“Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)
“Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 17, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo
Tahaka ny nataony tamin’ireo mpanara-dia Azy tany Palestina dia nanangana ny Fiangonany teo anivon’ireo Nefita sy Lamanita i Jesoa Kristy. Niantso mpianatra roa ambin’ny folo Izy ary nomeny fahefan’ny fisoronana hitarihana ny Fiangonany izy ireo. Ity lesona ity dia hanome ny mpianatra fahafahana hifantoka amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo sy hamantatra izay azon’izy ireo atao mba hahatonga izany ho zavatra iainana manan-danja kokoa sy mifantoka amin’i Kristy kokoa. Ny mpianatra dia hamantatra ihany koa ny zavatra azon’izy ireo atao hanampiana ny hafa hahatsapa ny maha-mpikambana sy mpiombona azy ireo ao amin’ny paroasy na sampana misy azy ireo.
Sosokevitra enti-mampianatra
I Jesoa Kristy dia nampiorina ny fanasan’ny Tompo sy nandidy ny olona hivory matetika ary tsy handrara na iza na iza tsy handray anjara amin’ny fitsaohana ataon’izy ireo.
Asehoy ity sary manaraka ity ary ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tao anatin’ny asa fanompoany teo anivon’ireo Nefita sy Lamanita, i Jesoa Kristy dia nanolotra ny fahefan’ny fisoronana an’ireo mpianany roa ambin’ny folo ary nanangana ny Fiangonany (jereo ny 3 Nefia 11:18–22; 12:1; 18:5, 37; 26:17–21).
-
Fa maninona no tsapanao fa zava-dehibe ny nametrahan’ny Tompo laharam-pahamehana toy izany tamin’ny fananganana ny Fiangonany, taloha sy ankehitriny? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamerina hijery ny fanambarana nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)
Tsindrio fa hifantoka amin’ny lafiny roa fotsiny ity lesona ity na dia misy lafiny maro ao amin’ny Fiangonana azontsika ianarana bebe kokoa aza. Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hisafidy izay fanontaniana tian’izy ireo hojerena bebe kokoa:
-
Inona no azoko atao mba hahatonga ny fanasan’ny Tompo ho ampahany manan-danja kokoa amin’ny zavatra iainako any am-piangonana?
-
Ahoana no fomba ahafahako manampy amin’ny famoronana zavatra iainana any am-piangonana izay maha-te hitoetra sy ahatsapana tena ho voaray tsara kokoa ho an’ny olon-drehetra?
Asao ny mpianatra hamorona vondrona kely (olona telo na efatra isaky ny vondrona) miaraka amin’ireo izay nisafidy fanontaniana mitovy ny azy. Omeo ny taratasy zaraina mifanaraka amin’ny fanontaniany ny vondrona tsirairay. (Samy hita any amin’ny faran’ity lesona ity ireo taratasy zaraina roa ireo.) Asao hampiasa ireo fanontaniana sy loharano fanovozan-kevitra ao amin’ilay taratasy zaraina ny mpianatra mba hiteraka fifanakalozan-kevitra manan-danja. Rehefa mifanakalo hevitra ny vondrona dia azonao atao ny mivezivezy manerana ny efitrano ka manome fitarihana sy fanampiana araka izay ilaina.
Rehefa avy omena fotoana be dia be ifanakalozan-kevitra ny amin’ny lohahevitr’izy ireo ireo vondrona dia asao ireo mpianatra hizara amin’ny iray kilasy ny fitsipika nianarany avy tamin’ny fampianarana nataon’ny Mpamonjy tamin’ny vahoaka. Mety hanampy anareo ny fifantohana amina lohahevitra iray mandritra ny minitra vitsy izay vao miresaka ny lohahevitra manaraka.
Mety hahita fitsipika mitovitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra:
-
Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manaporofo amin’ny Ray any An-danitra ny fahavononantsika hahatsiaro mandrakariva an’i Jesoa Kristy sy hankatò ny didiny.
-
Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika ka miezaka mahatsiaro mandrakariva an’i Jesoa Kristy, dia hanana ny Fanahy Masiny miaraka amintsika isika.
-
Nandidy antsika ny Tompo mba ho mora hanatonana sy handray tsara ny zanak’ Andriamanitra rehetra ary hanampy azy ireo hanatona Azy.
Rehefa hita ireo fitsipika dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Hevero ny hangataka ny mpianatra hizara izay eritreritra na fanontaniana ananany momba ny iray amin’ireo fitsipika ireo.
Ampisehoy ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hisafidy iray na roa amin’izy ireo hosaintsainina. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanoratra izay eritreritra sy fahatsapana tonga ao amin’izy ireo.
-
Inona no hataoko mba hanomanako ny tenako handray ny fanasan’ny Tompo ary hanaovana izany ho zavatra iainana manan-danja sy mifantoka amin’i Kristy kokoa?
-
Inona no hataoko mba hanampiana ny hafa hahatsapa ho voaray tsara ary hahatsiaro ho mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy?
Ho an’ny fotoana manaraka
Asao ny mpianatra hieritreritra ny sasany amin’ireo toe-javatra eo amin’ny tontolo manodidina azy ireo izay mety hahatonga ny fiainana ny filazantsara ho sarotra. Amporisiho ny mpianatra mba handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka, ka hitady izay zavatra azon’izy ireo ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ny olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay niezaka mafy hiaina araka ny fahamarinana na dia niaina tao amina tontolo ratsy aza.