Institiota
Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Miomana amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy


“Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Miomana amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Miomana amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy

Ao amin’ity fizarana ity ireo mpianatra dia handalina ireo tranga sy fampianarana manan-danja mifandray amin’ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy teo anivon’ireo Nefita sy Lamanita. Rehefa miomana ny hiresaka momba ny tahirin-kevitra ato amin’ity fizarana ity ianao dia tadiavo ireo fomba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny asa masina nanirahana Azy.

Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hanana fahafahana handalina ny fomba anomezan’ny Bokin’i Môrmôna lamina iray amin’ny fiomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Hodinihan’izy ireo ny zavatra azon’izy ireo atao handresena ny fahatsapana tahotra sy hanoherana ireo hafatra izay mety hiteraka fisalasalana mba hahafahan’izy ireo hahatsapa tena ho vonona kokoa amin’ny fiverenany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Naminany ny amin’ireo famantarana izay hialoha ny fahaterahan’i Jesoa Kristy i Samoela ilay Lamanita.

Sary
Ny Fiaviana Fanindroany, nataon’i Harry Anderson

Ampisehoy ny sarin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany izay nampiarahana amin’ity tahirin-kevitra ity, dia manontania hoe:

  • Famantarana na toe-javatra nambaran’ireo mpaminany mialoha izay mifandray amin’ny andro farany sy ny Fiaviana Fanindroany inona no mety hahatonga ny olona hahatsapa fanahiana? (Raha sahirana mamantatra ireo famantaran’ireo fotoana ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hamerina hijery vetivety ny “Famantaran’ireo Fotoana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina [jereo ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org].)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny hoe mampiseho famantarana ny Tompo alohan’ny hahatongavany eo amin’ny olony?

  • Ahoana no ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manampy antsika hahatsapa ho tsy dia mitebiteby sy vonona kokoa ary faly kokoa amin’ny fiverenan’ny Tompo eto an-tany? (Azonao atao ny mamerina mijery ny Fanambarana nataon’ny Filoha Benson ao amin’ny fampidirana ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Omeo fahafahana hifampahery ny mpianatra. Miara-mivory isika amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika tsy hoe hianatra ho an’ny tenantsika fotsiny fa mba hifanampy sy hifampahery ihany koa (jereo ny Môrônia 6:4–5). Mandritra ny fotoam-pianarana dia mitadiava fomba hamoronana fotoana ahafahan’ny mpianatra manao fifanakalozan-kevitra eo amin’izy samy izy. Angamba ny fotoana mety indrindra ho an’ny resadresaka toy izany dia rehefa asaina ny mpianatra hiresaka amin’ny mpiara-mianatra iray na hamorona vondrona fifanakalozan-kevitra kely iray. Mandritra ireo fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy dia mitandrema mba tsy ho ianao no hibahana amin’ny resaka. Ohatra, alohan’ny hamalianao ny fanontanian’ny mpianatra iray na ny ahiahiny dia hevero ny hanasa ny mpiara-mianatra aminy hamaly aloha. Ho solon’ny fizarana ireo zavatra niainanao manokana tianao indrindra dia amporisiho ireo mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Aza mitady fotoana ahafahana mizara fijoroana ho vavolombelona fotsiny fa omeo fotoana ireo mpianatra ahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelona ihany koa.

Ampisehoy ity fanontaniana manaraka ity: Araka ny Helamàna 14:9–13, dia nahoana i Samoela no tonga nitory sy naminany tamin’ny Nefita?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hiasa tsiroaroa handinika ilay andalana voatondro ary hifanakalo hevitra momba ny fomba hamalian’izy ireo ilay fanontaniana. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianarany. Miainga amin’ny fanehoan-kevitr’ireo mpianatra dia hevero hoe iza amin’ireto fanontaniana manaraka ireto no mety hapetrakao mba hanampiana ireo mpianatra hiomana hampihatra izay ianarany:

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalana sy finoana ireo famantarana sy fahagagana amin’ny fiavian’i Kristy hanova ny fiainantsika? (Omeo fotoana ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba io fanontaniana io ary avy eo dia asao izy ireo hizara ny hevi-baovao azon’izy ireo amin’ireo mpianatra hafa. Ampio ireo mpianatra hamantatra fahamarinana fototra iray mitovitovy amin’ity manaraka ity: Ny fahafantarana sy fahafahana mamantatra ireo famantaran’ny fiavian’i Kristy dia afaka mitarika antsika hino Azy sy hibebaka amin’ny fahotantsika.)

