Institiota
Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny vavaka sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana


“Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny vavaka sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 25, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny vavaka sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana

Nandidy ny Tompo Jesoa Kristy hoe: “Koa tsy maintsy mivavaka mandrakariva amin’ny Ray amin’ny anarako ianareo” (3 Nefia 18:19). Ny Bokin’i Môrmôna dia maneho fitsipika manan-danja mahakasika ny vavaka sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanombantombana ny kalitaon’ny vavaka ataon’izy ireo sy hamantatra ny zavatra azony atao mba hanatsarana ny vavaka ataony. Hanana fahafahana ihany koa ny mpianatra hieritreretana ny zavatra azon’izy ireo atao mba hampitomboana ny fahafahany mandray fanambarana ho an’ny tena manokana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Nampianarin’i Amioleka an’ireo Zôramita ny lanjan’ny vavaka.

Fanamarihana: Eo am-piresahanareo ireo fomba hanatsarana ny vavaky ny tena manokana mandritra ity lesona ity dia ampahatsiahivo ny mpianatra fa mendri-piderana izay mety ho ezaka rehetra atao mba hivavaka. Mety ho tianao ny hanazava fa ity fanombanana ny ezaky ny tena manokana manaraka ity dia natao hanomezana hery ny mpianatra hanakaiky kokoa an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, fa tsy hanakiviana azy ireo amin’ny ezaka ataony mba hivavaka. Ilay fanombanana ny ezaky ny tena manokana dia hanampy amin’ny fanomanana ny mpianatra hiresadresaka ny zavatra ampianarin’i Amioleka momba ny vavaka ao amin’ny Almà 34:17–28.

Asehoy ireto fehezan-teny manaraka ireto, dia asao ny mpianatra hanombana ny ezaka ataon’ny tenany amin’ny fampiasana ambaratongan-drefy 1 ka hatramin’ny 5 (1 = tena tsy manaiky ary 5 = tena manaiky).

  1. Manao vavaky ny tena manokana isan’andro aho. 

  2. Manan-danja sy tena avy amin’ny fo ny vavaka ataoko. 

  3. Mitondra am-bavaka ireo zavatra ilaiko ara-nofo sy ara-panahy aho. 

  4. Mangataka fanampiana aho handreseko ny fakam-panahin’ny devoly. 

  5. Mivavaka ho an’ny hafa aho. 

  6. Miezaka mandrakariva aho ny hivavaka ao am-poko. 

Amporisiho ny mpianatra hieritreritra ny valin-tenin’izy ireo eo am-piresahanareo ny fampianaran’i Amioleka momba ny vavaka.

Fidio ny iray amin’ireto manaraka ireto:

  1. Asehoy ity sarina lehilahy mivavaka eo amin’ny Rameomtôma ity:

    Sary
    Zôramita mivavaka eo amin’ny Rameomtôma

Asao ny mpianatra hamariparitra fohy ny fomba fivavahan’ny Zôramita sy hizara ny zavatra eritreretin’izy ireo mikasika izany fomba izany.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa taty aoriana i Amioleka dia nampianatra fitsipika manan-danja momba ny vavaka tamin’ny andiana Zôramita nanetry tena iray. Asao ny mpianatra hamaky ny Almà 34:17–28 dia hitady ireo fahamarinana izay azo ampitahaina amin’ny toe-javatra iainantsika ankehitriny.

Azonao angatahana mandritra io fifanakalozan-kevitra io koa ny mpianatra mba hizara ny fomba mety hamerenan’izy ireo manoratra ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fiteny mahazatra ankehitriny izay mifandray amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo (jereo ilay zavatra atao hoe “Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao” ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana).

