Institiota
Lesona 11, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana


“Lesona 11, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 11, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 11, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin’ny fahotantsika no dingana voalohany ataontsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny batisa no idirantsika ao amin’ny fifandraisana mifono fifanekena amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mandritra ity lesona ity ny mpianatra dia ho afaka ny hizara ohatra amin’ny fomba hitandremana ny fanekempihavanan’izy ireo tamin’ny batisa eo amin’ny fiainana andavanandro, hijoro ho vavolombelona momba ny fitaomana manamasin’ny Fanahy Masina, ary hamantatra ny zavatra azon’izy ireo atao mba haharetana hatramin’ny farany amin’ny fanantenana sy fifaliana lehibe kokoa.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Mamporisika ny hananana fahazarana hanontany. Hoy ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ny fametrahana sy famaliana fanontaniana dia ivon’ny fianarana sy fampianarana rehetra” (“The Lord Will Multiply the Harvest” [lahateny nampitaina tamin’ny alalan’ny zanabolana ho an’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, feb. 6, 1998, 5–6]). Ny fomba mahazatra ampiharantsika io fitsipika io dia ilay hoe ny mpampianatra no mametraka fanontaniana ary ny mpianatra no mamaly izany. Na dia afaka manamora ny fianaran’ny mpianatra aza ny fanontaniana mahomby apetraky ny mpampianatra dia afaka mitana anjara asa mafonja amin’ny fianarana ihany koa ny fanontaniana apetraky ny mpianatra. Mikatsaha ny hanorina tontolon’ny fianarana izay hamporisihana sy hanajana ary hamaliana amin’ny fomba voasaina tsara ireo fanontanian’ny mpianatra. Ny mpampianatra hendry iray dia tsy mamaly amin’ny fomba mandeha ho azy na eo no ho eo ny fanontaniana rehetra apetraky ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ny manasa mpianatra hafa hamaly, na manasa azy ireo hijery loharanon-kevitra iray nentanim-panahy, na manasa azy ireo haka fotoana ivelan’ny fotoam-pianarana mba hanao fandalinana misimisy kokoa ary avy eo dia mangataka azy ireo hilaza ny zavatra izay nianarany.

Mampianatra ny maha-zava-dehibe ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina i Almà sy i Nefia.

Asehoy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Benjamin M. Z. Tai ao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy:

Sary
Loholona Benjamin M. Z. Tai

Ny paikady omen’ny Tompo antsika, dia ny fotopampianaran’i Kristy izany, dia ampianarina amin’ny fomba faran’izay mazava ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tafiditra amin’izany … [ny] fanaovana [fanekempihavanana amin’ Andriamanitra] sy fitandremana izany amin’ny alalan’ireo ôrdônansy toy ny batisa. Hihazona antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra antsika mankany Aminy izany.. (“Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiovam-po,” Liahona, mey 2020, 46)

  • Nitondra inona teo amin’ny fahafahanao hitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny batisanao?

Asehoy ity fehezan-teny tsy feno ity: Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana ny …

Asao ny mpianatra hijery indray ny Môzià 18:8–10, dia hitady ny sasany amin’ireo zavatra nampanantenaintsika hatao sy hahatongavana rehefa atao batisa. (Mety ahitana izao manaraka izao ny valin-tenin’ny mpianatra: Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana ny hifampitondra ny enta-mavesatsika, hiara-malahelo amin’izay malahelo, hampionona ireo izay mila fampiononana, hijoro ho vavolomben’ Andriamanitra, hanompo Azy, ary hitandrina ny didiny.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nasaina izy ireo ny hieritreritra ireo ohatra amin’ny olona tsikaritr’izy ireo fa manaja ny fanekempihavanan’izy ireo tamin’ny batisa. Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra hitadidy ireo ohatra hitany ary avy eo dia hizara ny hevitr’izy ireo amin’ny namana iray na anaty vondrona kely. Rehefa avy nifampizara ny ohatra hitany izy ireo dia apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

Hazavao fa rehefa manaja ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa isika dia mampanantena antsika hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika ny Tompo. Asao ny mpianatra hamaky indray ny 2 Nefia 31:13, 17 dia hitady ny fitahiana azontsika rehefa mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika.

  • Ahoana no hanazavanao ny dikan’ny hoe batisan’ny afo sy ny fitenenana amin’ny fitenin’ny anjely amin’ny olona iray izay miomana ho amin’ny batisa? (Hevero ny hamerina hijery ny teny nambaran’ny Filoha Boyd K. Packer sy ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Ahoana no niainanao ireo fitahiana ireo?

