Institiota
Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fankatoavana ny didin’ Andriamanitra


“Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fankatoavana ny didin’ Andriamanitra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

tanora olon-dehibe mandeha an-tongotra sy miresaka

Fankatoavana ny didin’ Andriamanitra

Ato amin’ity fizarana ity dia hanana fahafahana ianao handinihana ny fomba ahafahanao mampitombo ny fahatokianao an’ Andriamanitra ianao. Singa iray manan-danja amin’ny fahatokiana an’ Andriamanitra ny fianarana mankatò an-tsitrapo ny didiny. Manan-danja aminao toy ny ahoana fanarahana ny didin’ Andriamanitra? Misy didy manokana hitanao fa tena sarotra tandremana ve? Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna hanomanana ny fotoam-pianarana ianao dia saintsaino ny tanjon’ny didin’ Andriamanitra sy ireo fitahiana azonao raisina rehefa mikatsaka izay hakana tahaka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy momba ny fankatoavana ianao.

Fizarana 1

Inona no azoko ianarana momba ny fankatoavana avy amin’i Jesoa Kristy?

Fantatsika avy ao amin’ny Testamenta Vaovao fa nandeha tany amin’i Jaona Mpanao Batisa i Jesoa Kristy mba hatao batisa mba hahafahan’izy ireo “[manatanteraka] ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:13–17). Araka ny voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nanazava ny antony nanaovana batisa an’i Jesoa Kristy izay tsy nanam-pahotana i Nefia (jereo ny 2 Nefia 31:6–7).

sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 2 Nefia 31:6–7, 10, dia tadiavo ireo toetra mampiavaka an’i Jesoa Kristy izay nasongadin’i Nefia.

I Jaona nanao batisa an’i Jesoa Kristy

Rehefa niseho tamin’ny Nefita tao amin’ny tanin’i Soafeno i Jesoa Kristy dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny didin’ny Rainy Izy. Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao fanamarihana hoe:

Ny Loholona Jeffrey R. Holland

Amin’ireo hafatra rehetra mety ho avy tamin’ny horonam-bokin’ny mandrakizay dia inona no fanambarana nentin’ny [Mpamonjy]? Nihaino ny Nefita mahatoky rehefa niteny toy izao Izy hoe: “Ary indro, Izaho no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao; ary nisotro tamin’ilay kapoaka mangidy izay efa nomen’ny Ray Ahy Aho ary efa nankalaza ny Ray tamin’ny nitondrako teo Amiko ny fahotan’izao tontolo izao, izay efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana” [3 Nefia 11:11]. Teny roa amby dimampolo. Ny votoatin’ny iraka nampanaovina Azy teto an-tany. Fankatoavana sy tsy fivadihana amin’ny sitrapon’ny Ray, na dia nangidy aza ny kapoaka na naharary toa inona aza ny sarany. (Christ and the New Covenant [1997], 251)

Rehefa akaiky hifarana ny asa fanompoany teo amin’ireo Nefita dia nanambara toy izao ny Tompo, “Fa tonga teo amin’izao tontolo izao Aho mba hanao ny sitrapon’ny Raiko, satria ny Raiko no naniraka Ahy” (3 Nefia 27:13).

sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azonao ianarana momba ny fankatoavana avy amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy?

Fizarana 2

Amin’ny fomba ahoana no hitahiana ahy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra?

Fotoana fohy taorian’ny nialan’i Lehia sy ny fianakaviany tany Jerosalema ho any an-tany foana dia nanomboka nimonomonona tamin-drainy i Lamàna sy i Lemoela. Nalahelo i Nefia noho ny hamafin’ny fon’ireo rahalahiny koa dia nivavaka ho azy ireo izy. Ho valin’ny fitalahoany dia nampianatra an’i Nefia fahamarinana manan-danja iray momba ny fankatoavana ny Tompo. (Jereo ny 1 Nefia 2:11–12, 18–21.)

I Nefia mivavaka
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Nefia 2:20–21, dia jereo ny zavatra nianaran’i Nefia momba ny fankatovana.

Raha niresaka momba ny fampanantenana ao amin’io andinin-tsoratra masina io ny Eveka Gérald Caussé, Eveka Mpiahy, dia nampianatra hoe:

Ny Eveka Gérald Caussé

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny tantara sy ny fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna io fampanantenana io. Miseho amina andininy 18 samy hafa izy io, ary ao amin’ny fito amin’ireo boky 15 ao aminy. Na dia ara-panahy aza ny fitahian’ny firoboroboana voalaza ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ahitana ihany koa ny fahafahan’ny vahoakan’ Andriamanitra misitraka fandrosoana ara-toekarena sy fahatongavana ho mizaka tena ara-nofo izany. (“The Spiritual Foundations of Church Financial Self-Reliance,” Ensign, July 2018, 46)

Ny Mpanjaka Benjamina nitory teny avy teny amin’ny tilikambo

Rehefa nanakaiky ny fiafaran’ny fiainan’ny Mpanjaka Benjamina dia namory ny vahoakany izy mba hanao toriteny farany iray. Tao anatin’ny toriteny nataony dia nampianatra izy fa “mpanompo tsy mahasoa” isika rehetra ary hananan’ Andriamanitra trosa hatrany (Môzià 2:20–21). Ao anatin’ny maha-ananan-trosa antsika, ny Mpanjaka Benjamina dia nampianatra ny antony itakin’ Andriamanitra antsika hitandrina ny didiny.

sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Môzià 2:22, 41 dia hevero ny fomba ahafahan’ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra mamela antsika hiaina ny fahatsaran’ Andriamanitra.

