Institiota
Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fankatoavana ny didin’ Andriamanitra


“Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fankatoavana ny didin’ Andriamanitra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Fankatoavana ny didin’ Andriamanitra

Ity fizarana ity dia hanome fahafahana ny mpianatra handinihany izay zavatra azony atao mba hampiharana fahatokiana bebe kokoa ny Tompo rehefa miatrika ireo fanamby eo amin’ny fiainana izy ireo. Ato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia ho afaka hanazava ny fomba nanehoan’i Jesoa Kristy fahatokiana tanteraka ny Ray any An-danitra tamin’ny alalan’ny fitandremana ireo didiny rehetra. Ireo mpianatra dia hamantatra ihany koa ireo fitahiana avy amin’ny fankatoavana ary hihevitra izay zavatra azon’izy ireo atao mba hanahafana feno kokoa ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy momba ny fankatoavana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Mankatò ny sitrapon’ny Ray any An-danitra amin’ny zavatra rehetra i Jesoa Kristy.

Ampisehoy ilay sarin’i Jesoa Kristy nampiarahana amin’ity lesona ity. Avy eo dia asao ireo mpianatra hamerina hijery ny 2 Nefia 31:6–7, 10; 3 Nefia 11:11; 27:13 ary hijery izay zavatra azontsika ianarana momba ny fankatoavana avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy.

Sary
I Jaona Mpanao Batisa nanao batisa an’i Jesoa Kristy
Sary
I Jesoa nivavaka tao Getsemane
Sary
Ny fanomboana, nataon’i Carl Heinrich Bloch
  • Inona no azontsika ianarana momba ny fankatoavana avy amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy? (Mety hahita fahamarinana maromaro mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Tamin’ny alalan’ny fanoavana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra tamin’ny zavatra rehetra dia nametraka ohatra tonga lafatra amin’ny fankatoavana mba harahintsika i Jesoa Kristy.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tena nilaina mba hahombiazan’ny iraka nampanaovina Azy teto an-tany ny fahavononan’i Jesoa Kristy hankatò ny Ray? Ahoana no maha-tena ilaina ny fankatoavana ho an’ny fahombiazanao amin’ity fiainana ity sy amin’ny ho avy?

  • Ahoana no ahafahan’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy momba ny fankatoavana manentana ny fanahinao sy mankahery anao hanaiky kokoa ny sitrapon’ny Ray any An-danitra?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny zavatra azon’izy ireo tanterahina amin’ny alalan’ny fankatoavany manokana dia azonao atao ny mizara ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Von G. Keetch ao amin’ny Fitopololahy ity:

Sary
Ny Loholona Von G. Keetch

Ny fankatoavana tena izy dia ny fanolorantsika ny tenantsika manontolo ho an’ny [Ray any An-danitra] sy ny famelana Azy [hanoritra] ny lalantsika amin’ny fotoam-pilaminana sy ny fotoan-tsarotra, sady mahatakatra fa afaka manampy antsika mihoatra noho izay mety ho vitan’ny tenantsika Izy. …

… [Ny didy] dia manisy marika ny lalana tokony halehantsika—ary ny zava-dehibe indrindra dia hoe izy ireny no manampy antsika hahatakatra ny karazana olona tokony hiafarantsika. (“Voatahy sy sambatra ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2015, 117)

  • Inona no azonao atao mba hakana tahaka feno kokoa ny ohatra nasehon’ny Tompo momba ny fankatoavana? (Mety hanampy ny fanomezana fotoana ny mpianatra mba hisaintsainana sy hiraketana an-tsoratra ny eritreriny sy ny zavatra tsapany.)

Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Nefia 2:20–21 dia hevero ny hizara ity trangan-javatra manaraka ity:

Nahasorena an’i Marcel ilay fampanantenan’ny Bokin’i Môrmôna milaza hoe: izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra dia hiroborobo. Mitandrina ny didy amim-pahazotoana izy nefa tena kely ny vola ananany ary sahirana izy mandoa ireo faktiorany isam-bolana. Tsy mahatsiaro tena ho tena miroborobo izy.

Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ny zavatra nianarany tao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana izay afaka manampy an’i Marcel hanitatra ny fahatakarany ireo fomba samy hafa izay ahafahan’ny Tompo mampiroborobo sy mitahy ireo izay mitandrina ny didiny.

  • Inona no azonao zaraina amin’i Marcel mba hanampiana azy hanitatra ny fahatakarany ny fomba samihafa ahafahantsika miroborobo sy hotahiana rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra?

Mba hanatsarana ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonao atao ny mampiseho ireto andininy manaraka ireto ary manasa ny mpianatra hisafidy iray na roa hohalalinina: 1 Nefia 3:7; 1 Nefia 17:3; 1 Nefia 20:18; 1 Nefia 22:31; Môzià 2:41; Almà 12:9–10; Almà 50:22–23; 3 Nefia 14:24–25.