Azonao omena fotoana ny mpianatra hisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ataoko mba hanasana ireo fitahian’ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainako? Inona no tokony hotohizako atao, na hatomboko atao, na tsy hataoko intsony mba ahafahako mianoka ny hery manamasin’ny Fanahy Masina bebe kokoa?

Mampianatra ny maha-zava-dehibe ny faharetana hatramin’ny farany i Nefia.

Hevero ny hampiasa ity tantara manaraka ity izay nozarain’ny Loholona Robert D. Hales tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo na ny iray amin’ireo tantaranao izay maneho ny maha-zava-dehibe ny faharetana ao anatin’ireo toe-javatra sarotra izay iainana:

Sary
Loholona Robert D. Hales

Tamin’ny taona 1968 dia nisy mpanao hazakazaka lavitra ezaka iray nantsoina hoe John Stephen Akhwari nisolo tena an’i Tanzania tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena iray. “Adiny iray mahery kely taorian’ny nandinganan’[ny mpandresy] ny tsipika manamarika ny fahatongavana, dia nanatona ilay kianja … i John Stephen Akhwari … ary izy no lehilahy farany namita ilay dia. [Na dia nijaly noho ny harerahana, ny fivonkonan’ny hozatra, ny tsy fahampian-drano, ary ny tamberintany aza izy,] dia nisy feo niantso avy tao anatiny mba hanohy, ka dia nanohy ny dia izy. … Rehefa nanontaniana izy hoe nahoana izy no namita ilay hazakazaka izay tsy hahazoany fandresena mihitsy, dia namaly i Akhwari hoe: “Tsy nandefa ahy aty amin’ny 8050 km mba hanomboka ilay hazakazaka ny fireneko fa nandefa ahy kosa mba hamita ilay hazakazaka.” (“Behold, We Count Them Happy Which Endure,” Ensign, May 1998, 76)

  • Inona avy ireo antony mety nisafidianan’i John Stephen Akhwari tsy hamita ilay hazakazaka?

  • Ahoana no azo hampitahana ny zavatra niainan’i John amin’ireo olana mety hatrehantsika rehefa miezaka mitandrina ny fanekempihavanantsika isika?

  • Inona avy ireo antony mety hisafidianan’ny olona tsy hijanona ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataony?

Mba hanatsarana ny fifanakalozan-kevitra dia azonao asaina ny mpianatra hizarazara ho vondrona kely maromaro dia hamaky ny 2 Nefia 31:15–16, 19–21, ary hitady ny dikan’ny hoe maharitra hatramin’ny farany. Azonao asaina koa izy ireo hamaky ny sasany amin’ireo soratra masina voatanisa ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina eo ambanin’ny lohahevitra hoe “Maharitra.”)

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany. (Mety hahita fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Rehefa mibosesika mandroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy eo amin’ny lalana ety sy tery isika ary maharitra hatramin’ny farany, dia hitahy antsika amin’ny fiainana mandrakizay ny Ray any An-danitra.) Eritrereto hoe iza amin’ireto fanontaniana manaraka ireto no afaka hanampy indrindra ny mpianatrao hahatakatra misimisy kokoa io fitsipika io:

  • Midika inona aminao izany hoe mibosesika mandroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy izany? Amin’ny fananana fanantenana mamirapiratra?

  • Inona avy ireo ohatra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy, na ny olona iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, na ny olona iray fantatrao izay afaka hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny dikan’izany hoe maharitra hatramin’ny farany izany? (Ny mpianatra dia mety nanoratra valin-teny ho an’ io fanontaniana io rehefa nandalina ny fizarana 3 tao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Ahoana no hanohizanao mibosesika mandroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy? Inona no azonao atao mba haharetana hatramin’ny farany amin’ny fanantenana sy fifaliana lehibe kokoa?

Mety ho tianao ny hamarana ny fotoam-pianarana amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona na ny fanasana mpianatra iray hizara ny azy mikasika ireo fahamarinana hita tato amin’ity lesona ity.

Ho an’ny lesona manaraka

Anontanio ny mpianatra ny zavatra holazain’izy ireo amin’ny olona iray izay nanontany azy ireo raha efa nateraka indray izy ireo. Asao ny mpianatra hamaky ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka ary hisaintsaina ny dikan’ny hoe teraka indray ara-panahy sy miova fo marina ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy