“Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fitahiana avy amin’ny fahafahana ara-pivavahana,” Fampianarana sy fotopampampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)
“Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Ny fitahiana avy amin’ny fahafahana ara-pivavahana
Ny fahafahana ara-pivavahana dia zon’olombelona fototra iray. Ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ohatra maro amin’ny fitahian’ny fahafahana ara-pivavahana sy ny vokatry ny famerana ny fahafahana ara-pivavahana. Ato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanana fahafahana hamantatra ireo fitahiana avy amin’ny fahafahana ara-pivavahana ary hanombana izay azon’izy ireo atao mba hitandrovana sy hiarovana izany amin’izao androntsika izao.
Sosokevitra enti-mampianatra
Nanangana endrika governemanta miaro ny fahafahana ara-pivavahana ny Mpanjaka Môzià.
Fanamarihana: Samy hafa be arakaraka ny faritra misy eto amin’izao tontolo izao ny fisian’ny fahafahana ara-pivavahana. Rehefa mifanakalo hevitra momba ny fahahafana ara-pivavahana ianao dia aoka hanana fahatakarana ny toe-javatra manokana misy eo amin’ny faritra misy anareo. Amporisiho ireo mpianatra hiresaka am-panajana momba ny fitondram-panjakana, ny fiangonana hafa ary ny fombafomba ara-pivavahana rehetra.
Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ho fiomanana amin’ny fotoam-pianarana dia nasaina izy ireo hiresaka amin’olona iray na maromaro avy amina finoana hafa. Namporisihina ny mpianatra hanontany an’ireo olona ireo hoe maninona no zava-dehibe amin’izy ireo ny fivavahany ary efa niaina fanenjehana ara-pivavahana ve izy ireo. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianarany tamin’ny resaka nifanaovan’izy ireo na tamin’ny zavatra niainany taloha niaraka tamin’ireo izay avy amin’ny finoana hafa.
Hevero ny hametraka iray na maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no hamaritanao ny fahafahana ara-pivavahana? (Raha ilaina dia asao ireo mpianatra hamerina hijery ny fampidirana sy ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)
-
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’ny olona rehetra ny hanan-jò haneho hevitra sy hanao zavatra miainga avy amin’ny zavatra inoany? (Mety ilaina ny hamerenana mijery ny fanekem-pinoana faha iraika ambin’ny folo sy ny fanambarana nataon’i Joseph Smith ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)
-
Inona no mety ho fiantraikany amin’ny fiainantsika raha tsy afaka maneho hevitra na manao zavatra miainga amin’ny zavatra fototra inoantsika isika, ao anatin’izany ny fomba fijerintsika ara-pivavahana? Inona no ohatra amin’ny fahafahana ara-pivavahana tandindomin-doza amin’izao androntsika izao?
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Mpanjaka Môzià dia nametraka lalàna hiarovana ny vahoaka tao amin’ny fanjakany izay nenjehina noho ny finoany. Azonao atao ny mamerina mijery ny Môzià 27:1–4 miaraka amin’ny mpianatra ary manontany hoe:
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fanambarana nataon’ny Mpanjaka Môzià momba ny fahafahana ara-pivavahana?
Hevero ny hampiseho ny sary nampiarahana tamin’ity lesona ity, dia asao hamintina ny sasany amin’ireo hevitra nampianarin’i Kôrihôra ny mpianatra (jereo ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana). Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny Almà 30:7–9, 11 ka hitady ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fahafahana ara-pivavahana. Saintsaino hoe iza amin’ireto fanontaniana manaraka ireto no azonao apetraka ka tena hanampy indrindra ny mpianatrao handalina:
-
Inona no azontsika ianarana amin’ireo andininy ireo momba ny lanja omen’ny Ray any An-danitra ny fahafahana ara-pivavahana? (Mety afaka mamantatra fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Maniry ny zanany rehetra hanan-jo sy tombontsoa mitovy Andriamanitra mba hahatonga azy ireo ho afaka misafidy ny hanompo Azy tsy misy faneriterena, ary afaka misafidy ny tsy hanompo Azy ihany koa.)
-
Fa maninona no zava-dehibe amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny hoe tsy terena hino na hanaraka Azy isika?
-
Midika inona aminao ny hoe ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia tsy hanery anao hino na hanaraka Azy Ireo mihitsy? Inona no ampianarin’izany anao mikasika ny toetran’ Izy Ireo?
-
Amin’ny fomba ahoana no anomezan’ny fahafahana ara-pivavahana tombony ny olona rehetra ao amin’ny fiarahamonina? Ahoana no anomezan’izany tombony ho anao?