  • Fa nahoana no hoe tokony hampitombo ny fanantenantsika fa tsy hampitombo ny tahotsika ireo famantarana sy fahagagana mifandray amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany? Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ireo famantarana sy fahagagana mifandray amin’ny Fiaviana Fanindroany ny fitiavana sy fiahian’ Andriamanitra ho an’ireo zanany?

  • Fampianarana na famantarana ara-paminaniana momba ny Fiaviana Fanindroany inona no mitaona anao hiomana tsara kokoa amin’ny fiverenan’ny Tompo? (Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba isehoan’ny fitiavan’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara na hitady izay nampianarin’ireo mpaminany sy ireo apôstôly velona momba ny fiomanana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo.)

Asehoy izao fanambarana manaraka nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson izao:

Sary
Ny Loholona D. Todd Christofferson

Ny voalohany, sady tena manan-danja ho an’ny fiverenan’ny Tompo, dia ny fisian’ny vahoaka iray eto ambonin’ny tany vonona ny handray Azy amin’ny Fiaviany. (“Miomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo,” Liahona, mey 2019, 82)

Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra hisaintsaina sy hirakitra ny eritreriny momba ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no ilainao atomboka atao na ajanona tsy atao intsony mba hahafahanao mahatsapa ho vonona kokoa handray an’i Jesoa Kristy amin’ny fiaviany?

Sedraina ny finoan’ny mpino eo am-piandrasan’izy ireo amim-paharetana ireo famantarana nambara tamin’ny alalan’ny faminaniana fa ho tanteraka.

Hevero ny hizara ny kilasy ho vondrona fifanakalozan-kevitra kely maromaro. Asao ny vondrona tsirairay hiaraka hamerina hijery ny Helamàna 16:13–22 sy ny 3 Nefia 1:4–15, 22 ka hiaraka hitady ny fomba nampisian’i Satana fisalasalana ny amin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny fihetsika nasetrin’ny mpino izany. Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany, dia mangataha mpikambana iray isaky ny vondrona mba hizara ny zavatra hitany. Rehefa mizara ny hevi-baovao hitany ireo mpianatra dia hevero ny hametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra mba hanatsarana ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana:

  • Ahoana no ampiasana ireo tetika fampielezana fisalasalana ireo amin’izao androntsika izao?

  • Inona no nataon’ny Nefita sy ny Lamanita sasany mba hijanonana ho mahatoky hatrany rehefa niatrika fisalasalana sy fanoherana avy amin’ireo tsy mpino izy ireo? (Azonao atao ny mampiseho fitsipika toy izao manaraka izao: Ny fianteherana amin’ny Tompo sy ny fiambenana mafy ho amin’ny fiaviany dia afaka manampy antsika hamaly ny fisalasalana amin’ny finoana.)

  • Inona no azontsika atao hahazoana antoka fa mijanona ho mafy orina sy miorim-paka isika eo am-piandrasana ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany? (Hevero ny hamerina hijery ireo fanambarana nataon’ny Filoha Bonnie L. Oscarson sy ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Ahoana no fomba nanampian’ny fianteherana amin’ny Tompo anao rehefa niatrika olona misalasala lava sy hafatra mety hiteraka fisalasalana ianao? Ahoana no ahafahantsika mifanampy mba hijanona ho mafy orina eo am-piomanana amin’ny fiverenan’ny Tompo?

Asao ny mpianatra hisaintsaina mangina ny zavatra nianarany sy tsapany momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiaviana Fanindroany rehefa niomana sy nandray anjara tamin’ity fotoam-pianarana ity izy ireo. Avy eo dia omeo fotoana ireo mpianatra hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Tompo sy ny fanantenana ananan’izy ireo noho ny fahafantarana fa hiverina indray Izy.

Ho an’ny fotoana manaraka

Hazavao fa mandritra ny fotoam-pianarana manaraka ny mpianatra dia hanana fahafahana hiheverana izany hoe eo anatrehan’ny Mpamonjy sy mifanerasera Aminy izany. Rehefa mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ny mpianatra dia asao izy ireo hitady izay zavatra azon’izy ireo ianarana momba ny toetra sy ny toetoetra mampiavaka an’i Jesoa Kristy avy amin’ny asa fanompoana nataony teo anivon’ireo olona tany Amerika.

Hamoaka printy