“Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mamaly ny antso avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)
“Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Mamaly ny antso avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo
Mety efa nahita olona naneho fihetsika isan-karazany manoloana ireo hafatra nomen’ireo mpaminany ianao. Ireo olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa dia naneho fihetsika isan-karazany. Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ireo olona sy mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny fihetsika tokony asetrintsika manoloana ny Tompo sy ireo hafany? Rehefa mandalina ianao dia eritrereto ny fomba handraisanao amim-pinoana sy fankatoavana bebe kokoa ny tenin’ny Tompo omeny amin’ny alalan’ireo mpaminaniny.
Fizarana 1
Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ireo fampitandremana avy amin’ireo mpaminany ho fanehoana ny fitiavan’ny Tompo ahy?
Nilaza ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
Satria tsara fanahy ny Tompo, dia niantso mpanompo izy mba hampitandrina ny olona amin’ny loza. Izany antso hoe hampitandrina izany dia mihamafy sy mihamanan-danja noho ireo fampitandremana tena lehibe izay mikasika ireo loza izay tsy mbola eritreretin’ny olona akory hoe tena misy. (“A Voice of Warning,” Ensign, nôv. 1998, 32)
Tahaka ireo mpaminany talohany, i Lehia dia nivavaka ho an’ireo vahoaka tao Jerosalema. Avy eo dia heniky ny Fanahy izy ary nahita an’i Jesoa Kristy tao anaty fahitana. Nampiseho boky an’i Lehia ny Tompo ary nangataka azy mba hamaky izany. (Jereo ny 1 Nefia 1:5–12.)
Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Ny antony manosika antsika hanandratra feo fampitandremana dia fitiavana, fitiavana an’ Andriamanitra sy fitiavana ny hafa. Ny mampitandrina dia maneho firaharahiana. (“Ny feo fampitandremana,” Liahona, mey 2017, 109)
Amin’izao androntsika izao dia niantso lehilahy 15 ny Tompo (ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo) ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao momba ny fisian’ny mpaminany eto ambonin’ny tany:
Ny fananana mpaminany dia mariky ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany. Mampahafantatra ireo fampanantenana sy ny toetoetra marin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy amin’ny olon’ Izy Ireo izy ireo. (“Miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany,” Liahona, mey 2018, 99)
Nampianatra koa i Nefia fa ny Mpamonjy no ivon’ny zavatra ampianarina sy soratan’ireo mpaminany.
Fizarana 2
Ahoana no ahafahako mahafantatra fa ny mpaminany velona dia misolo tena ny Tompo?
Alaivo sary an-tsaina hoe inona no mety ho tsapanao raha toa ka iray tamin’ireo zanak’i Lehia ianao rehefa niteny tamin’izy ireo Izy fa tian’ny Tompo handao ny tranony izy ireo ary ho any an-tany foana. Ahoana araka ny eritreritrao no ho fihetsika nasehonao tamin’ity hafatra ity?
Nanazava ny Filoha Eyring hoe:
Tao amin’ny ankohonan’i Lehia, ireo izay nanam-pinoana sy nandray fanambarana manamafy ny zavatra voalaza ihany no sady nahita ny loza no nahita ihany koa ny fiarovana tamin’izany. Ho an’ireo tsy nanam-pinoana kosa dia tsy hadalana fotsiny ihany ny fifindrana ho any an-tany foana fa nampidi-doza ihany koa.. (“Safety in Counsel,” Ensign, jona 2008, 7)
Fizarana 3
Inona no azoko ianarana avy amin’ny fihetsika nasehon’ireo vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny hafatry ny Tompo nomeny tamin’ny alalan’ireo mpaminany?
Fony izy Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany dia nampianatra izao manaraka izao ny Rahavavy Carol F. McConkie:
Antsika ny safidy. Afaka misafidy ny tsy hiraharaha na hanamaivana na hanambany na hanohitra ny tenin’i Kristy ambaran’ireo mpanompo voatendriny isika. Saingy nampianatra ny Mpamonjy fa ireo izay manao izany dia hoesorina tsy ho eo anivon’ny vahoakan’ny fanekempihavanany [jereo ny 3 Nefia 20:23]. …
… Enga anie isika ka hisafidy ny hiara-hijoro amin’ireo mpaminany ary hiaina araka ny tenin’izy ireo mandra-pahatonga antsika ho iray ao anatin’ny finoana, madio ao amin’i Kristy ary heniky ny fahalalana ny Zanakalahin’ Andriamanitra. (“Miaina araka ny tenin’ireo mpaminany,” Liahona, nôv. 2014, 78–79)