“Lesona 19, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Miaina am-pahamarinana amin’ny andron’ny faharatsiana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)
“Lesona 19, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 19, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Miaina am-pahamarinana amin’ny andron’ny faharatsiana
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanao fanamarihana fa “Ny Bokin’i Môrmôna dia sady manazava ny fampianaran’ny Tompo no mampibaribary ireo teti-dratsin’ny fahavalo” (“Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nizy azy?” Liahona, nôv. 2017, 62; jereo ihany koa ny 2 Nefia 26–33). Ny fizarana 6 dia hanampy ny mpianatra hamantatra tsara ny paikadin’ny fahavalo ary hamaritra izay azon’izy ireo atao mba hanamafisana ny tenan’izy ireo eo anatrehan’ireo teti-dratsy ataony. Amin’ity lesona ity, ny mpianatra dia hamantatra izay zavatra azon’izy ireo atao mba hijanonana ho matanjaka rehefa miatrika fanenjehana izy ireo sy izay zavatra azon’izy ireo atao mba hiainany am-pahamarinana ao amin’ny tontolo feno faharatsiana.
Sosokevitra enti-mampianatra
Ireo mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia hohatanjahina ao anatin’ny fanenjehana.
Mba hanombohana ny fotoam-pianarana, dia hevero ny hizara ity trangan-javatra manaraka ity na trangan-javatra iray hafa mety tsara tonga ao an-tsainao.
-
Nahoana no mety ho tena sarotra tamin’i Akari izany enjehin’ny mpiara-mikambana ao amin’ny Fiangonana izany?
-
Raha mitodika aminao i Akari mba hanampy azy dia inona no holazainao na hataonao?
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ao amin’ny Helamàna 3:24–34 dia vakintsika fa olona an’aliny no niditra ho mpikambana tao amin’ny Fiangonana ary niroborobo fatratra izy ireo. Tamin’ny farany anefa dia niditra tao am-pon’ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana ny avonavona, ka ireo dia nanomboka nanenjika ireo izay nijanona ho mpanetry tena sy mahatoky.
Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny Helamàna 3:33–35 ka hitady izay zavatra nanampy ireo mpikamban’ny Fiangonana nanetry tena hijanona no matanjaka nanoloana ny fanenjehana. Jereo hoe iza amin’ireto fanontaniana manaraka ireto no azonao apetraka mba hanampiana ireo mpianatrao hianatra:
-
Fampianarana inona ao amin’ireo andininy ireo no afaka manampy an’i Akari na olona iray ao anatina toe-javatra mitovitovy amin’izany? (Azonao atao ny manao lisitra ny sasany amin’ireo fahamarinana hitan’ny mpianatra, toy ireto manaraka ireto: Rehefa mifady hanina, mivavaka ary manolotra ny fontsika amin’ Andriamanitra isika dia hitombo ny fanetrentenantsika sy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ary hohamasinina ny fontsika—na manao ahoana na manao ahoana fihetsika mandratra ataon’ny hafa.)
-
Inona no fiantraikan’ny fifadian-kanina sy ny vavaka ary ny fanoloranao ny fonao ho an’ Andriamanitra teo amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy? (jereo ny Helamàna 3:35). Ahoana no nanampian’ireo asan’ny fahamarinana ireo anao rehefa niatrika fihetsika nandratra nataon’ny hafa ianao?
Hevero ny hampiseho ity fanontaniana manaraka ity ary hanome fotoana manokana ny mpianatra mba hanombanany ny iray na maromaro amin’izy ireo ka hanaovany drafitra momba ny fomba hamalian’izy ireo izay mety ho fitaomam-panahy azony:
-
Manao ahoana ianao amin’ny fandraisana sy fiombonana amin’ny hafa ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy?
-
Manao ahoana ianao amin’ny fanaovanao izay sitrapon’ Andriamanitra?
-
Ahoana no mety hampitomboanao ny finoanao an’i Jesoa Kristy na manao ahoana na manao ahoana fihetsika mandratra ataon’ny hafa?
Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao na manasà mpianatra iray hijoro ho vavolombelona momba ny hery tonga rehefa mihetsika am-pinoana isika ary manao izay tian’ Andriamanitra hataontsika.
Rehefa nitombo tamin’ny faharatsiana ny Nefita dia nijanona ho mahatoky tamin’ny Tompo i Môrmôna sy i Môrônia.
Asao ny mpianatra hizara ohatra amin’ny tantara avy amin’ny vaovao, fironana ara-kolotsaina ary lohahevitra ifampiresahana manerana ny tamba-jotran-tserasera izay mety hahatonga ny fiainana ny filazantsara amin’izao androntsika izao ho sarotra.
-
Inona avy ireo toe-javatra nahatonga ny fiainana ny filazantsara tamin’ny andron’i Môrmôna sy i Môrônia zanany lahy ho sarotra? (Raha ilaina dia asao hamerina hijery ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana na hijery vetivety ao amin’ireo lohatenin-toko ao amin’ny Môrmôna 1–6 sy ny Môrônia 9 ny mpianatra.)
-
Mety hanao ahoana araka ny eritreritrao izany hoe niaina tamin’ny andron’i Môrmôna sy i Môrônia izany?
Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny Môrmôna 1:1–2, 15 sy ny Môrônia 9:25–26 ka hitady ny mety ho antony nahatonga an’i Môrmôna sy i Môrônia nijanona ho mahatoky tamin’ny Tompo rehefa niatrika fiarahamonina tafalatsaka lalina tao amin’ny faharatsiana.
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny fomba hijanonana ho mahatoky amin’ny Tompo mandritra ny fotoam-paharatsiana? (Ampio ireo mpianatra hamantatra fitsipika iray mitovitovy amin’ity manaraka ity: Afaka mandresy ny faharatsian’ity tontolo ity isika rehefa miaina ny fahatsaran’i Jesoa Kristy ary mijanona ho mahatoky Aminy.)
-
Midika inona araka ny eritreritrao ny hoe miaina ny fahatsaran’i Jesoa Kristy?
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny hoe mijery an’i Jesoa Kristy sy miaina ny fahatsarany manampy antsika hijanona ho olo-marina rehefa voahodidina faharatsiana isika? (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ireo fanambarana nataon’ny Filoha Joy D. Jones sy ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fahatsaran’i Jesoa Kristy sy ny finoanao Azy mba hanao safidy marina nanoloana faharatsiana?
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia nasaina izy ireo hamantatra olona na vondron’olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna na olona iray fantany manokana izay niatrika faharatsiana ary nijanona ho mahatoky. (Raha ilaina dia omeo fotoana hamerenana mijery ny zavatra nosoratany ny mpianatra.) Miankina amin’ny hamaroan’ny mpianatrao dia misafidiana fomba iray hanomezana fahafahana ny mpianatra tsirairay hizara ny ohatra noraisiny.
Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Miainga amin’ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany, inona no hataonao hampitomboana ny fanoloran-tenanao hitandrina ireo didin’ny Tompo rehefa miatrika ny faharatsian’izao tontolo izao ianao? (Amporisiho ireo mpianatra hanoratra izay mety ho fitaomam-panahy voarain’izy ireo avy amin’ny Fanahy Masina ary hanao zavatra mifanaraka amin’izany.)
Ho an’ny fotoana manaraka
Zarao ity teny nataon’i Joseph Smith ity: “Ny fitiavana ny fahafahana no manainga ny fanahiko—fahafahana sivily sy ara-pivavahana ho an’ny zanak’olombelona manontolo” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 370). Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka ny mpianatra dia asao izy ireo hisaintsaina ny dikan’ny fahafahana ara-pivavahana ho azy ireo ary ho vonona hifanakalo hevitra momba ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanampiana amin’ny fampiroboroboana na hiarovana izany fahafahana izany.