Mety hizara fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra: Tian’ny Raintsika any An-danitra ny hiantsoantsika Azy amin’ny alalan’ny vavaka amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra. Tokony hoentintsika am-bavaka avokoa ireo olantsika ara-nofo sy ara-panahy. Tokony ho tena avy amin’ny fo sy marina ny vavaka. Tokony hivavaka mitokana isika. Tokony hivavaka ho an’ny hafa isika. Tsy tokony hivavaka ho an’ny hafa fotsiny fa hikatsaka ny hanampy azy ireo koa.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Fantaro rehefa tokony hataonao miadana ny fampianaranao mba hianaran-javatra amin’ny antsipiriany kokoa. Tsy azo atao maimaika ny fianarana lalina. Rehefa mihaino ny fanamarihana ataon’ny mpianatra sy manaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ianao dia afaka mahafantatra ny fotoana manan-danja tokony handehanana moramora amin’ny fampianarana sy hamelana ny mpianatra handinika misimisy kokoa ny eritreritr’izy ireo, na ny zavatra tsapany, na ny fanontaniany, na ny olany. Jereo ireto ohatra manaraka ireto:

  • Raha milaza ny mpianatra iray fa nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainany ny vavaka dia afaka manontany ianao hoe: “Afaka manome ohatra amin’ny zavatra tianao ambara ve ianao?”

  • Raha misy mpianatra iray milaza ny fanahiany fa mahatsapa ho lavitra ny Ray any An-danitra izy dia afaka miteny ianao hoe: “Olana goavana tokoa izany. Andao isika rehetra ato an-dakilasy hifampizara ny zavatra nanampy antsika indrindra hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra.”

  • Raha misy mpianatra iray manao fanamarihana izay maneho fa manahirana azy ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy dia afaka miteny ianao hoe: “Tsy dia takatro loatra angamba ilay olanao. Afaka mizara bebe kokoa ny eritreritrao sy ny zavatra tsapanao ve ianao?”

(Jereo ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny seminera sy institiota fianarana ny filazantsara [2012], 64.)

Rehefa mizara ireo fitsipika sy ny fomba maoderina namerenany nanoratana ireo andininy tao amin’ny Almà 34 ny mpianatra dia diniho hoe inona amin’ireto fanontaniana manaraka ireto no azonao apetraka mba hanampiana ireo mpianatrao amin’ny fomba tsara indrindra hanao asa mahomby sy marina.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mampandray anjara ny Ray any An-danitra amin’ny lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainanao? Inona no fahasamihafana hitanao eo amin’ny fiainanao rehefa manao vavaka avy amin’ny fo sy matetika ianao?

  • Inona no sakana mety tsy hamela anao hanao vavaka amin-kitsim-po? Ahoana no ahafahanao manaisotra ireo sakana ireo?

  • “Oviana ianao no nitalaho na namboraka ny fonao tamin’Andriamanitra ary inona no fiantraikan’izany? Ahoana no ahafahantsika minia mamela “ny fontsika ho feno, mitodika Aminy lalandava”? (Almà 34:27).

  • Nahoana ny vavaka no hery lehibe toa izany mba handresena ny herin’ny devoly? (Mety hanampy ny mamaky ny 2 Nefia 32:8 sy ny 3 Nefia 18:15, 18.) Ahoana no nanampian’ny vavaka anao hanohitra fakam-panahy?

  • Inona avy ireo fitahiana tonga teo amin’ny fiainanao rehefa nivavaka ho an’ny hafa sy nanompo azy ireo ianao? Oviana no nahatsapanao ny vavaka nataon’ny hafa ho anao? Iza no fantatrao fa mety mila ny finoanao sy ny vavaka ataonao ary ny fanompoanao?

Zarao ity teny manaraka nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona David A. Bednar

Manantena aho fa isika rehetra dia efa mahafantatra fa ny vavaka dia zava-dehibe ho an’ny fivoarana sy ny fiarovana ny tenantsika ara-panahy. Kanefa indraindray ny zavatra fantatsika dia tsy hita taratra amin’ny zavatra ataontsika. Ary na dia fantatsika aza ny maha-zava-dehibe ny vavaka, dia mbola azontsika rehetra hatsaraina ny fanaovantsika vavaka tsy tapaka, sy ny fahombiazan’izany, na vavaka ho an’ny tena manokana izany na ho an’ny fianakaviana. (“MAngataha amim-pinoana,” Liahona, mey. 2008, 94).

