.

Hazavao fa ny Bokin’i Môrmôna amin’ny ankamaroany dia nosoratan’ny mpanoratra fototra efatra: i Nefia, Jakôba, Môrmôna ary i Môrônia. Asehoy na zarao ity tabilao manaraka ity. Avy eo dia asao ireo mpianatra iray kilasy na miaraka amin’ny namana iray hamaky ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ilay tsanganana faharoa hoe “Traikefa” ary hitady ny mahatonga ireo mpanoratra tsirairay hahafeno ny fepetra ho vavolombelon’i Jesoa Kristy.

Mpanoratra fototra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra—Lesona 1

Mpanoratra

Traikefa

Tanjona

Tanjona

Mpanoratra

  1. Nefia

Traikefa

2 Nefia 11:2

Tanjona

2 Nefia 25:26

Mpanoratra

  1. Jakôba

Traikefa

2 Nefia 11:3

Tanjona

Jakôba 1:7–8

Mpanoratra

  1. Môrmôna

Traikefa

Môrmôna 1:15

Tanjona

Môrmôna 3:20–22

Mpanoratra

  1. Môrônia

Traikefa

Etera 12:38–39

Tanjona

Etera 12:41

Mpanoratra fototra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Sary
taratasy zaraina avy amin’ny mpampianatra

Rehefa avy nanome fotoana ampy ho an’ireo mpianatra dia asaivo mizara ny zavatra nianarany avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izy ireo.

  • Alaivo sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny olona iray izay fantatrao fa nahita sy niresaka tamin’i Jesoa Kristy ianao. Lazalazao hoe ahoana no hihainoanao an’izany olona izany ary ny handraisanao ireo teny lazainy. Raha ny fahafantaranao an’i Nefia, Jakôba, Môrmôna ary Môrônia dia ahoana no mety hamakianao sy handalinanao ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fomba hafa amin’ireo boky hafa?

Angataho ireo mpianatra hamaky mangiana andinin-tsoratra masina iray nosafidiany avy amin’ilay tsanganana fahatelo mitondra ny lohateny hoe “Tanjona,” ao amin’ilay tabilao, ary mitadiava antony iray na mihoatra nahatonga ilay mpanoratra nanoratra ilay hafany. Rehefa avy nomenao fotoana ampy ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitany.

Vakio miaraka ny 2 Nefia 33:10 ary tadiavo ny fomba hitahian’ny tenin’ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy hanovan’izy ireo ny fiainantsika.

  • Inona no nianaranao avy amin’i Nefia momba ny tanjon’ny rakitsoratra nataony? (Mety hahita fahamarinana mitovitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Ny hafatry ny Bokin’i Môrmôna dia ny mandresy lahatra antsika hino ny Tompo Jesoa Kristy ary hanao ny tsara.)

  • Ahoana no nanampian’ny Bokin’i Môrmôna anao hanao ny tsara sy hino an’i Jesoa Kristy?

Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsaina fomba hahafahan’ny fandalinan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna ho lasa traikefa mifototra kokoa amin’i Kristy. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreritr’izy ireo.

Ilay tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia mamporisika fianarana.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Matokia ny fiomanan’ireo mpianatrao. Mitadiava fomba hanentanana ireo mpianatra handalina ilay tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mialoha ny fotoam-pianarana. Avy eo dia trandraho ny fiomanan’izy ireo mandritra ny fotoam-pianarana. Hitaona ireo mpianatra handray andraikitra lehibe kokoa ho an’ny fianarany manokana ny fanaovana izany. Mandritra ity fampianarana ity dia omeo fahafahana ireo mpianatra hizara ny fomba hanampian’ilay tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ny fandalinan’izy ireo manokana ny Bokin’i Môrmôna mba ho lalina sy hampisondrotra ny traikefan’izy ireo mandritra ny fotoam-pianarana.

Koa satria ity no fotoam-pianarana voalohany dia mety ho maro ny mpianatra tsy nanana ny fahafahana nandalina ilay tahirin-kevitra mialoha ny fotoam-pianarana, ka noho izany dia azonao atao ny mamaky ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana miaraka amin’izy ireo ary manontany hoe:

  • Inona no nianaranareo momba ny fiomanana ho amin’ny fianarana ara-panahy avy amin’ilay fanasana nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 17:3?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manomana ny saintsika sy ny fontsika ho amin’ny fianarana amin’ity fotoam-pianarana ity?

  • Amin’ny fomba ahoana no hitomboan’ny fahaizanareo mifampianatra sy mianatra avy amin’ny Fanahy Masina mandritra ny fotoam-pianarana rehefa mamaky mialoha ny fotoam-pianarana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ianareo, ka tafiditra ao anatin’izany ireo andinin-tsoratra masina nampandraiketina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna? (Mety hanampy ny manasa ny mpianatra hanamarika fa ireo fanasana handalina, hisaintsaina, hanoratra ary hifanakalo hevitra ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia afaka manampy azy ireo hianatra samirery lalindalina kokoa ary hanatsara ny traikefany amin’ny fianarana ao an-dakilasy.)

Asao ireo mpianatra hamaky indray sy hamita ilay atrikasa “Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao” ao ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

Azonao atao ny manasa mpianatra mba hamita ilay atrikasa “Zarao amin’ny mpampianatra anao” any amin’ny fiafaran’ilay tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana raha tsy mbola nanao izany izy ireo.

Eo am-pamarananao ny fotoam-pianarana dia azonao na ny mpianatra iray atao ny mizara fijoroana ho vavolombelona fa rehefa miomana hiara-hianatra dia voatahy ny fiainan’ny iray kilasy eo am-piarahanareo miasa mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy bebe kokoa.

Ho an’ny lesona manaraka

Hazavao fa ny fotoam-pianarana manaraka dia momba ny fandraisana ireo torohevitra avy amin’ireo mpaminany. Anontanio ny mpianatra hoe inona no hafatra vao haingana avy amin’ireo mpaminany izay nisy fiantraikany manokana tamin’izy ireo. Azonao angatahina ihany koa izy ireo hieritreritra hafatry ny mpaminany iray izay mety ho sarotra ho an’ny olona sasany ny manaiky azy. Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo hafatra ireo sy ny mety ho fiantraikan’izany rehefa mandalina ilay tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka izy ireo.

Hamoaka printy