zatovolahy mitsikitsiky

Rehefa naneho hevitra momba ny tanjon’ny didin’ Andriamanitra ny Filoha Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nampianatra hoe:

Ny Filoha Jean B. Bingham

Nahoana no manome didy antsika Andriamanitra? Mba hampahoriana antsika amin’ny alalan’ny fandadiladiana miankohoka amin’ny tany ho mariky ny fanoavana Azy ve? Mba hanesorana izay rehetra mety ho lala-misokatra ho amin’ny zava-mahafinaritra eto amin’ity izao tontolo izao ity ve ? Tsia, ny mifanohitra amin’izay no marina: nanome antsika didy Andriamanitra satria tia antsika Izy. Te hitsimbina antsika amin’ireo rarim-po, fahoriana ary nenina Izy. Fantany fa ny fomba tokana ho amin’ny fahasambarana marina eto amin’ity fiainana ity sy ny fiainana fifaliana tsy voafetra any amin’ny tontolo ho avy dia ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny fankatoavana ireo lalàn’ Andriamanitra. (“Obedience Brings Blessings” [lahateny natao tamin’ny lanonana fizarana diplaoma tao amin’ny Oniversite Brigham Young–Hawaii, 21 apr. 2018], speeches.byuh.edu)

sary famantarana, ifanakalozy hevitra

Ifanakalozy hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ifanakalozy hevitra amin’ny namana na olona iray ao ao amin’ny fianakaviana ny fomba nitahian’ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra ny fiainanareo.

Fizarana 3

Inona no azoko ianarana momba ny fankatoavana avy amin’ireo zatovolahy mpiady?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa “ny fankatoavana amim-pahatokiana ny didin’ Andriamanitra dia tena ilaina amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.” Avy eo izy dia nanondro ireo zatovolahy mpiady ho ohatra iray amin’ny fankatoavana ary nilaza fa “tokony hiezaka mafy mba ho tonga tahaka [azy ireo] isika” (“Receive the Holy Ghost,” Liahona, nôv. 2010, 96, 97).

Ireo zatovolahy mpiady dia zanaky ny Lamanita izay niova fo ho an’ny Tompo taorian’ny nampianaran’ireo zanakalahin’i Môzià azy ireo. Ireo Lamanita ireo dia nantsoina hoe vahoakan’i Amôna na Antia-Nefia-Lehia. Taorian’ny fiovam-pony dia nampanantena an’ Andriamanitra ireo Antia-Nefia-Lehia fa tsy hampiasa ny fitaovam-piadiany intsony. (Jereo ny Almà 23:4–7, 16–17.) Tatỳ aoriana, ny zanakalahin’izy ireo mbola kely, izay tsy nanao izany fanekempihavanana izany, dia nisafidy ny hiditra tao amin’ny tafika Nefita ka hiaro ny fireneny. Ireo zatovolahy mpiady dia naniry an’i Helamàna ho mpitarika azy ireo. Niady tamina ady maromaro nifanaovana tamin’ny Lamanita izy ireo. Na dia nahazo ratra maro aza izy ireo dia nahagaga fa tsy nisy na iray aza tamin’izy ireo maty tany an’ady. (Jereo ny Almà 53:10–19; 57:22–25; 58:39.)

Zatovolahy mpiady roa arivo, nataon’i Arnold Friberg
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 57:21, 27; 58:40. Amin’ny fijerena mihoatra ny sehatry ny adin’ny miaramila, dia jereo izay azonao ianarana momba ny fankatoavana avy amin’ny ohatra nasehon’ireo zatovolahy mpiady.

Ny Filoha Russell M. Nelson raha nitodika tamin’ny ray aman-dreny momba ny fampianarana ny zanak’izy ireo ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana, dia nanome izao torohevitra manaraka izao:

Ny Filoha Russell M. Nelson

Mampianara ny finoana hitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra amin’ny fahafantarana fa izy ireny dia nomena hitahy ireo zanany ary hitondra hafaliana ho azy ireo [jereo ny 2 Nefia 2:25]. Ampitandremo izy ireo fa hihaona amin’olona izay mifidifidy izay didy hotandremany izy ireo ary tsy hiraharaha ireo didy hafa izay safidiany hodikaina. Antsoiko hoe fankatoavana samy maka izay tiany izany. Ny fanaovana io fisafidifidianana io dia tsy mety. Hitarika ho any amin’ny fahoriana izany. Mba hiomanana hihaona amin’ Andriamanitra dia mitandrina ny didiny rehetra ianao. Mitaky finoana ny fankatoavana azy ireo, ary ny fitandremana ny didiny dia hampatanjaka izany finoana izany.. (“Atreho am-pinoana ny hoavy,” Liahona, mey 2011, 34)

Indraindray isika dia mety hahatsapa ho vesarana entana rehefa miezaka mitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra amin’ny antsipiriany. Mba hanampiana antsika hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy mampitombo ny fahafahantsika mankatò, dia nampianatra toy izao ny Loholona Bednar:

Ny Loholona David A. Bednar

Ry rahalahy sy ranabavy, zava-dehibe indrindra ho antsika rehetra ny mahatadidy fa ny fandrosoana amin’ny ambaratonga fankatoavana avo kokoa sy mitaky zavatra ara-panahy bebe kokoa dia tsy resaka finiavana manokana, fahasahiana bebe kokoa ary finiavana bebe kokoa fotsiny; fa tontosaina amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo kosa. (“In a State of Happiness (Môrmôna 7:7)” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young–Idaho, jan. 6, 2004], byui.edu)

sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Miainga amin’ny zavatra nianaranao momba ny fankatoavana tato amin’ity lesona ity, inona no torohevitra homenao ny olona iray izay sahirana mafy amin’ny fitandremana ireo didy?