Institiota
Lesona 12, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny ilantsika fahaterahana indray ara-panahy


“Lesona 12, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny ilantsika fahaterahana indray ara-panahy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)

“Lesona 12, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 12, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny ilantsika fahaterahana indray ara-panahy

Ao anatin’ny toetry ny fahalavoantsika dia tsy mendrika ny hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra isika. Noho i Jesoa Kristy sy amin’ny alalan’ny heriny manavotra dia afaka ny ho teraka indray ara-panahy isika amin’ny maha-zanaky ny fanekempihavanany antsika ary ho mendrika ny voninahitra selestialy. Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hanana fahafahana hampitombo ny fahatakarany ny fahaterahana indray ara-panahy sy hanazava ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manova ny fontsika. Hamantatra ny zavatra azony atao ihany koa ireo mpianatra mba hiaina tsara kokoa ny fotopampianaran’i Kristy mba hampahalalina ny fiovam-pon’izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Ampio ireo mpianatra handray andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo. “Ny fianarana dia tokony hataon’ny [mpianatra]. Noho izany dia ilay [mpianatra] no tokony hirotsaka an-tsehatra” (Teaching the Gospel: A Handbook for CES Teachers and Leaders [1994], 14). Nilaza Rahavavy Virginia H. Pearce, mpanolotsaina teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany hoe: “Ny mpampianatra mahay dia tsy mieritreritra hoe -Inona no hataoko mandritra ny fotoam-pianarana androany?- fa manontany kosa hoe -Inona no hataon’ireo mpianatro androany mandritra ny fotoam-pianarana?-, tsy hoe -Inona no hampianariko androany?- fa hoe -Ahoana no hanampiako ny mpianatro hahita ny zavatra ilainy ho fantatra?- [Teaching the Gospel: A Handbook for CES Teachers and Leaders, 13]” (“The Ordinary Classroom—a Powerful Place for Steady and Continued Growth,” Ensign, Nov. 1996, 12).

Ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka dia niaina fahaterahana indray ara-panahy.

Asehoy ity teny manaraka izay nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ity: “Tsy … ampy ho antsika ny resy lahatra amin’ny filazantsara; mila manao zavatra isika sy mandinika mba hiova fo noho izany” (“The Challenge to Become,” Ensign, Nov. 2000, 32).

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana izy ireo dia namaky ny tantaran’ny fahaterahanan’i Benjamina Mpanjaka indray ara-panahy. Raha ilaina dia azon’ny mpianatra jerena ny Môzià 4:2–3 sy ny Môzià 5:2–7 hitadiavana ny fifandraisana eo amin’ny fotopampianaran’i Kristy sy ny fiovam-po. Azonao apetraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra mba hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra momba ireo fahamarinana hitany.

  • Lafiny inona amin’ny fotopampianaran’i Kristy ho nampiharin’ireo vahoakan’i Benjamina Mpanjaka, ary inona no fiantraikan’izany tamin’ny fahaterahan’izy ireo indray ara-panahy? (Ampio ny mpianatra hahita fitsipika iray mitovy amin’ity manaraka ity: Rehefa miezaka ny miaina ny fotopampianaran’i Kristy isika dia hanova ny fontsika ny Mpamonjy ary hanampy antsika ho teraka indray ara-panahy.)

  • Nahoana no manan-danja ny mahafantatra ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fahaterahanao indray ara-panahy?

  • Inona no zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy izay mitaona anao hitodika any Aminy mba hanova ny fonao?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanovan’i Jesoa Kristy ny fonao? Inona no tsapanao Aminy noho ny fanampiany anao tamin’izany fiovana izany? (Amporisiho ireo mpianatra hizara zavatra niainana izay tsy mahakasika be loatra ny tena manokana, na asao izy ireo mba hirakitra an-tsoratra zavatra niainana iray ao amin’ny diariny.)

  • Ahoana no hamahan’ny singa tsirairay ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy (finoana, fibebahana, batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany) ny varavarana mba hanovan’ny Tompo ny fonao?

Asao ireo mpianatra hieritreritra izay fiovam-po tian’izy ireo hiainana ka hanontany hoe:

Mandevina ny fiadiny ny Antia-Nefia-Lehia.

Hazavao fa na dia efa niaina fiovam-po mahery vaika aza ny olona iray dia mety hihena ny fanoloran-tenany. Asehoy ity teny nambaran’ny Loholona Dale G. Renlund manaraka ity:

Sary
Loholona Dale G. Renlund

Isika rehetra dia samy mahafantatra olona nanana io fiovam-po mahery vaika io kanefa nanaraka ny maha-olona araka ny nofo azy avy eo. Nanjary tsy niraharaha izy ireo tamin’ny fitsaohany sy ny fanoloran-tenany tamin’ Andriamanitra, lasa mafy ny fony, ary noho izany dia lasa mampidi-doza ny famonjena azy ireo mandrakizay izy ireo.. (“Mihazona ilay fiovam-po mahery vaika,” Liahona, nôv. 2009, 98)

  • Nahoana ny olona iray izay efa niaina fiovam-po mahery vaika no lasa tsy miraharaha amin’ny fitsaohany sy ny fanoloran-tenany amin’ Andriamanitra?

Mba hanolorana zavatra mifanohitra amin’ ireo olona izay faritan’ny Loholona Renlund dia asehoy ity sary manaraka ity. Asao ireo mpianatra mba hanazava ny tantaran’ny Antia-Nefia-Lehia sy hanoritsoritra ny zavatra nahatonga ny Antia-Nefia-Lehia handevina ny fitaovam-piadiany.

Sary
Ilay lalana manadion’ny fankatoavana sy ny fahafoizan-tena ary ny fanamasinana, nataon’i Dan Burr

Eo am-pizaran’ireo mpianatra ny zavatra fantany momba ny Antia-Nefia-Lehia dia azonao ampiasaina ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny halalin’ny fiovan’ireo vahoaka sy ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy: Almà 23:6–7; Almà 24:9–11, 15; ary Almà 27:27.

  • Inona no nanakana ireo Antia-Nefia-Lehia tsy hanjary hanao toy ny fahazarana fotsiny ihany ny fitsaohany sy ny fanoloran-tenany amin’ Andriamanitra?

  • Lesona inona avy amin’ireo andin-tsoratra masina ireo no mety hanampy anao hampivoatra ny ezaka ataonao mba “[hiorina amin’ny] finoana an’i Kristy hatramin’ny farany” (Almà 27:27)?

Azonao asaina ireo mpianatra hisaintsaina ny fitaovam-piadian’ny fikomiana izay mihazona azy ireo tsy hiaina manokana fiovam-po mahery vaika.

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany tato amin’ity lesona sy toko ity dia alamino ho vondrona kely vitsivitsy izy ireo ary manendre mpitarika isaky ny vondrona tsirairay. Omeo ity taratasy zaraina manaraka ity ny vondrona tsirairay, ary alaivo antoka fa manana fotoana ampy ireo mpianatra mba hanaovana fifanakalozan-kevitra manan-danja. Raha mbola ampy ny fotoana dia asao ireo mpianatra mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra.

Fifanakalozan-kevitra ataona vondron’olom-bitsy momba ny fahaterahana indray ara-panahy

Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra—Lesona 12

Fanamarihana ho an’ny mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Mitariha fifanakalozan-kevitra momba ireto tranga manaraka ireto miaraka amin’ireo olona ao amin’ny vondrona misy anao. Amporisiho ny mpikambana rehetra ao amin’ny vondrona misy anao mba handray anjara. Na izany aza anefa dia tsy tokony hisy olona hahatsapa ho terena hizara ny heviny na iray aza.

Tian’i Pablo ny fanompoana tamin’ny asa fitoriana nataony ary tsapany fa nipaka lalina tao am-pony ny filazantsara. Niverina avy tamin’ny asa fitoriana nataony izy ary feno fifaliana sy fanantenana lehibe ny amin’ny hoaviny. Rehefa tafody nandritra ny herinandro vitsivitsy izy dia nanomboka nahatsapa ho tsy nilaina sy very. Nahatsapa ho manirery matetika izy. Mba hiezahana handresy ireo fahatsapana ireo dia nandray anjara tamin’ny hetsika sy tetikasa maro samihafa izy. Nanomboka tsy niraharaha tsikelikely ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina fanaony izy. Lasa tsitapatapaka ny fanatrehana fotoam-piangonana, ary vao tsy ela izy dia nalaim-panahy hiverina amin’ny fahazaran-dratsy fanaony talohan’ny asa fitoriana nataony.

Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:

  • Fahamarinana inona momba ny fahaterahana indray ara-panahy sy ny fiovam-po no mety hanan-danja indrindra amin’ny toe-javatra iainan’i Pablo?

  • Raha toa ka namanao i Pablo dia inona no hozarainao aminy momba an’i Jesoa Kristy ka mety hanampy azy hiaina fiovam-po indray?

  • Inona no lesona azon’i Pablo ianarana avy amin’ireo Antia-Nefia-Lehia?

Fifanakalozan-kevitra ataona vondron’olom-bitsy momba ny fahaterahana indray ara-panahy

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Diniho ny hanomezana minitra vitsy ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra nianarany tao amin’ny fifanakalozan-kevitra nataon’ny vondrona nisy azy. Azonao omena fotoana ihany koa izy ireo mba hisaintsainana ny zavatra tsapany fa tokony hataony noho ny zavatra nianarany sy tsapany androany. Asao izy ireo hizara ny fomba nitomboan’ny fahatakarany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny fotopampianaran’i Kristy rehefa nandalina ity toko ity izy ireo.

Ho an’ny lesona manaraka

Eo am-piomananao hamarana ny lesona dia azonao aseho ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity: “Te hiresaka aminareo momba ny fanamby lehibe indrindra sy ny tanjona lehibe indrindra ary ny asa lehibe indrindra eto an-tany izahay. Dia te hanasa anao mba handray anjara amin’izany izahay! (Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely [Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona, 2018), fanampin’ny New Era sy ny Ensign, 3 HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org). Eo am-pandalinan’ireo mpianatra ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka, dia amporisiho izy ireo hieritreritra ny anjara asa sahaniny ao amin’ilay tanjona lehibe: dia ny fanangonana an’i Isiraely.

Hamoaka printy