Rehefa avy mandalina ny soratra masina nosafidiany ny mpianatra dia asehoy ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity ary angataho ny mpianatra hizara ny fomba hamenoan’izy ireo azy: Rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra aho dia …

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona. Hevero ny anjara asan’ny fijoroana ho vavolombelona ao amin’ny kilasinao. Ny mpianatrao ve manana fahafahana matetika hijoro ho vavolombelona momba ny fiantraikan’ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainan’izy ireo? Efa naheno sy nahatsapa ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsaran’ny Tompo ve izy ireo? Inona ihany koa no azonao atao mba hampiroboroboana tontolo iray izay ahitana ny fizarana fijoroana ho vavolombelona ho ampahany mahazatra sy mandeha ho azy amin’ny zavatra iainana rehefa mianatra?

  • Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no niaina ireo fitahiana hita ao amin’ireo andininy ireo tamin’ny alalan’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra? (Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo nandritra ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo momba io fanontaniana io tamin’ny namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana ho fanomanana ny fotoam-pianarana.)

Nankatò tamin’ny antsipiriany ireo zatovo mpiady.

Azonao atao ny mampiseho ny sary nampiarahana tamin’ity lesona ity ary manasa mpianatra iray hitantara ny tantaran’ireo zatovo mpiady (jereo ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana).

Sary
Zatovolahy mpiady roa arivo, nataon’i Arnold Friberg

Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny Almà 57:21, 27; 58:40 ka hitady izay zavatra ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny fankatoavana. Hevero hoe iza amin’ireto fanontaniana manaraka ireto no azonao apetraka mba hanampiana kokoa ny mpianatrao hahita izay zavatra ilaina ianarany avy amin’ny ohatr’ireo zatovolahy mpiady.

  • Inona no azontsika ianarana momba ny fankatoavana avy amin’ny zavatra niainan’ireo zatovolahy mpiady? (Mety hahita fahamarinana mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Rehefa miezaka mafy mankatò ny didin’ Andriamanitra amin’ny antsipiriany ary mametraka ny fitokiantsika Aminy lalandava isika, dia hitahy antsika Izy.)

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe miezaka mafy hankatò amin’ny antsipiriany? Inona no maha samy hafa ny fankatoavana amin’ny antsipiriany sy ny fankatoavana vonjy tavan’andro? (Azonao atao ny mamerina mijery ny fanambarana nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Miainga amin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo, azonao heverina ihany koa ny hizara ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Nelson ity: “Mitondra fahombiazana ny fankatoavana; mitondra fahagagana ny fankatoavana amin’ny antsipiriany” [ao amin’ny R. Scott Lloyd, “Elder Nelson Delivers Spiritual Thanksgiving Feast to MTCs,” Church News, 4 dec. 2013, ChurchofJesusChrist.org].)

  • Fampianarana na didy inona no ilainao tomorinao amin’ny antsipiriany kokoa? (Asao ny mpianatra hisaintsaina mangina io fanontaniana io sy hihevitra ny hanoratra drafitra momba ny zavatra azon’izy ireo atao mba hahatratrarana io fiovana io.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny miantehitra amin’ny hery manome tanjaka avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy rehefa miezaka mankatò ny didin’ Andriamanitra amin’ny antsipiriany isika? (Mety hanampy ny famerenana mijery ny fanambarana faharoa nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Oviana ianao no nahatsapa ny hery manome tanjaka avy amin’ny Mpamonjy nanampy anao ho mpankatò bebe kokoa ny didin’ Andriamanitra?

Mba hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny zavatra nianarany momba ny fankatoavana dia hevero ny hifanakalo hevitra momba ity trangan-javatra manaraka ity:

Vao avy nifamofo vao haingana i Maria sy i Francesco ary nametraka daty hanaovana ny fanambadiana. Amin’izao izy ireo efa nanao fanoloran-tena hifanambady izao, dia manjary miha-tsy miraharaha ny fitandremana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izy ireo. Mahatsiaro tena ho voamarina amin’ny “fandikana lalàna heverin’izy ireo fa tsy maninona” izy ireo satria mifankatia ary nanao fanoloran-tena hifanambady.

  • Miainga amin’ny zavatra nianaranao momba ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra, inona no torohevitra homenao an’i Maria sy i Francesco?

  • Ahoana no ahafahan’ny fankatoavana amin’ny antsipiriany mitahy, mitarika ary miaro an’i Maria sy i Francesco rehefa miomana amin’ny fanambadian’izy ireo efa ho avy izy ireo?

Ho an’ny fotoana manaraka

Mariho fa mandritra ny fotoam-pianarana manaraka isika dia hianatra momba ny fanandevozana ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà. Amporisiho ireo mpianatra hameno ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka ary hijery ny fomba nahatonga ny fanafahana ireo olona ireo tsy ho azo natao raha tsy nametraka ny fahatokian’izy ireo feno tamin’ny Tompo izy ireo.

Hamoaka printy