Angataho ny mpianatra hieritreritra ny valin-teniny tamin’ilay fanombanana ny ezaka ataon’ny tena manokana tany am-piandohnan’ny lesona. Amporisiho izy ireo handrefy ny ezaka nataon’ny tenany manokana ary hanoratra ny zavatra azony atao hanatsarana ny fifandraisany amin’Andriamanitra.

Nitady dia nahazo fanambarana ho an’ny tena manokana i Nefia.

Asehoy ireto teny manaraka ireto izay nambaran’ny Filoha Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha, sy ny Filoha Russell M. Nelson, dia angataho ny mpianatra hanazava ny antony hieritreretany fa mety hanan-danja indrindra indrindra ho an’ireo tanora ankehitriny ireo hafatra momba ny fanambarana ireo.

Sary
Filoha Julie B. Beck

Ny fahafahana ho mendrika handray sy hanaraka ny fanambarana ho an’ny tena manokana no fahaiza-manao tokana sy manan-danja indrindra azo alaina mandritra ity fiainana ity. (“Ary na dia ny mpanompo vavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany,” Liahona, mey 2010, 11)

Sary
Filoha Russell M. Nelson

“Tsy mbola nisy fotoana mihoatra noho ny amin’izao ankehitriny izao ny hoe tsy maintsy hamantarana kokoa ny fomba hiresahan’ny Fanahy aminareo. …

Havaoziko indray ny fiangaviako anareo mba hanao izay rehetra tokony hatao mba hampitomboana ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana ho an’ny tenanareo manokana. (“Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 90)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fehezan-teny tsy feno ireto sy ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto:

Asao ny mpianatra hiara-hiasa tsiroaroa na ao anaty vondrona kely ary handalina ireo andalan-tsoratra masina, na mikasika an’i Nefia, na mikasika an’i Lamàna sy i Lemoela, ary avy eo dia hameno ny iray amin’ireo fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe. Mety ho toy izao manaraka izao ny valin-tenin’ireo mpianatra:

I Nefia dia nampitombo ny fahafahany mandray fanambarana tamin’ny alalan’ny faniriana hahalala ny fahamarinana, ny fitokiana ny zavatra fantany momba an’Andriamanitra, ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ary ny fikatsahana tamim-pahazotoana valin-teny avy amin’Andriamanitra.

I Lamàna sy i Lemoela dia nampihena ny fahafahany mandray fanambarana tamin’ny alalan’ny fanamafisana ny fony, ny tsy finoana fa hamaly azy ireo ny Tompo, ny fiadiana hevitra, ary ny tsy fametrahana ny fanontaniany tamin’Andriamanitra.

  • Inona no fiantraikan’ny fahaizan’i Nefia sy i Lamàna ary i Lemoela nandray fanambarana tamin’ny fiainan’izy ireo? Inona no mety ho fiantraikan’ny fampitombona ny fahafahana mandray fanambarana eo amin’ny fiainanao? (Azonao asaina ny mpianatra hamaky ny Almà 12:9–10.)

Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana sy hanoratana ny eritreriny momba ireto fanontaniana manaraka ireto. Eo am-pieritreretan’izy ireo dia azonao aseho ny teny nambaran’ny Filoha Nelson ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona no nianaranao tato amin’ity lesona ity avy amin’ny ohatra nasehon’i Nefia sy i Lamàna ary i Lemoela momba ny fahazoana fanambarana? Inona no tsy tokony hataonao intsony na tokony hatombokao ny manao azy mba hampitomboana ny fahaizanao mandray fanambarana?

Hevero ny hamarana ny lesona amin’ny alalan’ny famporisihana mpianatra iray na roa hizara ny fomba nitahian’ny fandraisana fanambarana ny fiainan’izy ireo.

Ho an’ny lesona manaraka

Angataho ireo mpianatra handinika fitsapana iray izay lalovan’izy ireo amin’izao fotoana izao na lalovan’ny olona fantatr’izy ireo. Eo am-piomanan’izy ireo ho amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia amporisiho izy ireo hitady ireo fahamarinana afaka manampy antsika hiatrika amim-pinoana sy amin-kerim-po ary amim-panantenana ireo fitsapana mianjady amintsika.

Hamoaka printy