Ny Kapiteny Môrônia dia nanandratra ny fanevan’ny fahafahana ary namory ny vahoaka mba hiaro ny fahafahana.
Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ohatra momba ny mety haha-tandindomin-doza ny fahafahafana ara-pivavahana. (Raha ilaina dia azonao atao ny mangataka azy ireo hamerina hijery ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)
Asao ireo mpianatra hamaky ny Almà 46:4, 10, ary avy eo dia hazavao ny fomba nandrahonan’i Amalikià ny fahafahan’ny Nefita, tao anatin’izany ny fahafahan’izy ireo ara-pivavahana. Anontanio ny mpianatra ny fomba namalian’ny Kapiteny Môrônia an’io fandrahonana io. (Raha ilaina dia angataho ireo mpianatra hamerina hijery ny Almà 46:12–13, 19–20.) Hevero ny hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Fitsipiky ny filazantsara momba ny fahafahana ara-pivavahana inona no azontsika ianarana avy amin’ny ezaky ny Kapiteny Môrônia sy ny olony? (Ampio ireo mpianatra hamantatra fitsipika iray mitovitovy amin’ity manaraka ity: Rehefa miantso an’ Andriamanitra isika ary miomana handray andraikitra, dia hampatanjaka antsika Izy amin’ny fiarovana ny fianakaviantsika, ny fivavahantsika ary ny fahafahantsika.)
-
Inona no fiantraikany nentin’ny Kapiteny Môrônia sy ny fanevan’ny fahafahana teo amin’ny vahoaka? Nahoana isika no mila ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny ezaka ataontsika hiarovana ny fahafahana ara-pivavahana?
-
Amin’ny fomba ahoana no itovian’ny fiarovan’ny Kapiteny Môrônia ny fahafahana ara-pivavahana amin’ny fomba niarovan’i Jesoa Kristy ny fahafahantsika misafidy?
Mba hanampiana ny mpianatra hihevitra ny tokony hananantsika fahalalam-pomba rehefa miaro ny fahafahana ara-pivavahana dia azonao atao ny mampiseho ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:
Tokony ho tia ny olon-drehetra isika, hahay hihaino, ary haneho firaharahiana ny zavatra inoan’izy ireo amin-kitsimpo. Tokony ho hendry isika rehefa manazava sy mijoro amin’ny fotokevitsika ary rehefa mitaona ny hafa. Tokony hikatsaka ny fahatakarana sy ny fanohanan’ny tsy mpino isika. Ary tsy maintsy ampidirintsika ihany koa ny hetsika ôfisialin’ny governemanta sy ireo vondrona iraisam-pirenena voakasika amin’izany. Ilaina izany rehetra izany mba hitandrovana ny soa lehibe izay azon’ny fikambanana ara-pivavahana sy ny mpino tanterahina ho tombontsoan’ny zanak’olombelona rehetraChallenges to Religious Freedom” [lahateny tao amin’ny Argentina Council for Foreign Relations (CARI), 23 apr. 2015], newsroom.ChurchofJesusChrist.org)
Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ny fiarovana ny fahafahana ara-pivavahana dia asao izy ireo hiara-hiasa amina namana iray ary hifanakalo hevitra momba ny mety ho valin-tenin’izy ireo amin’ity trangan-javatra manaraka ity:
Rehefa avy nomena fotoana iresahana ny valin-teniny amin’ny namany avy ny mpianatra dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny fomba namalian’izy ireo ilay trangan-javatra.
Asao ny mpianatra mba hametraka tanjona manokana momba ny zavatra azon’izy ireo atao mba ho vonona tsara kokoa hiaro ny zo masin’ny fahafahana ara-pivavahana. (Mety hanampy ny fampisehoana sy famerenana mijery ny fanambarana nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny fizarana 2 tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra drafitr’asa tsotra iray hanatanterahana ny tanjon’izy ireo. Hevero ny hijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny fahafahana ara-pivavahana ho famaranana ny lesona.
Ho an’ny fotoana manaraka
Angataho ny mpianatra handinika ny hoe nahoana no lohahevitra hita matetika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny avonavona. Tsindrio fa ny Filoha Ezra Taft Benson dia nanao fanamarihana hoe: “Fahotana mora hita amin’ny hafa ny avonavona saingy mahalana no anekena azy amin’ny tenantsika” (“Beware of Pride,” Ensign, mey 1989, 5). Asao ny mpianatra mba hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny fampianarana momba ny avonavona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny mety ho fiantraikan’ny avonavona eo amin’ny fiainan’izy ireo.